Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 35 - Sarobidy Eo Imason’ Andriamanitra

    Eo amin’ireo milaza azy ho zanak’Andriamanitra, dia misy lehilahy sy vehivavy izay tia izao tontolo izao sy ireo zavatra eo amin’izao tontolo izao, ka simban’ny hery miasa mangina avy amin’izao tontolo izao ireo fanahy ireo. Niala teo amin’ny natiorany ny maha-Andriamanitra. Amin’ny maha-fiadian'ny tsy fahamarinana azy dia manatontosa ny fikasan’ilay fahavalo izy ireo.TF 194.1

    Mifanohitra amin’io antokon’olona io kosa anefa ilay lehilahy mahitsy, mahantra fa miasa mafy, izay vonona hanampy ireo izay mila fanampiana, sady vonona ny hijaly noho ny tsy rariny, toy izay hampiseho ny toe-tsaina feno fahihirana sy fieremanana ananan’ny mpanan-karena. Omen’io lehilahy io tombambidy ambony noho ny lanjan’ny volamena ny saina madio sy ny foto-kevitra marina. Vonona ny hanao ny tsara rehetra azony atao izy. Raha misy orinasa miasa an-tsitrapo mitady vola na mitady ny asany, dia izy no hamaly voalohany, ary matetika izy no manao mihoatra noho ny tena fahafahany, ka mandà izay mety ilain’ny tenany mba hanatrarana io tanjony eo amin’ny asa fanasoavana io.TF 194.2

    Mety tsy afaka hirehareha afa-tsy amin’ny harena kely ety an-tany fotsiny io lehilahy io; mety horaisina ho tsy ampy fahaizana sy fahendrena izy; mety tsy dia omen-danja manokana ny hery miasa mangina avy aminy; kanefa sarobidy izy eo imason’Andriamanitra. Mety hieritreritra ny olona fa kely ny fahatakarany zavatra, saingy maneho fahendrena ambony lavitra, tahaka ny maha-ambony lavitra an’Andriamanitra raha oharina amin’ny olombelona, noho ny toe-tsaina mpikajikajy sy feno fieremana izy; satria tsy mihary harena ho azy any amin’ny trano firaketan’ny lanitra va izy, dia harena izay tsy mety simba, tsy misy loto, ary tsy mety levona? - RH, 19 Des. 1899.TF 194.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents