Nandritra ny roa arivo taona mahery no efa niandrasan’ ny Jiosy ny fiavian’ ny Mpamonjy. Io toe-javatra io no efa nametrahany ny fanantenany be voninahitra indrindra. Nirakitra ny anarany avokoa ny hira nataony sy ny faminaniana, ny fombam-pivavahaná tao amin’ ny tempoly sy ny fivavahana tao an-tokantrano. IFM 19.1
Na dia izany aza anefa, rehefa tonga Izy, dia tsy fantany. «Tahaka ny solofon-kazo amin’ ny tany karankaina» ho azy ireo Ilay Malalan’ ny lanitra; «Tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy lzy» ,ary tsy nahita hatsaran-tarehy izay naniriana Azy, teo Aminy Izy. «Tonga tany amin’ ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy»1 Isa. 53 : 2 ; Jao. 1 : 11 IFM 19.2
Raha niantso an’ i Abrahama Jehovah, dia hoy Izy hoe : «Hitahy anao Aho . . . ary ho fitahiana tokoa ianao,. . . ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany»2Gen. 12:2,3 Naverina tamin’ ny alalan’ ireo mpaminany koa io fampianarana io. Na dia fony ringan’ ny ady sy ny fahababoana aza Isiraely dia mbola ho azy ihany ny teny fikasana: «Ary izay sisa amin’ ny Jakoba ao amin’ ny firenena maro, dia ho tahaka ny ranonorana eny amin’ ny ahitra, izay tsy manantena mpaniraka na miandry zanak’ olombelona»3Mika 5:6 Izao no nambaran’ i Jehovah tamin’ ny alalan’ Isaia mikasika ny tempoly tany Jerosalema : «ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra» 4Isa. 56 : 7 IFM 19.3
Nampifantoka ny fanantenany tamin’ ny fahalehibeazana araka izao tontolo izao anefa ny Isiraelita. Hatramin’ ny fotoana nidirany tao amin’ ny tany Kanana, dia niala tamin’ ny didin’ Andriamanitra izy ka nanaraka ny lalana falehan’ ny jentilisa. Tsy nisy vokany ny nandefasan’ Andriamanitra fampitandremana ho azy tamin’ ny alalan’ ny mpaminany. Tsy nisy antony ny niaretany fijaliana tamin’ ny fanangejan’ ny jentilisa azy. Ny fanavaozana rehetra izay natao dia narahin’ ny fihemorana lalindalina kokoa hatrany. IFM 20.1
Raha nahatoky tamin’ Andriamanitra Isiraely, dia «nety ho nahatanteraka ny fikasany izy, tao amin’ ny voninahitra sy ny fisandratana. Raha nanaraka ny lalàn’ ny fankatoavana izy ireo, dia ho nasandrany «ho ambonin’ ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary voninahitra». «Dia ho hitan’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, hoy Mosesy, fa ny anaran’ i Jehovah no antsoina aminao. dia hatahotra anao izy». «Ny firenena izay handre» izany lalàna rehetra izany, hanao hoe : olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io» 5Doet.26: 19; 28: 10; 4:6. Nefa tsy nahatoky izy ireo dia tsy nety ho tanteraka ny fikasan’ Andriamanitra raha tsy tamin’ ny alalan’ ny fahoriana sy ny fietrena mitohy. IFM 20.2
Nentina ho babo tany Babylona izy ireo ka naparitaka eran’ ny tanin’ ny jentilisa. Rehefa tao amin’ ny fahoriana dia betsaka no nanavao ny fijoroana amin’ ny fanekena natao tamin’ Andriamanitra. Raha nanantona ny lokangany teo amin’ ny hazo malahelo izy. ka nitomany ny amin’ ny tempoly masina rava, dia namirapiratra teo amin’ izy ireo ny fahazavan’ ny fahamarinana. ary niparitaka tany amin’ ny firenena samihafa rehetra ny fahalaiana an’ Andriamanitra. Ny fisoronana fanao teo amin’ ny fanompoam-pivavahana jentilisa dia ala-tahaka diso ny rafitra efa notendren’ Andriamanitra; ary maro tamin’ ireo mpanaraka ny fombam-pivavahana jentilisa tamin’ ny fony tokoa no nianatra ny dikan’ ny fanompoam-pivavahana nobaikoin’ Andriamanitra tamin’ ny Hebreo ary namikitra tamim-pinoana ny teny fikasana momba ny Mpanavotra. IFM 20.3
Maro tamin’ ireo natao sesi-tany no niaritra fanenjehana. Tsy vitsy no namoy ny ainy noho ny fandavany tsy hanao tsinontsinona ny Sabata ka hitandrina ireo fetim-pivavahana jentilisa. Rehefa nitsangana hanapotika ny fahamarinana ny mpanompo sampy dia nampifanatrehan’ i Jehovah tamin’ ny mpanjaka sy ny mpifehy ny mpanompony, mba hahazoan’ izy ireo sy ny vahoakany mandray ny fahazavana. Imbetsaka no voatarika hitory ny amin’ ny ftahefana fara-tampon’ Ilay Andriamanitra nivavahan’ ireo Hebreo nobaboiny ireo mpanjaka lehibe indrindra ireo. IFM 20.4
Tena nahasitrana marina ny Isiraelita tamin’ ny fivavahana amin’ ny sary voasikotra mihitsy ny nahababo azy tany Babylona. Nandritra ireo taonjato manaraka izany. dia niaritra ny fampahoriana nataon’ ireo fahavalony jentilisa izy ireo mandra-piaikiny fa miankina amin’ ny fankatoavany ny lalàn’ Andriamanitra ny fanambinana azy ka tonga raikitra tao an-tsainy izany. Nefa ny fankatoavana teo amin’ ny ankamaroan’ ny vahoaka dia tsy nentanin’ ny fitiavana. Fitiavan-tena no nitarika an’ izany. Fanompoana miseho ivelany no natolony tamin’ Andriamanitra mba ho fitaovana hahatrarany ny fahalehibeazan’ ny firenena. Tsy nanjary fahazavan’ izao tontolo izao izy. fa nisaraka tamin’ izao tontolo izao. mba handosirany ny fakam-panahy tsy hanompo sampy. Tamin’ ny baiko nomeny tamin’ ny alalan’ i Mosesy. dia noferany ny fikambanany tamin’ ny mpanompo sampy ; diso anefa ny nandraisana io fampianarana io. Natao izany mba hisakanana ny fomba amam-panao jentilisa. Nampiasaina anefa izany mba hananganana rindrina fampisarahana ny Isiraely sy ireo firenena hafa rehetra. Lanitra ho azy no fiheveran’ ny Jiosy an’ i Jerosalema, ary tena nahasaropiaro azy fatratra ny hanehoan’ i Jehovah famindrampo amin’ ny jentilisa. IFM 21.1
Rehefa niverina avy tany Babylona izy ireo, dia nasiana fiheverana betsaka ny momba ny fampianarana fivavahana. Nanerana ny tany manontolo, dia natsangana ny synagoga, izay toerana namelabelaran’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny lalàna. Naorina koa ny sekoly izay sady nampianatra ny zava-kanto sy ny siansa, no nolazaina koa fa nampianarana ireo foto-kevitry ny fahamarinana. Nanjary simba anefa ireo fitaovana nampiasaina ireo. Nandritra ny fahababoana, dia betsaka ny olona no efa nandray ny fisainana sy ny fomba amam-panao jentilisa, koa ireny no nampidirina teo amin’ ny fanompoam-pivavahana nataony. Nanaraka ny fanaon’ ny mpanompo sampy izy tamin’ ny zavatra maro. IFM 21.2
Raha niala tamin’ Andriamanitra ny Jiosy dia very betsaka; tsy teo imason’ ny maro intsony ny fampianarana momba ny fanompoam-pivavahana. Kristy mihitsy no efa nanorina io fanompoam-pivavahana io Tandindona milaza Azy izany teo amin’ ny lafiny rehetra; koa feno aina sy rakotry ny hatsaran-tarehy ara- panahy izany. Very leo amin’ ny Jiosy anefa ny fiainana ara-panahy teo amin’ ny lanompoam-pivavahana nataony. ary nifikitra tamin’ ny lomba maty tsy misy aina izy. Ny fisoronana sy ny fitsipika no nilokisany. fa tsy niankina tamin’ Ilay notondroin’ ireo izy. Mba hamenoana ny banga noho ireo zavatra efa veriny. dia nampitomboin’ ny mpisorona sy ny raby ny fitakiana nataony ; ary arakaraka ny nampihenjana azy ireo no nampihena ny fitiavan’ Andriamanitra nasehony. Ny habetsahan’ ny fanompoam-pivavahana nataony no namarany ny lahamasinany, nefa ny fony dia feno avonavona sy fihatsarambelatsihy. IFM 21.3
Nanjary tsy azo notanterahina mihitsy ny fitandremana ny lalàna noho ireo baiko mahasorena mikasika ny antsipiriany madinika rehetra nataon’ izy ireo. Izay naniry ny hanompo an’ Andriamanitra ka niezaka koa hankatò ny fitsipika nomen’ ny raby, dia nisahirana maty nitondra enta-mavesatra. Tsy nety nahita fitsaharana izy noho ny fiampangan’ ny feon’ ny fieritreretana tsy mandry. Toy izany no niasan’ i Satana mba hanakiviana ny vahoaka. ka nampidirany fiheveran-diso amin’ ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra, ary hanazimbazimbana ny finoan’ ny Isiraely. Nanantena ny hampitoetra ny teny nitompoany izy, fony nikomy tany an-danitra, (izay milaza) fa tsy rariny ny fitakian’ Andriamanitra ary tsy hita ho hankatoavina izany. Na dia ny Isiraely aza. hoy ny filazany, isy nitandrina ny lalàna. IFM 22.1
Naniry ny fiavian’ ny Mesia ny Jiosy, nefa diso ny fiheverany ny asa nanirahana Azy. Tsy nitady fanavotana ny amin’ ny fahotana izy ireo. fa fanafahana amin’ ny Romana. Nanantena izy fa Ilay Mesia ho avy dia ho mpandresy, hanafaka ny fahefan’ ny mpanageja azy ireo. ary hanandratra ny Isiraely ho amin’ ny fanapahana an’ izao tontolo izao. Toy izany no nahavoaomana ny lalana handavana ny Mpamonjy. IFM 22.2
Tamin’ ny fotoana nahaterahan’ i Kristy dia sorena ny firenena teo ambanin’ ny tìfehezan’ ny vahiny notompoiny. sady nampahorian’ ny ady an-trano. Navela hanana endriky ny titondrampanjakana malialeo tena ny Jiosy : tsy azo nafenina anefa fa teo ambanin’ ny ziogan’ ny Romana izy. ary tsy nekeny ny famerana natao tamin’ ny fahefany. Notakian’ ny Romana ho zony ny manondro na manala ny mpisoronabe. ka matetika fisolokiana. kolikoly sy vonoan’ olona aza no nahazoana io toerana io. Noho izany. dia nanjary nihanaloto hatrany ny asan’ ny mpisorona. Mbola nanana fahefana lehibe ihany ny mpisorona na dia izany aza, ary nampiasainy ho fitiavan-tena sy hitadiavam-bola izany. Nilefitra teo ambanin» ireo fitakiany tsy nisy tamindrampo ireo ny vahoaka sady novesaran’ ny Romana hetra be rahateo koa. Nahatonga tsy fahafahampo hatraiza hatraiza izany toe-javatra izany. Matetika no nisy fikomiana teo amin» ny vahoaka. Nikiky ny atifon» ny firenena ny fangoronan-karena ho an’ ny tena sy ny herisetra, ny tsy fitokisana sy ny tsy firaihana ara-panahy. IFM 22.3
Ny fankahalany ny Romana, ary ny hambom-po amin’ ny maha firenena Jiosy azy sy teo amin’ ny fiainana ara-panahy, dia nampifikitra mafy azy tamin’ ny fomba fanormpoam-pivavahana teo aminy. Niezaka ny mpisorona hitana ny lazany ho masina tamin’ ny fanarahany amin’ ny antsipiriany ireo fanompoampivavahana. Ny vahoaka, izay tao amin’ ny haizina sy ny fanagejana sy ny mpifehy izay nangetaheta fahafahana, dia naniry mafy ny fiavian’ Ilay handresy ny fahavalony ka hamerina mdray ny fanjakana amin» ny Isiraely. Nianatra ny faminaniana izy ireo. fa tsy azony ny lafiny ara-panahy. Noho izany dia nataony an-tsirambina ireo tenin’ ny Soratra Masina manondro ny fietren’ i Kristy amin» ny fiaviany voalohany. ary diso ny fampiharany ny teny izay milaza ny voninahitry ny fiaviany fanindroany. Nanamaizina ny fomba fijeriny ny avonavona. Araka ny faniriany feno fitiavan-tena no nandraisany ny faminaniana. IFM 23.1