Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ohatra Nasehon’i Nehemia

    Tsy nila niantehitra tamin’ny kisendrasendra i Nehemia. Nila vonjy tamin’izay afaka nanampy azy izy raha nisy izany. Vonona mandrakariva hanohina ny fon’ny olona manana zava-tsoa amin’ity tany ity Andriamanitra mba hampiasaina amin’ny asan’ny fahamarinana izany Tokony hanararaotra ny fanampiana omen’ny olona ampirishan’ny lanitra ireo mpanompon’Andriamanitra izay miasa ho an’ny Tompo. Afaka hanoka-dalana eo amin’izay idiran’ny fahazavan’ny fahamarinana eo anivon’ny tany maizina maro ny fanomezana ataon’izy ireny. Mety tsy hanana finoana an’i Kristy ireo mpanome, ary mety tsy hahalala mihitsy ny Tenin’Andriamanitra koa aza, nefa tsy tokony holavina noho izany antony izany ny fanomezana ataony. — MM, t. 519.TF 200.3

    Tokony handroso haingana dia haingana ny asan’Andriamanitra ankehitriny. Koa raha hamaly ny antson’Andriamanitra ny vahoakany, dia hataony izay hanoloran’ireo tompom-pananana amin’ny nahim-pony ny volany, ary dia hataony amin’ny alalan’izany koa izay hahavitana ny asany eto an-tany. “Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. ” — Heb. 11:1. Ny finoana ny Tenin’Andriamanitra dia hanao izay hahazoan’ny olony fananana izay hanampy azy ireo hiasa any amin’ireo tanàn-dehibe izay miandry ny hafatry ny fahamarinana. - 9T, tt. 272,273.TF 201.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents