Ary ny anarany hataon’ ny olona hoe lmanoela . . . «Amintsika Andriamanitra»1Mat. 1 : 23.. «Ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra dia indro hita eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy». Hatramin’ ny andro fahagola dia efa iray tamin’ ny Ray Jesosy Kristy Tompo; «Endrik’ Andriamanitra Izy» tamin’ izany, endriky ny fahalehibeazany sy ny fiandrianany, «famirapiratan’ ny voninahiny»22 Kor. 4 : 5 ; Heb. 1 : 3.. Hampiseho io voninahitra io no nahatongavany teto amin’ izao tontolo izao misy antsika. Tonga teto amin’ ity tany nohamaizinin’ ny fahotana ity Izy mba haneho ny fahazavan’ ny fitiavan’ Andriamanitra, mba ho «amintsika Andriamanitra». Noho izany dia voalazan’ ny faminaniana hoe : «Ary ny anarany hatao hoe Imanoela». IFM 9.1
Ny nahatongavany hitoetra teto amintsika dia ny haneho an’ Andriamanitra tamin’ ny olona sy ny anjely. Izy no Tenin’ Andriamanitra fisainan’ Andriamanitra ren’ ny sofina. Hoy Izy tao amin’ ny vavaka nataony ho an’ ny mpianany : «Efa nampahafantariko azy ny anaranao» — «mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana» — «mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy»3Eks. 34 : 6 ; Jao. 17 : 26.. Nefa tsy ho an’ ny zanany teraka teto an-tany ihany no natao io fanambarana io. Ity izao tontolo izao kely ity no boky fianaran’ izao rehetra izao. Ny fikasan’ Andriamanitra mahagaga ny amin’ ny fahasoavana, ny zava-miafin’ ny fitiavana manavotra no lohahevitra «tian’ ny anjely hodinihina» 42 pet. 1:12., ary hianarany mandritra ny fotoana tsy manampahataperana. Ny voavotra sy ireo voahary tsy tratry ny fahalavoana dia samy hahita «siansa» ho azy sy tonon-kira ho ventesiny eo amin’ ny hazo fijalian’ i Kristy. Ho hita fa ny voninahitra izay mamirapiratra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy dia voninahitry ny fitiavana manao sorona ny tenany. Ho hita eo amin’ ny fahazavana avy eo Kalvary fa ny lalan’ ny fitiavana mahafoy tena no lalan’ ny fiainana ho an’ ny tany sy ny lanitra ; fa ao am-pon’ Andriamanitra ny loharanon’ ny fitiavana «tsy mitady ny azy» 51 Kor. 13 :5.; ary ao amin’ ny Ray malemy fanahy sy tsy miavona am-po no miseho ny toetra amam-panahin’ Ilay mitoetra eo amin’ ny mazava tsy azo hatonina. IFM 9.2
Tamin’ ny voalohany dia naseho teo amin’ ny asa rehetra vita teo amin’ ny famoronana Andriamanitra. Kristy no namelatra ny lanitra, sy nametraka ny fanorenan’ ny tany. Ny tanany no nampihantona an’ izao tontolo izao teo amin’ ny habakabaka sy namolavola ny voninkazo eny an-tsaha. «Mampiorina ny tendrombohitra amin’ ny heriny Izy». «Azy ny ranomasina, 1a Izy no nanao azy» 6Sal. 65.7; 95: 5.. Izy no nahahenika hatsaran-tarehy ny tany, sy nahafeno hirahira ny rivotra. Ary nosoratany teo amin’ ny zavatra rehetra teto an-tany, eny amin’ ny rivotra sy eny amin’ ny lanitra ny hafatra manambara ny fitiavan’ ny Ray. IFM 10.1
Eny, na dia efa simban’ ny fahotana aza ny asa tanteraka nataon’ Andriamanitra. dia mbola maharitra ihany ny sora-tanany. Ankehitriny aza dia mbola manambara ny voninahitry ny fahatsarany ny zavatra nohariny rehetra. Tsy misy afa-tsy ny fon’ olombelona tia tena ihany no mivelona ho an’ ny tenany. Tsy misy voromanidina manavatsava ny habakabaky ny lanitra, tsy misy biby mihetsiketsika amin’ ny tany izay tsy miasa ho an’ ny fiainan’ ny hafa. Ny hazo lehibe sy madinika rehetra ary ny ravinkazo rehetra dia samy mampitosaka ilay kasinga fototry ny aina izay tsy misy olona na biby mety ho velona raha tsy misy izany ; ny olona sy ny biby kosa, ho setrin’ izany, dia miasa hahavelona ny hazo lehibe sy madinika ary ny ravinkazo. Mandefa fofo-manitra ny voninkazo sady mampivelatra ny hatsaran-tarehiny ho fitahiana an’ izao tontolo izao. Manaparasaka ny fahazavany ny masoandro mba hamalifaliana an’ izao tontolo izao an’ arivony. Ny ranomasina. izay loharano iavian’ ireo sakasaka sy reniranontsika rehetra. dia mandray ny ony avy amin’ ny tany rehetra, nefa mandray izy mba hanomezany Ny zavona miakatra avy eo anivony dia milatsaka ho ranonorana ka manondraka ny tany mba hampaniry sy hampitsimoka azy. IFM 10.2
Mahita fifaliana ny anjelin’ ny voninahitra rehefa manome manome fitiavana ary tsy mety sasatra miambina sy mikarakara ireo fanahy lavo sy tsy manana fahamasinana. Mampahery ny fon’ olombelona ny anjelin’ ny lanitra ; entiny eto amin’ ity izao tontolo izao maizina ity ny fahazavana avy amin’ ny lapa any ambony ; miasa sy manompo amim-pahalemem-panahy sy amimpaharetana izy ireo. ka manetsika ny fanahin’ ny olombelona, mba hahatonga ny very hifandray amin’ i Kristy amin’ ny fomba ety kokoa noho izay mety ho fantatr’ izy ireo. IFM 11.1
Nefa hiala amin’ ireo fanehoana latsadatsaka kokoa rehetra ireo isika. ka hibanjina an’ Andriamanitra ao amin’ i Jesosy. Rehefa mijery an’ i Jesosy isika dia mahita fa voninahitry ny Raintsika ny manome. «Tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho». hoy Kristy ; «Tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray» ; «Fa lzaho tsy mitady ny voninahitro», fa ny voninahitr’ Ilay naniraka Ahy» 7Jao.8:28; 6:57;8:50.. Asehon’ ireo teny ireo ny foto-kevitra lehibe izay lalán’ ny fiainana ho an’ izao rehetra izao. Noraisin’ i Kristy avy amin’ Andriamanitra ny zavatra rehetra, ary noraisiny izany mba homeny. Toy izany koa ao amin’ ny lapan’ ny lanitra. eo amin’ ny asa fanompoana ataony ho an’ ny voahary rehetra ; amin’ ny alalan’ ny Zanany malala no ampikorianan’ ny Ray ny aina ho an’ ny rehetra; amin’ ny alalan’ ny Zanany dia misamonta kosa ny fitiavan’ Ilay loharano lehiben’ ny zavatra rehetra. dia eo amin’ ny fiderana sy ny fifaliana feno fanompoana. Feno ao amin’ i Kristy izany ny fifamoivoizan’ ny fanaovan-tsoa izay mampiseho ny toetra amam-panahin’ Ilay Mpanome Lehibe dia ny lalàn’ ny fiainana. IFM 11.2
Tany an-danitra mihitsy no voadika io lalàna io. Fitadiavana ny ho an’ ny tena samirery no niandohan’ ny fahotana. Naniry ny ho voalohany tany an-danitra i Losifera. Notadiaviny ny ho afaka mifehy ny mponin’ ny lanitra, ny hisarika azy ireo hanalavitra ny Mpamonjy azy ka handray ny fiderana ho an’ ny tenany. Noho izany dia diso ny fanehoany an’ Andriamanitra, ka nampangainy ho mpanandra-tena Izy. Ny toetra ratsy nampiavaka ny tenany no notadiaviny hatafy Ilay Mpahary be fitiavana. Toy izany no namitahany ny anjely. Toy izany no namitahany ny olombelona. Notarihiny hisalasala ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra sy tsy hatoky ny hatsaram-panahiny izy ireo. Satria Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahamarinana, ary mahatahotra ny fahalehibeazany, dia nataon’ i Satana ho toy ny henjana sy tsy mamela heloka ny fijery Azy. Toy izany no nitarihany ny olombelona hanaraka azy hikomy amin’ Andriamanitra, ary izany no nahatonga ny alin’ ny loza nilatsaka tamin’ izao tontolo izao. IFM 11.3
Maizina ny tany noho ny fahalaiana diso an’ Andriamanitra. Mba hampisava ireo aloka manjombona, mba ahazoana mamerina ny olona ho eo amin’ Andriamanitra, dia tsy maintsy ho montsanina ny hery mamitak’ i Satana. Tsy mety ho vita amin’ ny alalan’ ny hery izany. Mifanohitra amin’ ny foto-kevitry ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra ny fampiasan-kery ; fanompoam-pitiavana ihany no iriny ; ary tsy azo baikoina ny fitiavana; tsy mety ho azo amin’ ny alalan’ ny hery na ny fahefana izany. Ny fitiavana ihany no mamoha ny fitiavana. Ny fahalaiana an’ Andriamanitra dia fitiavana Azy ; tsy maintsy haseho ny toetra amam-panahiny hifanohitra amin’ ny toetra amam-panahin’ i Satana. Tokana eo amin’ izao rehetra izao ihany no afaka hanao io asa io. Ilay mahalala ny haavo sy ny halalin’ ny fitiavan’ Andriamanitra ihany no afaka hampahafantatra izany. Tsy maintsy miposaka ao amin’ ny haizina mikitrok’ izao tontolo izao ny Masoandron’ ny Fahamarinana manana fanasitranana eo amin’ ny tànany» 8Mal.4 :2. IFM 12.1
Ny drafitry ny fanavotana antsika dia tsy noheverina taty aoriana, na nalamina taorian’ ny nahalavoan’ i Adama. Fanambarana ny «zava-miafina, izay hatry ny fony fahagola» 9Rom.16 :25., izany. Famelabelarana ireo foto-kevitra izay niorenan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra hatry ny fahagola izany. Hatramin’ ny voalohany dia fantatr’ Andriamanitra sy Kristy ny fivadihan’ i Satana, sy ny fahalavoan’ ny olona noho ny hery mamitak’ ilay mpihemotra. Tsy nibaiko ny hisian’ ny fahotana tsy akory Andriamanitra, fa tazany mialoha ny fisiany, ka nomaniny izay ilaina hoenti-misetra io zava-doza mahatsiravina io. Lehibe indrindra ny fitiavany an’ izao tontolo izao, ka nanao fanekena Izy hanome ny Zanani-lahy tokana «mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay» 10Jao.3:16. IFM 12.2
Izao no nolazain’ i Losifera : «Ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako, . . . ka ho tahaka ny Avo Indrindra» 11Isa.14:13,14. aho. Fa Kristy kosa «na dia nanana ny endrik', Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’ Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manampitoviana amin’ ny olona» 12Fil.2:6,7.. IFM 12.3
Fanatitra nataony tamin’ ny nahim-pony izany. Azon’ i Jesosy natao ny nijanona teo anilan’ ny Ray. Azony natao ny nitahiry ny voninahitry ny lanitra, sy ny fankalazan’ ny anjely. Nefa nifidy ny namerina ny tehim-panjakana teo am-pelatanan’ ny Ray Izy, ka hidina eo amin’ ny seza fiandrianan’ izao rehetra izao, mba ahazoany mitondra fahazavana ho an’ izay rakotry ny haizina sy fiainana ho an’ izay mila ho faty. IFM 13.1
Efa sahabo ho roa arivo taona izao, dia nisy feo nirakitra zavamiafina ny maha-zava-dehibe azy, re tany an-danitra avy teo amin’ ny seza fiandrianan» Andriamanitra nanao hoe : «Inty Aho tonga». «Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy . . . Inty Aho tonga (ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana Ahy) hanao ny sitraponao, Andriamanitra ó» 13Heb.10:5-7.. Ireo teny ireo dia manambara ny fahatanterahan’ ny fikasana izay nafenina hatramin’ ny fahagola. Efa hitsidika ny tanintsika Kristy ka ho tonga nofo. Hoy Izy : «Tena no namboarinao ho Ahy». Raha niseho tamin’ ny voninahitra izay niarahany nanana tamin’ ny Ray talohan’ ny nisian’ izao tontolo izao Izy, dia tsy ho zakantsika ny fanatrehany. Nafenina tsy hneho ny voninahiny mba ahazoantsika mibanjina izany nefa tsy ho ringana. Nosaronana tamin’ ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitr; Azy, tao amin’ ny endriky ny maha-olombelona hita maso, ry voninahiny tsy hita maso. IFM 13.2
Efa naseho mialoha tamin’ ny alalan’ ny aloka sy ny tandindona io fikasana lehibe io. Ilay roimemy nirehitra, izay nisehoan’ i Kristy tamin’ i Mosesy, dia nanambara an’ Andriamanitra. Ny tandindona nofidina hanehoana an’ Andriamanitra dia hazo madinika tsotsotra, izay toa tsy mahasarika akory. Nirakitra Ilay tsy voafetra io. Nanarona ny voninahiny tao amin’ ny tandindona ambany indrindra Ilay Andriamanitra be famindrampo, mba ahazoan’ i Mosesy mibanjina izany nefa ho velona. Toy izany koa, tao amin’ ilay andri-rahona nony andro sy ny andri-afo nony alina, no nitenenan’ Andriamanitra tamin’ ny Isiraely, ka nanehoany ny sitrapony tamin’ ny olombelona. ary nizarany ny fahasoavany taminy. Nampileferina ny voninahitr’ Andriamanitra ary nosaronana ny fiandrianany, mba ahazoan’ ny maso kely herin’ ny olombelona voafetra mibanjina izany. Toy izany koa no nahatongavan’ i Kristy tamin’ ny «tenan’ ny fietren-tenantsika» 14Fil.3:21., «nanam-pitoviana tamin’ ny olona». Teo imason’ izao tontolo izao dia tsy nanana hatsaran-tarehy izay naniriany Azy Izy. fa Andriamanitra tonga nofo, fahazavan’ ny lanitra sy ny tany. Nosaronana ny voninahiny. nafenina ny fahalehibeazany sy ny fiandrianany mba hahazoany manatona akaiky ny olona malahelo sy alaim-panahy. IFM 13.3
Nampitondra baiko an’ i Mosesy ho an’ ny Isiraely Andriamanitra nanao hoe : Asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy. dia honina eo aminy Aho» 15Eks.25:28.. koa dia nitoetra tao amin’ ny fitoerana masina, teo anivon’ ny vahoakany Izy. Nandritra ny fivezivezeny nandreraka tany an-efitra tany. dia teo aminy ny tandindon’ ny fanatrehany. Toy izany no nananganan’ i Kristy ny tabernakeliny teo anivon’ ny toeram-pilasiantsika olombelona. Natsangany teo akaikin’ ny trano lain’ ny olombelona ny trano lainy, mba honenany eo amintsika amin’ ny toetra amam-panahy sy ny fiainan’ Andriamanitra. «Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; (ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray), sady feno fahasoavana sy fahamarinana» 16Jao.1:14. IFM 14.1
Satria tonga nonina niaraka tamintsika Jesosy. dia fantatsika fa mahalala ny fitsapana mahazo antsika Andriamanitra. ary miray fo amin’ ny fahoriantsika. Ny zanaka lahy sy ny zanaka vavin’ i Adama rehetra dia afaka mahafantatra fa sakaizan’ ny mpanota Ilay Mpahary antsika. Ny fampianarana rehetra momba ny fahasoavana mantsy, ny fampanantenana fifaliana rehetra. ny asampitiavana rehetra. ny toetran’ Andriamanitra mahasintona rehetra naseho teo amin’ ny fiainan’ ny Mpamonjy teto an-tany. dia samy ahitantsika fa «amintsika Andriamanitra». IFM 14.2
Asehon’ i Satana ho lalàm-pitiavan-tena ny lalàm-pitiavan’ Andriamanitra. Lazainy fa tsy mety ho vitantsika ny mankatò ny fitsipik’ izany lalàna izany. Ny fahalavoan’ ireo razambentsika voalohany, sy ny fahoriana rehetra vokatr’ izany, dia hiampangany ny Mpahary, ka tarihiny ny olona hijery an’ Andriamanitra ho Ilay niavian’ ny fahotana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Hanala sarona io fitaka io Jesosy. Amin’ ny maha-anisantsika Azy dia hanome ohatry ny fankatoavana Izy. Noho izany dia noraisiny ny nofontsika ka nandalo tamin’ ny fanandramantsika rehetra izy, «koa amin’ izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ ny zavatra rehetra Izy» 17Heb. 2 : 17.. Raha misy, na inona na inona tokony hozakaintsika izay tsy niaretan’ i Jesosy. dia izany zavatra izany no anehoan’ i Satana fa tsy ampy ho antsika ny herin’ Andriamanitra. Noho izany dia «nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra» 18Heb. 4:15.Jesosy. Niaritra ny fitsapana rehetra mety mihatra amintsika Izy. Ary tsy nisy hery nampiasainy ho an’ ny tenany izay tsy atolony malalaka ho antsika. Tamin’ ny maha-olombelona Azy no nisetrany fakam-panahy sy nandreseny tamin’ ny hery izay nomena Azy avy tamin’ Andriamanitra. Hoy Izy : «Ny hanao ny sitraponao Andriamanitra Ô no sitrako: ary ny lalànao no ato anatiko» 19Sal. 40 : 8.. Raha nandehandeha nanao soa Izy. ka nanasitrana ireo nampahorian’ i Satana. dia nasehony mazava tamin’ ny olona ny toetry ny lalàn’ Andriamanitra sy ny asa fanompoana ataony. Vavolombelona ny fiainany fa azontsika atao koa ny mankatò ny lalàn’ Andriamanitra. IFM 14.3
Tamin’ ny alalan’ ny maha-olombelona Azy dia nandray ny taranak’ olombelona Kristy : amin’ ny alalan’ ny maha-Andriamanitra Azy. dia mamikitra ny seza fiandrianan’ Andriamanitra Izy. Amin’ ny maha-Zanak’ olona Azy. dia nanome oha-pankatoavana antsika Izy, amin’ ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy. dia manome antsika hery hoenti-mankatò Azy Izy. Kristy no niteny tamin’ i Mosesy avy tao amin’ ilay roimemy teo amin’ ny tendrombohitra Horeba ka nanao hoe : «IZAHO IZAY IZY . . . Izao no lazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely : IZAHO IZAY IZY no efa naniraka ahy ho atý aminareo»20Eks. 3 : 14.. Io no antoky ny fanafahana ny Isiraely. Toy izany koa rehefa tonga teo amin’ ny «fitoviana tamin’ ny olona Izy», dia nambarany ny tenany fa ilay IZY. Ilay Zaza tany Betlehema, Ilay Mpamonjy malemy fanahy sady tsy miavona am-po no Andriamanitra «naseho teo amin’ ny nofo»211 Tim. 3 : 16.. Ary hoy Izy amintsika : «IZAHO no Mpiandry tsara». «IZAHO no mofon» aina». «IZAHO no Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana».«Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etý an-tany» 22Jao. 10 : 11 : 6 : 51 ; 1 4 : 6 : Mat. 28 : 18.. IZAHO no antoky ny teny fikasana rehetra. IZAHO. aza matahotra. (Amintsika Andriamanitra». izany no tokintsika ho afaka amin’ ny fahotana, antoky ny herintsika hoenti-mankatò ny lalàn’ ny lanitra. IFM 15.1
Tamin’ ny nanetreny tena ka nandraisany teo Aminy ny mahaolombelona, dia naneho toetra amam-panahy mifanohitra amin’ ny an’ i Satana Kristy. Nefa dia mbola nidina ambany kokoa teo amin’ ny lalan’ ny fanetren-tena Izy. «Rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ ny fahafatesana dia ny fahafatesana tamin’ ny hazo fijaliana»23Fil. 2 : 8.. Tahaka ny mpisoronabe nanaisotra ny fitafiany marevaka amin’ ny maha mpisorona azy, ka anaovany fanompoam-pivavahana mitafy ny rongony fotsy fanaon’ ny mpisorona tsotra. toy izany koa Kristy izay naka ny endriky ny mpanompo ka nanolotra fanatitra, ary tamin’ izany dia Izy no mpisorona, ary Izy koa no sorona. «Nefa Izy dia voalefona noho ny fahotantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy» 24Isa. 53 : 5.. IFM 16.1
Izay mendrika antsika no natao tamin’ i Kristy, mba ho azo atao amintsika kosa izay mendrika Azy. Nomelohina noho ny fahotantsika izay tsy nananany anjara akory Izy, mba hahazoantsika hamarinina amin’ ny alalan’ ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory. Niaritra ny fahafatesana izay anjarantsika Izy, mba ahazoantsika mandray ny fiainana izay Azy. «Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika»25Isa. 53 : 5.. IFM 16.2
Mihoatra noho ny fanarenana izay rava noho ny asa vokatry ny fahotana no tanterak» i Kristy tamin’ ny alalan’ ny fiainany sy ny fahafatesany. Fikasan’ i Satana ny hahatonga fisarahana mandrakizay eo amin’ Andriamanitra sy ny olombelona; nefa tafaray amin’ ny fomba ety kokoa amin’ Andriamanitra isika ao amin’ i Kristy mihoatra noho izay nisy antsika raha tsy lavo mihitsy aza. Ny nandraisany ny nofontsika no namatoran’ ny Mpamonjy ny tenany tamin’ ny taranak’ olombelona tamin’ ny fatorana izay tsy ho tapaka na oviana na oviana. Tafakambana amintsika mandritra ny mandrakizay Izy. «Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy Tokana»26Jao. 3 : 16.Tsy nomena mba hitondra ny fahotantsika fotsiny sy ho faty ho sorona ho antsika Izy, fa nomen’ Andriamanitra mandrakizay ho an’ ny taranaka lavo. Mba ho azo antoka ho antsika ny fisainam-pihavanany tsy miovaova, dia nomen’ Andriamanitra ny Zanani-lahy Tokana ho tonga anisan’ ny fianakavian’ ny olombelona, ary hotazoniny mandrakizay io maha-olombelona Azy io. Io no fanekena fa ho tanterahin’ Andriamanitra ny teniny. «Fa zaza no teraka ho antsika ; zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony». Neken’ Andriamanitra tao amin’ ny Zanany ny maha-olombelona, ary izany ihany no nentiny any amin’ ny lanitra avo indrindra. Ny «Zanak’ olona» no manana anjara eo amin’ ny seza fiandrianan’ izao tontolo izao. Ny «Zanak’ olona» no hantsoina hoe : «Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ ny mandrakizay, Andrian’ ny fiadanana»27Isa. 9:6.. Ilay IZAHO no Mpitsara mpanelanelana an’ Andria-manitra sy ny taranak’ olombelona, izay nametraka ny tanany amin’ ny andaniny avy. Ilay «masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ ny mpanota», dia tsy menatra ny hiantso antsika hoe rahalahy.28Heb. 7 : 26 ; 2 : 11. Tafakambana ao amin’ i Kristy ny fianakaviana etý an-tany sy ny fianakaviana any an-danitra. Rahalahintsika Kristy nomem-boninahitra. Vita sokitra ao amin’ ny maha-olombelona ny lanitra ary fihinin’ ny Fitiavana mandrakizay eo an-tratrany ny maha-olombelona. IFM 16.3
Izao no lazain’ Andriamanitra momba ny vahoakany : «Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra mamirapiratra eny amin’ ny taniny ireny. Fa akory ny hasoany ! ary akory ny hatsaran-tarehiny !»29Zak. 9 : 16, 17. Ho vavolombelona mandrakizay ny amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra ny fanandratana ny voavotra. «Amin’ ny andro ho avy», dia «asehony ny haben’ ny haren’ ny fahasoavany amin’ ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’ i Kristy Jesosy». «Mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’ izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren’ Andriamanitra ... araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika»30Efse. 2 : 7 : 3 : 10, 11. IFM 17.1
Mijoro ho marina ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny asa fanavotana ataon’ i Kristy. Ampahafantarina ho Andriamanitra fitiavana ny fiampangana nataon’ i Satana ary ho afa-tsarona ny toetra amam-panahiny. Tsy afaka hiverina na oviana na oviana intsony ny fikomiana. Tsy afaka hiverina hiditra indray eo amin’ izao rehetra izao intsony ny fahotana. Voaaro amin’ ny fihemorana ny rehetra mandritra ny mandrakizay. Noho ny fahafoizan-tenan’ ny fitiavana, dia voafatotra amin’ ny fatorana tsy azo vahana amin’ ny Mpamorona azy ireo mponina eto an-tany. IFM 17.2
Ho tanteraka ny asan’ ny fanavotana. Teo amin’ izay nihabeazan’ ny ota no nihoaran’ ny fahasoavana be lavitra. Ny tany mihitsy, dia ilay toerana ihamboan’ i Satana fa Azy dia tsy hoe avotana fotsiny. la asandratra koa. Ity izao tontolo izao kclintsika ity izay eo ambanin’ ny ozon’ ny tahotana. ka hany pentina mainty eo amin’ ny voahary be voninahitra nataon’ Andriamanitra, dia homemboninaliitra ambonin’ izao tontolo izao rehetra. Fto amin’ ity tany ity. izay nitoeran’ ny Zanak’ Andriamanitra an-day tao amin’ ny nofon’ olombelona. izay niveloman’ Ilay Mpanjakan’ ny voninahitra. izay nijaliany sy nahafatesany, rahatrizay hohavaoziny ny zavatra rehetra ka ho eo amin’ ny olona ny tabemakelin’ Andriamanitra. eto amin’ ity tany ity no «hitoetra eo aminy Izy. ary ireo ', ho olony. ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny !»31Apok.21:3. Koa mandritra ny andro maro tsy manam-pahataperana. raha mandeha eo amin’ ny lahazavan’ ny Tompo ny voavotra, dia hidera Azy izy ireo noho Ilay Fanomezany tsy hay ambara. — dia IMANOFLA,«Amintsika A ndriumanitra». IFM 17.3