Lavitra ireo zanak’ i Josefa ny niray fo tamin’ i Jesosy momba ny asany. Nahafeno fahagagana sy fahasorenana azy ny tatitra tafapaka taminy momba ny fiainan’ i Jesosy sy ny asany. Reny fa nandany alina manontolo tamin’ ny fivavahana Izy, ary nanontolo andro dia nifanizina taminy ny vahoaka marobe, ka saiky tsy nisy fotoana nihinanany akory. Tsapan’ ny sakaizany fa namizan-tena tamin’ ny asa mafy tsy an-kijanona Izy ; tsy fantany ny hevitr’ izao fihetsiny tamin’ ny Fariseo izao, ary nisy aza natahotra sao nisy voa ny sainy.1 Mifototra amin’ ny Mat. 12 : 22-50 ; Mar. 3 : 20-35 IFM 337.1
Nahare izany ny rahalahiny, ary reny koa ny fiampangana nataon’ ny Fariseo Azy ho namoaka demonia amin’ ny alalan’ ny herin’ i Satana. Naharary azy ny fanomezan-tsiny nihatra taminy noho ny rohim-pihavanana nampiray azy tamin’ i Jesosy. Fantany fa niteraka korontana ny teniny sy ny asany, ary tsy nanahy fotsiny izy ny amin’ ny fanambarana sahisahy nataony, fa nahatezitra azy mafy koa ny fiampangany ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Nanapakevitra izy ireo fa tsy maintsy horesena lahatra izy na hoterana hampijanona izao fomba fiasa izao, ka notaominy Maria hiray hevitra taminy. Noheveriny mantsy fa noho ny fitiavany azy, dia mety hahataona Azy ho malina kokoa izy. IFM 337.2
Talohan’ izao indrindra no fanindroany nanaovan’ i Jesosy fahagagana tamin’ ny nanasitranana lehilahy nanana demonia, jamba sy marenina, ary naverin’ ny Fariseo indray ny fiampangana hoe : «Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia»2Mat. 9 : 34. Nambaran’ i Kristy mazava tsara tamin’ izy ireo fa ny fanaovana ny asan’ ny Fanahy Masina ho avy amin’ i Satana, dia fampisarahany ny tenany tamin’ ny loharanon’ ny fitahiana. Mety mahazo famelan-keloka izay niteny nanohitra an’ i Jesosy noho ny tsy fahafantarana ny mahaAndriamanitra Azy; satria amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina, dia mety ho voatarika izy ireny hahita ny fahadisoany ka hibebaka. Na toy na toy inona fahotana, raha mibebaka sy mino ny fanahy, dia voasasa ao amin’ ny ran’ i Kristy ny fahamelohana ; fa izay mitsipaka ny asan’ ny Fanahy Masina, dia mametraka ny tenany eo amin’ ny toerana izay tsy ahazoany mibebaka sy mino. Amin’ ny alalan’ ny Fanahy no iasan’ Andriamanitra amin’ ny fo; rehefa inian’ ny olona tsipahina ny Fanahy ka lazainy fa avy amin’ i Satana, dia manapaka ny fantsona izay ahazoan’ Andriamanitra mifandray aminy izy. Rehefa tsipahina ny Fanahy, amin’ ny farany dia tsy misy na inona na inona intsony azon’ Andriamanitra atao ho an’ ny olona. IFM 337.3
Ny Fariseo izay nilazan’ i Jesosy io fampitandremana io dia tsy nino akory ny fiampangany Azy. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ izy mpitarika ireo no tsy nahatsapa fa voasarika ho eo amin’ ny Mpamonjy. Efa reny ny feon’ ny Fanahy tao am-pony nanambara taminy fa Izy io no Ilay Voahosotra teo amin’ Isiraely, sy namporisika azy hiaiky ny tenany ho mpianany. Teo amin’ ny fahazavan’ ny fanatrehany, dia efa tsapany ny tsy fahamasinany, ary efa naniry mafy izy hahazo ny fahamarinana izay tsy azo nohariana. Nefa rehefa nitsipaka Azy izy dia ho fanetren-tena be loatra taminy ny handray Azy indray ho Mesia. Rehefa nametraka ny tongony teo amin’ ny lalan’ ny tsy finoana izy, dia voasakan’ ny avonavom-pony tsy hiaiky ny fahadisoany. Ary mba hialany amin’ ny fanekena ny fahamarinana, dia nanao izay fara-heriny izy, hanohitra ny fampianaran’ ny Mpamonjy. Nahavinitra azy ny porofo mibaribarin’ ny heriny sy ny famindrampony. Tsy azony nosakanana tsy hanao fahagagana ny Mpamonjy ary tsy azony nampanginina koa ny fampianarany; efa nataony kosa izay rehetra azony natao mba handiso ny fanehoana Azy sy hanova ny teniny. Mbola nanjohy azy mba handresy lahatra azy ihany ny Fanahin’ Andriamanitra, ka dia voatery izy hanangam-pefy maro ho enti-misakana ny heriny. Nitolona taminy Ilay fiasana mahery vaika indrindra afaka hiasa ao amin’ ny fon’ ny olombelona, fa tsy nety nilefitra izy. IFM 338.1
Tsy Andriamanitra tsy akory no manajamba ny maso na manamafy ny fo. Alefany ny fahazavana hanitsy ny hevi-dison’ ny olona sy hitarika azy ho amin’ ny lalana azo antoka ; ny fitsipahana io fahazavana io no mahajamba ny maso sy manamafy ny fo. Matetika no miandalana ny fizotran’ izany ary saiky tsy re akory. Tonga eo amin’ ny fanahy amin’ ny alalan’ ny tenin’ Andriamanitra ny fahazavana, na amin’ ny alalan’ ny mpanompony, na amin’ ny alalan’ fitarihan’ ny Fanahy mivantana; nefa rehefa misy tara-pahazavana iray tsy raharahaina, dia mihadombo ny faharanitan’ ny fanahy, ary ny fahazavana manaraka dia manjavozavo ny fahitana azy. Toy izany no itomboan’ ny haizina, mandra-pahatongan’ ny alina ao amin’ ny fanahy. Izany no nanjo ireo mpitarika Jiosy. Resy lahatra izy fa nisy herin’ Andriamanitra nanampy an’ i Kristy ; nefa mba ahazoany mandà ny fahamarinana, dia nataony ho asan’ i Satana ny asan’ ny Fanahy Masina. Tamin’ izany no nanaovany fanahy iniana hisafidy ny fitaka: nitolo-batana ho an’ i Satana izy, ary hatramin’ izay dia nofehezin’ ny heriny. IFM 338.2
Nifandray akaiky tamin’ ny fampitandremana nataon’ i Kristy momba ny fahotana amin’ ny Fanahy Masina ny fampitandremany momba ny teny foana sy ny teny ratsy. Mampiseho izay ao am-po ny teny. «Fa avy amin’ ny haben’ ny ao am-po no itenenan’ ny vava». Mihoatra noho ny fanehoana ny toetra anefa ny teny; fa manan-kery koa hiasa hamolavola toetra avy amin’ i Satana ireny. Miasa mangina amin’ ny olona ny teny ataony. Matetika no entanin’ ny fihetseham-po miserana ny olona ka mamoaka teny mitory fialonana na fanaratsiana, izay tsy tena inoany akory ; nefa dia miasa ao amin’ ny eritreriny ny teny nambarany. Voafitaky ny teniny izy ka manjary inoany fa marina izay nampirisihan’ i Satana holazainy. Rehefa nambarany indray mandeha ny heviny na ny fanapahankeviny, dia matetika ny hambom-pony tafahoatra dia misakana azy tsy hanatsoaka izany, ary dia miezaka izy hanaporofo fa manana ny marina, ka amin’ ny farany dia mino fa izany tokoa. Mampididoza ny mamoaka teny fisalasalana, mampidi-doza ny tsy matoky tanteraka sy maninitsiny ny fahazavan’ Andriamanitra. Miantraika amin’ ny toetra amam-panahy ny fahazarana manao antsirambina sy tsy misy fanajana; miteraka tsy fanajana sy tsy finoana izany. Betsaka no mampanaram-po io fahazarana io ka miroso hatrany tsy manampo ny loza mananontanona azy, mandra-pahatonga azy ho vonona hanakiana sy hitsipaka ny asan’ ny Fanahy Masina. Hoy Jesosy: «Hampamoahina ny olona amin’ ny andro fitsarana noho ny amin’ ny teny foana rehetra izay ataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao». IFM 339.1
Rehefa izany dia nanampy teny fampitandremana Izy ho an’ izay nandatsaka am-po ny teniny, izay nandre Azy tamin-kafaliana, nefa tsy nitolo-batana hitoeran’ ny Fanahy Masina. Tsy ny fanoherana ihany fa ny fanaovana an-tsirambina koa no namono ny fanahy. «Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto»,hoy Jesosy, «dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita: Dia hoy izy: Hody any amin’ ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy ; dia miditra ireo ka mitoetra ao». IFM 339.2
Nisy olona maro tamin’ ny andron’ i Kristy, tahaka ny ankehitriny koa izay toa nahatapaka ny fatoran’ i Satana nandritra ny fotoana voafetra ; tamin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra dia afaka tamin’ ny fanahy ratsy izay nanapaka ny fanahy izy ireny. Nifaly tamin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izy; nefa tahaka ny mpihaino asehon’ ny tany be vato ao amin’ ny fanoharana, dia tsy nitomoetra tao amin’ ny fitiavany izy. Tsy nanolotra ny tenany isan’ andro tamin’ Andriamanitra izy, mba ahazoan’ i Kristy mitoetra ao amin’ ny fo; koa rehefa niverina ny fanahy ratsy, dia «mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy», ary dia babon’ ny herin’ ny ratsy tanteraka izany olona izany. IFM 340.1
Rehefa mitolo-batana amin’ i Kristy ny fanahy, dia misy hery vaovao manjaka ao amin’ ny fo vaovao. Misy fanavaozana vita izay tsy hain’ ny olona tanterahina na oviana na oviana ho an’ ny tenany. Asa ambonin’ izay vitan’ olombelona izany, izay mitondra hery ambony noho ny an’ ny olombelona ao amin’ ny toetry ny olombelona. Ny fanahy izay milefitra amin’ i Kristy, dia manjary tanàna mimanda ho Azy, izay anjakany eo anivon’ izao tontolo izao mikomy aminy, ary ny kasainy dia tsy hisy fahefana hafa hekena ao afa-tsy ny Azy irery ihany. Ny fanahy izay voatahirin’ ny anjelin’ ny lanitra ho an’ Andriamanitra toy izany, dia mahatohitra ny fanafihan’ i Satana. Nefa raha tsy manolo-tena tokoa hofehezin’ i Kristy isika, dia hotapahin’ ilay ratsy. Tsy maintsy ho eo ambanin’ ny fifehezan’ ny anankiray amin’ ireo hery lehibe roa izay milofo mafy ho tompon’ ny fahefana fara-tampony eto amin’ izao tontolo izao isika. Tsy ilaintsika ny hinia hifidy ny hanompo ny fanjakan’ ny maizina mba hahatonga antsika ho ambanin’ ny fanapahany. Ampy ho antsika ny hanao an-tsirambina ny firaisantika hina amin’ ny fanjakan’ ny mazava dia tonga ho azy izany. Raha tsy miara-miasa amin’ ny anjelin’ ny lanitra isika, dia hanjaka ao am-po Satana, ka hanao izany ho fonenany. Ny hany fiarovana amin’ ny ratsy dia ny fitoeran’ i Kristy ao amin’ ny fo amin’ ny alalan’ ny finoana ny fahamarinany. Raha tsy manana firaisana velona amin’ Andriamanitra isika, dia tsy ho afaka na oviana na oviana hanohitra ny vokatra tsy masina ateraky ny fitiavan-tena, sy ny fampanaranam- po ny tena ary ny fakam-panahy hanota. Azontsika atao ny miala amin’ ny fahazaran-dratsy maro, eo amin’ ny fotoana mety isarahantsika amin’ i Satana; nefa raha tsy misy firaisana mitondra aina amin’ Andriamanitra, amin’ ny alalan’ ny fileferantsika Aminy eo amin’ ny fotoana rehetra, dia ho resy isika. Raha tsy misy fifankazaran’ ny tena manokana amin’ i Kristy, sy firaisana lalandava Aminy, dia afaka hanao amintsika araka izay tiany ilay fahavalo, ka amin’ ny farany dia hanatanteraka ny baikony isika. IFM 340.2
«Ary ny faran’ izany olona izany, dia ho ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa» hoy Jesosy, «ny ho amin’ ity taranaka ratsy fanahy ity». Tsy misy mafy fo tahaka izay nandà ny antson’ ny famindrampo, ka nanao tsinontsinona ny Fanahin’ ny fahasoavana. Ny fisehoan’ ny fahotana amin’ ny Fanahy Masina, fahita matetika indrindra, dia ny fiziriziriana handà ny antson’ ny lanitra ho amin’ ny fibebahana. Ny dingana rehetra atao handà an’ i Kristy dia dingana atao hitsipahana ny famonjena, sy mankeo amin’ ny fahotana amin’ ny Fanahy Masina. IFM 341.1
Tamin’ ny nandavany an’ i Kristy dia nanao ny fahotana tsy azo avela ny firenena jiosy ; ary amin’ ny fandavantsika ny antson’ ny famindrampo, dia mety hanao izany koa isika. Miteny ratsy ny Andrianan’ ny fiainana isika, ka manala baraka Azy eo anatrehan’ ny synagogan’ i Satana sy eo imason’ ny rehetra any an-danitra. rehefa mandà tsy hihaino ny mpitondra hafatra nirahiny fa mihaino kosa ny mpiasan’ i Satana, izay nitarika ny fanahy hiala amin’ i Kristy. Raha mikiry amin’ izany ny olona iray, dia tsy mety hahita fanantenana na famelan-keloka izy, ary amin’ ny farany dia tsy hanampaniriana intsony ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra. IFM 341.2
Raha mbola nampianatra ny vahoaka Jesosy, dia nilaza taminy ny mpianany fa tao ala-trano ny reniny sy ny rahalahiny, ka te-hahita Azy. Fantany ny tao am-pon’ izy ireo koa namaly Izy nanao tamin’ ilay nilaza taminy hoe : «Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko ? Ary naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe : Indreo ny reniko sy ny rahalahiko. Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko». IFM 341.3
Izay rehetra mety manaiky an’ i Kristy amin’ ny finoana, dia tafaray Aminy amin’ ny fatorana ety kokoa noho ny fihavanana amin’ ny maha-olombelona. Ho tonga iray Aminy izy, tahaka ny maha-iray Azy amin’ ny Ray. Tamin’ ny naha-mpino sy mpankato ny teniny an-dreniny no nampanakaiky ho famonjena azy tamin’ i Kristy mihoatra noho ny fihavanana ara-nofo nisy amin’ izy mianaka. Tsy ho nandray tombon tsoa tamin’ ny fifandraisany taminy ny rahalahiny raha tsy nanaiky Azy ho Mpamonjin’ ny tenany manokana. IFM 341.4
Fanohanana manao ahoana no nety ho azon’ i Kristy tamin’ ireo havany ara-nofo raha tahiny ka nino Azy ho avy any an-danitra izy ireo, ka niara-niasa taminy tamin’ ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra ! Nahatonga aloka teo amin’ ny fiainan’ i Jesosy tetý antany ny tsy finoan’ ireo. Anisan’ ny nampangidy ny kapoaky ny fahoriana izay nosotroiny ho antsika hatramin’ ny farany izany. IFM 342.1
Tsapan’ ny Zanak’ Andriamanitra ny fanindronan’ ny fandrafiana nitsiry tao am-pon’ ny olombelona, indrindra tao amin’ ny ankohonany; feno fahalemem-panahy sy fitiavana mantsy ny fony koa nankasitrahany ny fifanajana nombam-pitiavana teo amin’ ny fifandraisan’ ny mpianakavy. Nirin’ ny rahalahiny ny hanekeny ny heviny, nefa nety ho tsy nifandrindra velively tamin’ ny asa nanirahan’ Andriamanitra Azy ny fihetsika toy izany. Nataon’ izy ireo fa nila toro-hevitra avy taminy Izy. Notsarainy araka ny maha-olombelona azy Izy ka noheveriny fa raha mba nety niteny fotsiny zavatra izay ankasitrahan’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo Izy, dia ho nisoroka ny adi-hevitra mahasorena nateraky ny teniny: Nataony fa very saina Izy raha nihambo fa nandray ny fahefany avy tamin’ Andria-manitra, sy tamin’ ny nitsanganany teo anatrehan’ ny raby ho mpanameloka ny fahotan’ izy ireo. Fantany fa nitady toe-javatra hiampangana Azy ny Fariseo, ary tsapany fa efa ampy dia ampy izay efa nomen’ i Jesosy azy ireo hararaotiny. IFM 342.2
Fohy ny refy nampiasainy ka tsy nahatakarany ny halalin’ ny asa nanirahana Azy hotanterahina, ary noho izany dia tsy afaka niray fo taminy ireo rahalahiny teo amin’ ny fitsapana nihatra taminy. Ny teny matevina, tsy nisy fankasitrahana nataony dia nampiseho fa tsy nanana fahalalana marina ny amin’ ny tena naha-Izy Azy ireo, sady tsy nahatsikaritra ny maha-Andriamanitra niray tamin’ ny maha-olombelona tao aminy. Matetika no nahitany Azy oriory ; tsy nampionona Azy izy anefa, fa mainka nandratra ny fony tamin’ ny toe-tsaina nasehony sy ny teny nataony. Nampangirifirina ilay toetrany mora nandairan’ alahelo, tsy nofantarina araka ny tena izy ny toe-tsaina nanesika Azy, tsy takatra ny hevitry ny asany. IFM 342.3
Matetika no naroson’ ny rahalahiny ny hevi-tsain’ ny Fariseo izay efa konka sy fotsivolon’ ny fahanterana ary nihambo ho afaka hampianatra Azy, dia Izy Izay efa nahafantatra ny fahamarinana rehetra, sy nahatakatra ny zava-miafina rehetra. Nomelohiny ankitsirano izay tsy nety ho takany. Nandratra mafy ny fony ny fiampangan’ ireo, ka torovana sy ory ny fanahiny. Nilaza izy ireo fa nino an’ Andriamanitra ary nihevitra fa niady ho an’ Andriamanitra kanefa Andriamanitra no tonga teo aminy fa tsy fantany. IFM 342.4
Ireny zavatra ireny dia nahatonga ny lalana nodiaviny ho feno tsilo. Nampahory an’ i Kristy indrindra ny tsy fahazoana Azy tao amin’ ny ankohonany, hany ka nanamaivamaivana Azy ny nandeha tany amin’ izay tsy nisy izany. Nisy tokantrano iray izay tiany notsidihina, — dia ny tokantranon’ i Lazarosy sy Marta ary Maria ; satria nahitan’ ny fanahiny fitsaharana ny rivo-pinoana sy fitiavana niainana tao. Nefa tsy nisy olona na iray aza teto-an-tany afaka nahatakatra ny asa nanirahan’ Andriamanitra Azy, na nahalala ny vesatry ny entana nozakainy ho an’ ny taranak’ olombelona. Matetika Izy no tsy nahita fanamaivanana raha tsy efa nanirery, ka niray tamin’ ny Rainy any an-danitra. IFM 343.1
Izay nantsoina hijaly ho an’ i Kristy, izay tsy maintsy hiaritra tsy fahazoana sy tsy fitokisana, na dia ao amin’ ny ankohonany aza, dia mety mahita fiononana amin’ ny fieritreretana fa efa niaritra izany koa Jesosy. Mangoraka an’ ireo Izy. Mibaiko azy hiaradia Aminy, sy hahita fanamaivanana teo amin’ izay nahitany izany, dia eo amin’ ny firaisana amin’ ny Ray Izy. IFM 343.2
Tsy havela ho kamboty hilonjy samiréry ny fitsapan’ ny fiainana izay manaiky an’ i Kristy ho Mpamonjy ny tenany. Raisiny ho anisan’ ny fianakaviana any an-danitra izy ; asainy miantso ny Rainy ho Rainy ireo; ireny no «madinika» ho Azy, malalan’ ny fon’ Andriamanitra, mifamatotra aminy amin’ ny fatorana mamy sy maharitra indrindra. Fitiavana mitafotafo no itiavany azy, tafahoatra lavitra noho izay voatsapan’ ny ray na ny renintsika ho antsika tao amin’ ny fahalementsika, tahaka ny fihoaran’ ny maha-Andriamanitra amin’ ny maha-olombelona. IFM 343.3
Momba ny fifandraisan’ i Kristy amin’ ny vahoakany, dia misy sary kanto manazava izany ao amin’ ny lalàna nomena ny Isiraely. Rehefa voatery nisaraka tsy fidiny tamin’ ny tanindrazany ny Hebreo noho ny fahantrana, ka nivarotra ny tenany ho andevo, dia adidin’ izay havany akaiky azy indrindra ny manavotra azy sy ny lovany 3Jereo Lev. 25 : 25, 47-49 ; Rota 2 : 20. Dia toy izany koa: ny asa fanavotana ny tenantsika sy ny lovantsika, izay very noho ny fahotana, dia niandraiketan’ Ilay «havantsika akaiky». Hanavotra antsika no nahatonga Azy ho havantsika. Akaiky noho ny ray, ny reny, ny rahalahy, na fofombady Jehovah Mpamonjy antsika. «Aza matahotra ianao», hoy Izy, «fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao». «Satria malala eo imasoko ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao ary firenena ho solon’ ny ainao»4Isa. 43 : 1, 4. IFM 343.4
Tia ireo mponina any an-danitra manodidina ny seza fiandrianany Kristy; fa iza no mahalaza ny amin’ ilay fitiavana lehibe izay nitiavany antsika ? Tsy tratry ny saintsika izany, nefa azontsika hamarinina eo amin’ ny fanandramana ataontsika. Ary raha hazonintsika tokoa ny fifandraisana amin’ ny maha-havantsika Azy, dia ho amin’ ny fitiavana manao ahoana no hiheverantsika ireo izay rahalahy sy anabavin’ ny Tompontsika. Moa tsy tokony ho dodona isika hanaiky ny zo avy amin’ ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra ? Natsangana ho anisan’ ny fianakavian’ Andriamanitra isika, ka moa ve tsy tokony hanome voninahitra ny Raintsika sy ny mpianakavintsika ? IFM 344.1