Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Anton-javatra Manosika Ambonin’ny Sandam-Bola

    Ny anton-javatra manosika antsika no mamaritra ny toetry ny asantsika, ka misy fitomboka aminy amin’ny fahafaham-baraka na amin’ny fahamendrehan’ny fitondran- tena ambony. Tsy ny zava-dehibe izay hitan’ny maso rehetra sy derain’ny lela rehetra akory no isain’Andriamanitra ho sarobidy indrindra. Ny adidy madinika atao amim-pifaliana, ny fanomezana kely izay tsy mahatonga fisehosehoana, ary mety ho tsy misy dikany eo imason’olombelona, no matetika ambony indrindra eo imasony. Ny fo feno finoana sy fitiavana dia mamy kokoa amin’Andriamanitra noho ny fanomezana lafo vidy indrindra.TF 192.1

    Nomen’ilay mpitondratena mahantra ny fivelomany hoenti-manao izay kely mety ho vitany. Nampiafy ny tenany tamin’ny sakafo izy mba ahazoany manome ireo farantsa kely roa ho an’ny asa izay tiany. Ary nataony tamim-pinoana izany, nino izy fa ny Rainy izay any an-danitra dia tsy hijery fotsiny amin’izao ny fahasahiranany lehibe. Io toe- tsaina tsy misy fitiavan-tena io sy io finoana toy ny an’ny zaza io no noderain’ny Mpamonjy.TF 192.2

    Eo anivon’ny mahantra dia betsaka no maniry mafy ny haneho ny fankasitrahany an’Andriamanitra noho ny fahasoavany sy ny fahamarinana. Maniry mafy ny hiara- misalahy amin’ny rahalahiny ambinina kokoa izy eo amin’ny fanohanana ny asa fanompoana an’Andriamanitra. Tsy tokony hatositosika ireny fanahy ireny. Aoka izy hametraka ny farantsa keliny ao amin’ny bankin’ny lanitra. Raha avy amin’ny fo heniky ny fitiavan’Andriamanitra no hanomezana izany, dia hanjary ho fanomezana voatokana ireny, ho fanatitra sarobidy, izay hahafaly an’Andriamanitra sy hotahiny.TF 192.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents