Hoy Jesosy tamin’ ilay tandapa nanan-janaka nositraniny : «Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana hianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy»1Mifototra amin’ Matio 8 : 5-13 ; Lioka 7 : 1-17 ity toko ity.. Nampalahelo Azy fa ny fireneny dia nitaky ireo famantarana ivelany ireo ho porofon’ ny maha-Mesia Azy. Efa nahagaga Azy hatrany ny tsy finoany. Fa nahatalanjona Azy kosa ny finoan’ ilay kapiteny izay nanatona Azy. Tsy nisalasala ny amin’ ny fahefan’ ny Mpamonjy ilay kapiteny. Tsy nangataka Azy akory hiditra tao an-tranony hanao fahagagana izy : «Mitenena ihany, hoy izy, dia hositrana ny ankizilahiko». IFM 331.1
Voan’ ny paralysisa ny mpanompon’ ilay kapiteny ary efa teo am-bavahaonan’ ny fahafatesana. Teo amin’ ny Romana dia andevo ny mpanompo, novidina sy namidy teny an-tsena, ary nampizakana herisetra sy habibiana; fa raiki-pitia kosa tamin’ ny mpanompony ity kapiteny ity ary .naniry mafy ny hahasitranany. Nino izy fa afaka hanasitrana azy Jesosy. Tsy mbola nahita ny Mpamonjy izy, fa namelona finoana tao aminy ny tatitra reny. Na dia teo aza ny fivavahana ivelambelany fotsiny teo amin’ ny Jiosy, dia resy lahatra ity Romana ity fa ambony noho ny azy ny fivavahan’ izy ireo. Efa nogorobahany ny fefy natsangan’ ny fiheverana tsy marim-pototra notanan’ ny firenena sy ny fankahalana izay nampisaraka ny vahoaka mpandresy tamin’ ny vahoaka resy. Efa nampiseho fanajana ny fanompoana an’ Andriamanitra izy, sy halemem-panahy tamin’ ny Jiosy noho izy ireo nivavaka tamin’ i Jehovah. Hitany teo amin’ ny fampianaran’ i Kristy, araka izay notanterina taminy, izay mifanaraka indrindra amin’ ny ilain’ ny fanahy. Izay ara-panahy rehetra tao aminy dia namaly ny tenin’ ny Mpamonjy. Tsapany anefa fa tsy mendrika ny hiseho teo anatrehan’ i Jesosy izy, ka dia niantso ny loholon’ ny Jiosy izy hangataka ny fanasitranana ny mpanompony. Nahafantatra Ilay Mpampianatra lehibe izy ireo, hoy ny fiheviny, ka dia mahalala ny fomba mety hanatonana Azy mba ahazoana sitraka avy Aminy. IFM 331.2
Raha niditra tao Kapernaomy Jesosy, dia nifanena tamin’ ny solontenan’ ny loholona Izy, izay nilaza taminy ny fanirian’ ilay kapiteny. Noantitranteriny fa «miendrika ny hanaovana izany izy, satria tia ny firenentsika izy sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika». IFM 332.1
Niroso avy hatrany ho any amin’ ny tranon’ ilay manamboninahitra Jesosy ; nefa miadana ny fandehany noho ny vahoaka nifanizina taminy. Nialoha lalana Azy ny vaovao momba ny fiaviany, ka nandefa iraka ilay kapiteny noho ny tsy fahatokiany tena: «Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ ny tafon-tranoko aho». Notohizan’ ny Mpamonjy ihany anefa ny diany, ka nony farany dia nanao vy very nanatona ny Mpamonjy ilay kapiteny, ary nanampy teny hoe : «Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo Aminao ; fa mitenena ihany dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa izaho koa dia lehilahy manan-dehibe ihany, manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin’ ny anankiráy : Mandehana dia mandeha izy, ary amin’ ny anankiray koa : Avia, dia avy izy, ary amin’ ny mpanompoko : ataovy izao, dia manao izy». Tahaka ny tenako mampiseho ny fahefan’ i Roma, ary ny miaramilako manaiky ny fahefako ho ambony indrindra, dia toy izany koa : Ianao dia mampiseho ny fahefan’ Andriamanitra tsy misy fetra, ary ny zavaboary rehetra dia mankatò ny teninao. Azonao atao ny mibaiko ny aretina hiala, dia hankatò Anao izy. Azonao atao ny mandidy ireo iraka avy any an-danitra, dia hizara ny hery manasitrana izy. Mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompoko. IFM 332.2
«Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin’ ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe : Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ ny Isiraely aza». Ary hoy Izy tamin’ ilay kapiteny : «Tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’ izany ora izany ilay ankizilahy». IFM 332.3
Nasehon’ ireto loholona Jiosy izay nanolotra ilay kapiteny teo amin’ i Kristy, fa tena tsy nanana na kely akory aza ny fanahin’ ny filazantsara izy ireo. Tsy nekeny fa ny fahantrantsika be dia be no hany ahazoantsika mitaky ny famindrampon’ Andriamanitra. Noho izy fatra-mpanamarin-tena, dia nidera ilay kapiteny izy noho ny fitia efa nasehony tamin’ ny «firenentsika». Fa ilay kapiteny kosa nilaza ny tenany hoe: «Tsy mendrika aho». Voatohin’ ny fahasoavan’ i Kristy ny fony. Hitany ny tsy fahamendrehany ; na izany aza dia tsy natahorany ny hangataka fanampiana; ny fahalemeny lehibe no nentiny nitalaho. Namikitra an’ i Kristy teo amin’ toetra naha Izy Azy ny finoany: Tsy nino Azy ho mpanao fahagagana fotsiny izy, fa koa ho sakaiza sy Mpamonjy ny taranak’ olombelona. IFM 332.4
Amin’ izany fomba izany no ahazoan’ ny mpanota rehetra manatona an’ i Kristy. «Tsy avy tamin’ ny asa amin’ ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika»2Tit. 3 : 5. Rehefa milaza aminao Satana fa mpanota ianao ka tsy mahazo manantena ny handray fitahiana avy amin’ Andriamanitra, dia lazao azy fa tonga teto amin’ izao tontolo izao Kristy hamonjy ny mpanota. Tsy manana na inona na inona hoentina eo amin’ Andriamanitra isika haha-mendrika antsika eo aminy; fa ny fiangaviana izay azontsika aroso ankehitriny sy lalandava, dia ny toepahalemena tanteraka misy antsika izay mahatonga ny heriny manavotra ho tsy maintsy ilaina. Rehefa mahafoy ny fiankinantsika rehetra amin’ ny «izaho» isika, dia azontsika atao ny mijery an’ i Kalvary, ka hanao hoe : IFM 333.1
Tsy manan-katerina na inona na inona eto am-pelatanako aho ;
Fa mamikitra fotsiny amin’ ny hazo fijalianao. IFM 333.2
Efa nampianarina hatramin’ ny fahazazany ny momba ny asan’ ny Mesian’ ny Jiosy. Ny teny tsindrimandry nataon’ ny patriarka sy ny mpaminany, sy ny fampianarana tamin’ ny alalan’ ny tandindona teo amin’ ny fombam-pivavahana nisy fanatitra, dia efa fan tany. Nefa ninia tsy nijery ny mazava izy ; koa ankehitriny dia tsy misy na inona na inona maha-te-haniry hitany teo amin’ i Jesosy. Ilay kapiteny kosa, izay teraka teo amin’ ny fahajentilisana, nobeazina tamin’ ny fanompoam-tsampy teo amin’ ny fanjakan’ i Roma, nofanina ho miaramila, toa tafasaraka tamin’ ny fiainana ara-panahy araka ny fanabeazana noraisiny sy ny tontolo niainany, sady mainka koa voasakana noho ny fitiavam-bavaka diso lalan’ ny Jiosy, sy ny fanivaivan’ ny mpiray firenena taminy ny vahoaka Isiraely, — io lehilahy io dia nahatsinjo ny fahamarinana izay nahajamba ny zanak’ i Abrahama. Tsy niandry izy hahita na handray na tsia Ilay nilaza ny tenany fa Mesiany ny Jiosy. Rehefa namirapiratra teo aminy ny mazava «izay nahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao»3Jao. 1 : 9, dia hitany, na dia lavitra aza ny voninahitry ny Zanak’ Andriamanitra. IFM 333.3
Tamin’ i Jesosy dia santatry ny asa fitoriana ny filazantsara izay tsy maintsy hatao amin’ ny jentilisa izany. Nobanjininy tamimpifaliana ny fanangonana fanahy avy amin’ ny firenena rehetra ho amin’ ny fanjakany. Nalahelo mafy Izy raha naneho tamin’ ny Jiosy ny ho vokatry ny fandavany ny fahasoavany : «Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra ; fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin’ ny maizina any ivelany ; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify». Indrisy, firy no mbola miomana ho amin’ io fahadisoam-panantenana mampidi-doza io ! Raha misy fanahy mitakizina ao anatin’ ny haizina any amin’ ny jentilisa manaiky ny fahasoavany, dia firifiry kosa ireo ao amin’ ny tany kristiana izay ninia tsy hijery ny fahazavana mamirapiratra eo aminy. IFM 334.1
Mahery ny roapolo maily avy ao Kapemaomy, teo amin’ ny ankamarenana ahatazanana ny lemak’ i Esdraelona, malalaka sady kanto, no nisy ny tanànan’ i Naina, ary tany no nalehan’ i Jesosy nony avy teo. Betsaka ny mpianany sy olona hafa koa no niaradia taminy, ary teny an-dalana rehetra teny dia nanatona Azy ny vahoaka, liana hahare ny teniny mitory fitiavana sy fangorahana, ka nitondra ny marariny hositraniny, sady nanantena mandrakariva fa Ilay nanana fahefana nahagaga toy izany dia hampahafantatra ny tenany ho Mpanjakan’ Isiraely. Vahoaka marobe no nifanizina nanara-dia Azy, ary olona ravoravo, nanandrandra zavatra no nanaraka Azy niakatra ny lalana be vato ho any amin’ ny vavahadin’ ilay vohitra kely anaty tendrombohitra. IFM 334.2
Rehefa mby akaiky izy ireo, dia nisy mpandevina tazana nivoaka ny vavahady. Nandeha miadana sy feno alahelo izy ireo nizotra ho any amin’ ny toeram-pandevenana. Tao anaty tranovorona tsy nisarona terý aloha ny razana, ary nanodidina azy ny mpitomany, nameno ny rivotra tamin’ ny fidradradradrany sy ny antsoantsony. Toa ny mponina rehetra tao an-tanàna no tafavory haneho ny fanajany ny maty sy ny fiarahany miory tamin’ ny misaona. IFM 334.3
Nampangorakoraka ny nahita izany. Lahitokan-dreniny ity maty, ary mpitondratena ravehivavy. Nanatitra ny hany mpamelona sy mpampionona azy teto an-tany ho any amin’ ny fasana ilay vehivavy misaona sarak’ olona irery. «Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena». Raha nandroso ihany izy, ny masony jambenan’ ny ranomaso ka tsy nahita ny fanatrehany, dia nanatona azy akaiky Jesosy ka niteny moramora taminy hoe : «Aza mitomany» Madiva hanova ny alahelony ho fifaliana Jesosy, nefa tsy afaka ny tsy haneho ny fangorahany tamim-pitiavana Izy. IFM 334.4
«Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona» ; raha ny taminy, ny fikasihana ny maty dia tsy nampahaloto Azy. Nijanona ny mpilanja, ary nangina ny fitolokon’ ny mpitomany. Nitangorona nanodidina ny tranovorona ireo antokon’ olona roa, nanantena ihany izay tsy azo antenaina. Nanatrika teo Ilay nandroaka ny aretina sy naharesy ny demonia; hanaiky ny fahefany koa ve ny fahafatesana ? IFM 335.1
Mazava sy misy fahefana ny teny nolazainy: «Ry zatovo, hoy Izaho aminao, : Miarena ! Nipaka tany an-tsofin’ ny maty io feo io. Nampihiratra ny masony ilay tovolahy. Noraisin’ i Jesosy ny tanany dia natsangany izy. Niantefa tamin’ ilay nitomany teo anilany ny fijeriny ka, indreo nifamihina ela tamim-pifaliam-be ny reny sy ny zanany. Nangina ny vahoaka nijery, talanjona fatratra. «Raiki-tahotra ny olona rehetra». Sina sy feno fanajana izy aloha, tahaka ny teo anatrehan’ Andriamanitra mihitsy. Avy eo dia «nankalaza an’ Andriamanita izy hoe: Mpaminany lehibe no efa nitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony». Nitodi-doha niverina nankany Naina ny mpandevina, nilahatra toy ny mpandresy. «Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin’ ny tany manodidina rehetra ny lazan’ i Jesosy ny amin’ izany zavatra izany». IFM 335.2
Izay nijoro teo anilan’ ilay reny nitomany teo ambavahadin’ i Naina, dia manatrika izay rehetra mitoloko eo anilan’ ny tranovorona. Manohina sy mampangorakoraka Azy ny fahoriantsika. Ny fony izay tia sy onena, dia fo manana fitiavana tsy miova fenitra. Ny teniny izay niantso ny maty ho amin’ ny fiainana dia tsy latsa-danja ankehitriny ny heriny noho ny fony Izy niteny tamin’ ilay tovolahy tany Naina. Hoy Izy : «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etý an-tany»4Mat. 28 : 18. Tsy nampihena io heriny io ny taona maro nifandimby, ary ny asa tsy an-kiato ataon’ ny fahasoavany mitobaka dia tsy naharitra izany. Ho an’ izay rehetra mino Azy, dia mbola Mpamonjy velona Jesosy. IFM 335.3
Novan’ i Jesosy ho fifaliana ny fahorian’ ilay reny rehefa naveriny taminy ny zanany; nefa nantsoina hiverina amin’ ity fiainana eto an-tany ity ihany ilay zatovolahy, mba hiaritra ny fahoriany, ny asany mandreraka, ny lozany mitatao, ary mba handalo indray eo ambanin’ ny herin’ ny fahafatesana. Fa Jesosy kosa mampionona ny alahelontsika ireo maty amin’ ny hafatra mitondra fanantenana tsy misy fetra : «Izaho Ilay velona ; efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita». «Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ ny fahafatesana ilay manana ny herin’ ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ ny fanandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana»5Apok. 1 : 18 ; Heb. 2 : 14, 15. IFM 335.4
Tsy azon’ i Satana hazonina ao amin’ ny vahohony ny maty rehefa mibaiko azy ho velona ny Zanak’ Andriamanitra. Tsy azony atao ny mitana fanahy iray ao amin’ ny fahafatesana ara-panahy izay mandray amin’ ny finoana ny tenin’ i Kristy manan-kery. Miteny amin’ izay rehetra maty ao amin’ ny fahotana Andriamanitra manao hoe : «Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangana amin’ ny maty»6Efes. 5 : 14. Fiainana mandrakizay izany teny izany. Ny tenin’ Andriamanitra izay nibaiko ny olona voalohany ho velona, no mbola manome aina antsika ; tahaka ny tenin’ i Kristy hoe : «Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena», izay nanome aina ilay zatovo tany Naina, dia toy izany koa ny teny manao hoe: «Mitsangàna amin’ ny maty», dia aina ho an’ ny fanahy izay mandray izany. «Nahafaka antsika tamin’ ny fahefan’ ny maizina ka mamindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany»7Kol. 1 : 13, Andriamanitra. Atolotra antsika manontolo ao amin’ ny teniny izany. Raha mandray ny teny isika, dia antsika ny fanafahana. IFM 336.1
«Ary raha ny Fanahin’ Izay nanangana an’ i Jesosy tamin’ ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’ i Kristy Jesosy tamin’ ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo». «Fa ny tenan’ ny Tompo no nidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arkanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin’ i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika»8Rom. 8 : 11; 1 Tes. 4 : 16; 17. Io no teny fampiononana izay ibaikoany antsika hifampiononana. IFM 336.2