Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 37 - Ny Fanafahana Ireo Olo-Masina

    Tamin’ny manatonalina no nofidin’Andriamanitra hanafahana ny vahoakany. Raha mbola nanao fahirano namazivazy azy ireo ratsy fanahy, tsitapitapitr’izay nivoaka ny masoandro tamin’ny heriny, ary ny volana mbola mitoetra hatrany. Nijery ny zava-nitranga tamim-pitalanjonana ireo ratsy fanahy. Nifandimbindimby haingana ireo famantarana sy ireo fahagagana. Toa tsy mifanaraka tamin’ny fizotrany voajanahary ny zavatra rehetra. Fa ireo masina kosa nijery tamin-karavoana ireo mariky ny fanafahana azy ireo.HM58 75.7

    Nitsahatra nikoriana ny loharano. Niakatra ny rahona mainty sady mavesatra, ary mifandona. Nefa misy toerana mazava iray izay nipetrahan’ny voninahitra, teo no nivoahan’ny feon’Andriamanitra, tahaka ny firohondrohon’ny rano maro, izay nanozongozona ny lanitra sy ny tany.HM58 75.8

    Ary nisy horohoron-tany lehibe iray. Nisokatra ny fasana ary ireo izay nodimandry teo amin’ny finoana mandritry ny fanambarana ny hafatry ny anjely fahatelo, ka nitandrina ny Sabata, nivoaka avy teo amimpandriana vovoka amim-boninahitra mba handre ny fanekem-pihavanana izay hamboarin’Andriamanitra ho an’ireo izay mitandrina ny didiny. Nisokatra sy nihidy ny lanitra, ary mitohy tsy tapaka ao anaty fisamboaravoara. Nihorohoro tahaka ny volotara hozongozonin’ny rivotra ny tendrombohitra, ka nandatsaka vongana harambato nanerana ny manodidina rehetra. Nandevilevy ny ranomasina ka nanipy vato maro teny ambonin’ny tany. Ary raha nanambara ny andro sy ny ora hiavian’i Jesosy Andriamanitra, ka hanafaka ny fanekena mandrakizay ho an’ny vahoakany, dia nilaza fehezan-teny iray Izy, ary nohon’ny avy eo dia niato kely ary nandritra izay fotoana izay dia nitety niparitaka tamin’ny tany ny teniny. Nijoro ny Israelin’Andriamanitra ary nampifantoka ny masony teny ambony, nihaino ireo teny izay naloakin’ny vavan’I Jehovah izy ieo, ary nitety ny tany tahaka ny kotrobaratra mafy indrindra izany. Tena sehatra nampatahotra mihitsy izany. Isakin’ny fiafarany fehezan-teny dia miantso ny olo-marina hoe: “Voninahitra! Haleloia! Nohazavain’ny voninahitr’Andriamanitra ny endrik’izy ireo ary namirampiratra ny voninahitr’izy ireo toa ny tavan’i Mosesy raha nidina ny tendrombohitra Sinay izy. Tsy afaka nijery azy ireo ny ratsy fanahy noho ny famirapiratr’ ilay voninahitra. Ary rehefa notononina ho an’ireo izay nanome voninahitra an’Andriamanitra; tamin’ny fitandremana ny Sabatany masina fitahiana tsy manam-pahataperana, dia nisy hiakam-pandresena mahery noho ny nandresena ilay bibidia sy ny sariny.HM58 75.9

    Rehefa afaka izany dia nanomboka ny Jobily, mandritr’izany dia hitsahatra ny tany. Hitako ny andevo tia fivavahana nitsangana tamin’ny fandresena, mandresy, ary namaha ny rojo izay namatorana azy ary nandritra izany dia nikorotan-tsaina ireo tompony ratsy fanahy ary tsy nahalala izay tokony hatao satria tsy afaka ny hahazo izay teny tononin’ny feon’Andriamanitra izy ireo.HM58 76.1

    Rehefa afaka kelikely dia niseho ilay rahona fotsy lehibe. Ary nipetraka teo amboniny ny Zanak’olona. Raha miseho voalohany teny lavitra eny ity rahona ity dia toa mahia kely ny fijery azy. Nilaza ny anjely fa famantarana ny Zanak’olona izy io. Ary arakaraka ny anatonan’ilay rahona ny tany, dia afaka mibanjina ny voninahitra lavorary ary ny fiandrianan’I Jesosy izay mandroso ho amin’ny fandresena isika. Nanaraka azy teny an-dalana ireo Anjely masina maro ny lohany voaravaka mahatalanjona ny satro-boninahitra manjelanjelatra, izay nanaraka Azy. Tsy nisy fiteny na dia iray aza afaka namariparitra ilay voninahitra teo amin’ilay zava-miseho. Ilay rahona velon’ny fiandrianana, sy ilay voninahitra tsy manampaharoa, nanakaiky antsika hatrany hatrany, ka dia, azontsika natao ny manavaka mazava ilay tenan’I Jesosy maha-te ho tia. Tsy nitondra satroka-tsilo Izy, fa satroboninahitry ny voninahitra no nihaingoan’ ny endriny masina. Teo amin’ny lambany sy teo amin’ny feny dia nisy anarana voasoratra hoe: “MPANJAKAN’NY MPANJAKA SY TOMPON’NY TOMPO”. Ary ny masony dia lelafo, ny tomgony nanan’endrika varahina voadio, ary ny feony toy ny feon’ny zava-maneno maro. Ny endriny namiratra toy ny masoandro mitataovovonana. Nihorohoro teo anatrehany ny tany, dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra. Niala teo amin’ny hitoerany .Ary ny mpanjakan’ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanan-karena sy ny lehilahy mahery mbamin’ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin’ny lavaka sy tao amin’ny vatolampy eny an-tendrombohitra ary hoy ny izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry; fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezerany ka iza no mahajanona?HM58 76.2

    Ireo izay te-hanafoana ireo zanak’Andriamanitra mahatoky hiala ny tany fotoana vitsivitsy lasa izany dia hanatri-maso Ilay voninahitr’Andriamanitra izay mipetraka teo amin’izy ireo. Nahita azy ireo nanamboninahitra izy ireo. Ary teo afovoany ilay zava-nitranga mampatahotra dia nahare hiran’ ny olo-masina tamin’ny gadona feno hafaliana izy ireo nanao hoe: “Indro Andriamanitra, izay nandrasantsika hamonjy antsika”.HM58 76.3

    Nihozongozona tamin-kery ny tany, miantso an’ireo olo-masina natory hivoaka ny fasana Ilay zanak’Andriamanitra. Namaly ny antso izy ireo ary nivoaka nitafy ny tsy fahafatesana sy ny be voninahitra ka dia nihiaka hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona. Ry fahafatesana ȏ, aiza ny fandresenao ? ry fahafatesana ȏ, aiza ny fanindronanao ? Rehefa afaka izany dia nanandratra ny feony ela sy hiakam-pandresena ireo olomasina mbola velona sy ireo natsangana. Ireo vatana marary izay nampidinina tao am-pasana nanjary nitsangana tamim-pandresena avy tao amim-kery sy fahasalamana tsy mety maty. Fa vetivety toy ny indray mipi-maso, ny olo-marina mbola velona hovana, ary dia hakarina izy ireo miaraka amin’ireo izay natsangana hiaraka hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka. O, Endrey izany fihaonana be voninahitra! Ireo mpisakaiza izay nosarahan’ny fahafatesana ela dia hafankatia ka tsy hisaraka intsony.HM58 76.4

    Teo andaniny avy tamin’ilay kalesy vita tamin’ny rahona na dia misy elatra ary teo amboniny misy kodiarana velona. Rehefa mandeha miakatra ilay kalesy rahona dia nihiaka ireo kodiarana hoe “Masina” ary raha nihetsika ireo elatra dia nihiaka hoe”Masina”! ary ny andian’anjely izay manodidina ny rahona nihiaka ihany koa hoe: “Masina! Masina! MasinaHM58 76.5

    ny Tompo Andriamanitra Tsitoha”. Ary ireo olo-masina tao anatin’ny rahona nihiaka hoe:HM58 76.6

    “Voninahitra ! Aleloia !. Dia miakatra tany amin’ilay tanana masina ilay kalesy. Alohan’ ny nidirana tao amin’ ilay tanana masina, dia nalamina ho efamira tanteraka ireo marina ka i Jesosy no teo afovoany. Ny lohany sy ny sorony dia mihoatra noho ny an’ireo masina, ary mihoatra ihany koa noho ny an’ny anjely ny lohany sy ny sorony. Izay rehetra tao anatin’ilay efimira dia samy nibanjina avokoa ilay bikany mendrik’andriana sy ny endriny mendrika hivavahana.HM58 76.7

    Jereo 2Mpanjaka 2 :11; Isaia 25: 9; 1 Korintianina 15: 51-55; 1 Tesaloniana 4: 13-17 Apokalyspy 1:13-16 ; 6:14-17; 19:16HM58 76.8

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents