Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tahaka ny Fofona Manitra

    Ny fanandramana dia maneho fa eo amin’ireo izay tsy dia manan-katao no ahitana matetika ny toe-tsain’ny fahalalahan-tanana fa tsy any amin’ireo mpanan-karena kokoa. Betsaka amin’ireo izay maniry fatratra ny hahazo harena no hosimbain’ny fananany. Rehefa anankinana talenta amin’ny endrika hoenti-manana ny olona tahaka izany, dia matetika loatra izy ireo no mamory na mandanilany foana ny volan’i Jehôvah, mandra-pitenenan’ny Mpampianatra azy ireo mivantana hoe: ‘‘Tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao”. Ampiasainy amin’ny fomba tsy marina ny fananan’ny hafa, tahaka ny hoe azy mihitsy izany. Tsy hanankinan’Andriamanitra harena mandrakizay izy ireo (...)TF 195.1

    Tahaka ny fofona manitra eo anatrehan’Andriamanitra ny fanomezan’ilay lehilahy malahelo, izay vokatry ny fandavan- tena, mba hampielezana ny fahazavana sarobidin’ny fahamarinana. Ny fihetsika feno fahafoizan-tena tsirairay ho amin’ny mahasoa ny hafa dia hampahery ny toe-tsain’ny fahalalahan-tanana eo amin’ny fon’ny mpanolotra azy, ka hampiray azy akaiky kokoa amin’Ilay Mpanavotra izao tontolo izao, izay nanan-karena, saingy tonga malahelo noho ny amintsika mba hampanan-karena antsika ny alahelony.TF 195.2

    Ny vola kely indrindra omena amin’ny fo ravoravo ho vokatry ny fandavan-tena dia manan-danja kokoa eo imason’Andriamanitra noho ny fanatitr’ireo izay afaka manome arivoarivo kanefa tsy mahatsiaro fahabangana. Naneho fitiavana, finoana ary fahalalahan-tanana ilay vehivavy mpitondratena izay nandatsaka farantsa roa tao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra (...) Nahatonga io fanatitra natolotra tamin’ny fo tsotra io ho loharanon’ny vokatra goavana tokoa ny fitahian’Andriamanitra.TF 195.3

    Ny farantsan’ilay mpitondratena dia tahaka ny loharano kely nikoriana nandritra ny taona maro nifandimby, izay nihalehibe sy nihalalina teny amin’ny lalany, ary nandray anjara tamin’ny fomba maro samihafa tamin’ny fampiroboroboana ny fahamarinana sy ny fanamaivanana ireo malahelo. Ny hery miasa mangina avy tamin’izany fanomezana kely izany dia niasa ary nisy fiantraikany teo amin’ny fo anvoarivo nandritra ny taona rehetra sy tany amin’ny firenena rehetra. Vokatr’izany, maro tsy tambo nisaina ny fanomezana nitobaka tao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra avy tamin’ireo mahantra malala-tanana sy manana fandavan-tena. Ary nisarika olona an’arivony maro izay tia fahafinaretana sy tia tena ary mpisalasala mba hanao asa tsara hatrany hatrany ny ohatra napetrany, ary lasa nampitombo ny sandan’ny fanatitr’izy ireo ny fanomezan’izy ireo.- Sg, 15 Nôv. 1910.TF 196.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents