«Ary raha tonga teo amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha Izy, dia teo no namonoany Azy» 1Mifototra amin’ny Matio 27 : 31-53 ; Marka 15 : 20-38 ; Lioka 23 : 26-46 ; Joana 19 : 16-30 , ity toko ity. IFM 799.1
«Mba hahazoany manamasina ny olona amin’ ny ran’ ny tenany», dia «niaritra teny ivelan’ ny vavahady» Kristy; noho ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra, dia voaroaka hiala ny saha Edena i Adama sy Eva. Tsy maintsy nijaly teo ivelan’ i Jerosalema Kristy, Ilay Mpisolo antsika. Maty teo ivelan’ ny vavahady Izy, teo amin’ ny toerana famonoana ny ratsy fanahy sy ny mpamono olona. Lalinkevitra ny teny hoe : «Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy».2aHeb. 13 : 12 IFM 799.2
Nisy vahoaka be nanaraka an’ i Jesosy avy teo amin’ ny trano fitsarana ho any Kalvary. Niparitaka eran’ i Jerosalema ny vaovao momba ny fanamelohana Azy ka nirohotra nankany amin’ ny toerana fanomboana amin’ ny hazo fijaliana ny karazan’ olona isan-tsokajiny rehetra. Voafatotry ny fampanantenana nataony tsy hikasikasihana ny mpianatra izy ireo, rehefa atolotra eo ampelatanany Izy, ka afaka nifangaro tamin’ ny vahoaka be nanaraka ny Mpamonjy, ireo mpianatra sy ireo mpino avy amin’ ny tanàna sy ny faritany manodidina. IFM 799.3
Raha nandalo ny vavahadin’ ny lapan’ i Pilato Jesosy, dia napetraka teo amin’ ny sorony torotoro sy maratra ny hazo fijaliana izay efa nomanina ho an’ i Barabasy. Namany anankiroa no tokony hiaritra ny fahafatesana niaraka tamin’ i Jesosy ka nampitondraina ny hazo fijaliana koa izy ireo. Navesatra loatra ho an’ ny Mpamonjy ny lanjan’ izany noho ny faharerahany sy ny fijaliany. Hatramin’ ny fanasan’ ny Paska niaraka tamin’ ny mpianany dia sady tsy nihinan-kanina Izy no tsy nisotro rano. Fadiranovana indrindra toy ny miala aina Izy nitolona tamin’ ny famandrihan’ i Satana sy niaritra ny tebiteby vokatry ny fitsarana, ary nahita ny nandaozan’ ny mpianany Azy sy ny nandosiran’ izy ireo. Nentina tany amin’ i Ananiasy Izy, dia tany amin’ i Kaiafa, dia tany amin’ i Pilato. Avy any amin’ i Pilato dia nalefa tany amin’ i Heroda, dia naverina indray tany amin’ i Pilato. Notevatevaina ka notevatevaina hatrany Izy, narabiana ka narabiana hatrany ; indroa nampijaliana tamin’ ny kapoka. Nandritra iny alina iny dia nisy toe-javatra nifandimby izay fisedrana faran’ izay mafy indrindra natao tamin’ ny fanahin’ ny olona. Tsy nanao hadisoana anefa Kristy. Tsy nisy teny nataony afa-tsy izay nanome voninahitra an’ Andriamanitra. Nozakainy tamin’ ny toetra matotra sy tamim-pahamendrehana izay rehetra nitranga teo amin’ ilay sarintsarim-pitsarana manala-baraka. Nefa kosa raha napetraka teo Aminy ny hazo fijaliana, rehefa avy nokapohina fanindroany Izy, dia tsy zakan’ ny maha-olonibelona Azy intsony izany. Lavo Izy, ana teo ambanin’ ny enta-mavesatra. IFM 800.1
Hitan’ ny vahoaka nanaraka ny Mpamonjy ny fomba fandehany reraka sady mivembena, nefa tsy naneho fangorahana Azy izy ireo. Nesoiny sy narabiany Izy satria tsy afaka nitondra ny hazo fijaliana mavesatra. Napetraka teo Aminy indray ny enta-mavesatra ary lavo toa safotra tamin’ ny tany fanindroany indray Izy. Hitan’ ireo mpanenjika Azy fa tsy ho zakany intsony io enta-mavesatra io. Very hevitra izy ireo nitady olona izay afaka hitondra ilay entana mahamenatra. Ny Jiosy tsy afaka hanao izany, satria hisakana azy ireo tsy hitandrina ny Paska ny fahalotoana noho izany. Tsy nisy iray, na dia tao amin’ ny vahoaka be izay nanaraka Azy aza, no nety nanetry tena hitondra ny hazo fijaliana. IFM 800.2
Tamin’ izay fotoana izay dia nisy vahiny iray, Simona Kyreniana avy any ambanivohitra. nifanena tamin’ ny vahoaka. Reny ny esoeso sy ny fanarabian’ ny vahoaka, reny ny teny feno fanivaivana niverimberina hoe : Omeo lalana ny mpanjakan’ ny Jiosy. Nijanona izy, gaga raha nahita izany; raha naneho fangorahana izy, dia notazonina ka napetraka teo an-tsorony ny hazo fijaliana. IFM 800.3
Efa nandre ny amin’ i Jesosy i Simona. Mpino ny Mpamonjy ny zanany, nefa ny tenany tsy mpanaraka Azy. Fitahiana ho an’ i Simona ny nitondrany ny hazo fijaliana ho any Kalvary, ary taty aoriana dia feno fankasitrahana izy noho io fitondran’ Andriamanitra io. Nitarika azy hitondra ny hazo fijalian’ i Kristy noho ny safidim-pony izany, ka nahafeno fifaliana azy hatrany ny nitoetra teo ambanin’ izany. IFM 801.1
Tsy vitsy ireo vehivavy tao amin’ ny vahoaka nanaraka Ilay Voaheloka ho any amin’ ny fahafatesana mahatsiravina. Nifantoka tamin’ i Jesosy ny sainy. Nisy tamin’ izy ireo, efa nahita Azy talohan’ izao. Nisy efa nitondra ny marariny sy ireo nijaly teo Aminy. Ny sasany efa nositraniny mihitsy. Lazain’ ny olona ny fizotry ny toejavatra mitranga. Gaga izy ireo mahita ny fankahalan’ ny vahoaka an’ Ilay nahaontsa ka mila hahavaky fo azy. Na toy inona na toy inona fihetsiky ny vahoaka misafoaka, sy ny teny feno haromotana nataon’ ny mpisorona sy ny mpanapaka, dia naneho ny fangorahampony ireo vehivavy ireo. Raha lavo toa safotra teo ambanin’ ny hazo fijaliana Jesosy, dia nidradradradra nitomany izy ireo. IFM 801.2
Io no hany zavatra nanintona ny sain’ i Kristy. Na dia feno fahoriana aza Izy raha nitondra ny fahotan’ izao tontolo izao, dia tsy hoe tsy niraika tamin’ ny fampisehoan’ izy ireo ny alahelo Izy. Tamin’ ny fangorahana feno fitiavana no nijereny ireo vehivavy ireo. Tsy mpino Azy izy ireo ; fantany fa tsy nitomany Azy amin’ ny maha-nirahin’ Andriamanitra Azy izy ireo, fa voahetsiky ny fihetseham-pon’ ny fangorahan’ olombelona fotsiny. Tsy nanao tsinontsinona ny firaisam-pon’ izy ireo Izy, fa namoha firaisam-po lalina kokoa ho azy ireo tao am-pony izany : «Ry zanaka vavin’ i Jerosalema, aza mitomany Ahy, hoy Izy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo». Ny zavatra nitranga teo imasony dia nahitan’ i Kristy mialoha ny fotoana handravana an’ i Jerosalema. Amin’ izany toe-javatra mahatsiravina izany, dia betsaka amin’ ireo izay mitomany Azy ankehitriny, no ho faty miaraka amin’ ny zanany. IFM 801.3
Avy amin’ ny firodanan’ i Jerosalema dia nifindra ho amin’ ny fitsarana lehibebe kokoa ny fisainan’ i Jesosy. Ny fandravana ilay tanàna tsy mibebaka dia nahitany tandindon’ ny fandravana farany izay hihatra amin’ izao tontolo izao. Hoy Izy : «Dia hilaza amin’ ny tendrombohitra hoe izy : «Mianjerà aminay ; ary amin’ ny havoana hoe : Saròny izahay. Fa raha ataony amin’ ny hazo maitso izany, hatao ahoana amin’ ny maina ?»2 bLioka 23 : 30, 31 Ny hazo maitso no nanehoan’ i Jesosy ny tenany, Ilay Mpanavotra tsy manantsiny. Niharan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra noho ny fandikan-dalànan’ ny zanak’ olombelona ny Zanany malalany, nozakain’ Andriamanitra izany. Homboana amin’ ny hazo fijaliana izao Jesosy noho ny fahotan’ ny olona. Fijaliana manao ahoana ary amin’ izany no hozakain’ ny mpanota izay mitohy manota ? Ny tsy mibebaka rehetra sy izay rehetra tsy mino dia hahalala fahoriana sy fijaliana izay tsy hain’ ny fiteny lazaina. IFM 801.4
Tamin’ ireo vahoaka be nanaraka ny Mpamonjy ho any Kalvary dia nisy olona maro nitsena Azy nanao hosana, feno fifaliana sy nanofahofa rantsan-kazo raha niditra toy ny mpandresy tao Jerosalema Izy (nitaingina zana-boriky). Nefa tsy vitsy tamin’ ireo izay niantso fiderana Azy satria nataon’ ny besinimaro izany, no ankehitriny nampitombo ny antsoantso hoe : «Homboy ! homboy !» Fony Kristy niditra tany Jerosalema dia tafakatra tany amin’ ny fara-tampon’ ny fanantenany ny mpianatra. Nitangorona nanodidina akaiky ny Tompo izy ireo, nahatsapa fa voninahitra izany mifandray Aminy. Izao raha teo amin’ ny fanetren-tena Izy, dia nanaraka Azy lavidavitra ireo. Feno alahelo, ka nanondrika ny lohany noho ny fahadisoam-panantenany. Hita mazava manao ahoana ary izao fa marina ny tenin’ i Kristy hoe : «Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny Amiko anio alina, fa voasoratra hoe : «Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana»3Matio 26 : 31. IFM 802.1
Rehefa tonga teo amin’ ny toerana famonoana, dia nafatotra teo amin’ ireo fitaovana fampijaliana ireo mpifatotra. Nifampitolona tamin’ ireo izay nametraka azy teo amin’ ny hazo fijaliana ireo mpangalatra anankiroa; fa Jesosy kosa tsy nanohitra mihitsy. Ny renin’ i Jesosy notohanan’ i Jaona ilay mpianatra malala, dia nanaraka ny dian’ ny Zanany ho any Kalvary. Nahita Azy safotra noho ny vesatry ny hazo fijaliana izy, ary naniry indrindra ny nametraka ny tanany hanohana ny lohany maratra sy hamafa ilay handrina izay efa niondana teo an-tratrany. Nefa tsy navela hanana izany tombon-tsoa mampitsetra izany izy. Toy ireo mpianatra, dia mbola nankamamy ny fanantenana ihany izy fa hampiseho ny heriny Jesosy, ka hanafaka ny tenany amin’ ny fahavalony. Latsaka ambany indray ny herim-pony raha mahatsiaro ireo teny izay manambara mialoha ireo toe-javatra izay miseho indrindra amin’ izao fotoana izao izy. Rehefa nofatorana teo amin’ ny hazo fijaliana ireo mpangalatra, dia nijery tamin’ ny tebiteby nihatra aman’ aina izy. Moa ve Ilay nanome aina ny maty hanaiky ny homboana amin’ ny hazo fijaliana ? Moa ve ny Zanak’ Andriamanitra hanaiky ny hovonoina amin’ ny fomba mahatsiravina toy izao ? Moa ve tsy maintsy hafoiny ny finoana fa Jesosy no Mesia ? Moa ve tsy maintsy hahita maso ny fahafaham-barakany sy ny fahoriany izy, nefa tsy hanana tombontsoa hanompo Azy eo amin’ ny fahoriany ? Hitany ny tanany mitsotra eo ambonin’ ny hazo fijaliana; nentina ny tantanana sy ny fantsika niranirany, dia nentin’ ireo mpianatra vaky fo, niala tsy ho eo anatrehan’ izany toe-javatra mahatsiravina izany ny renin’ i Jesosy, izay safotra teo. IFM 802.2
Tsy nimonomonona na nitaraina Jesosy. Nijanona ho tony sy feno fiadanana ny endriny, nefa nisy hatsembohana mipotrapotraka teo amin’ ny handriny. Tsy nisy tanana nangoraka namafa ny andon’ ny fahafatesana teo amin’ ny tavany. Tsy nisy nanao teny mitory firaisam-po sy fahatokiana tsy miovaova mba hanohana ny fony amin’ ny maha-olombelona Azy. Raha nanao ny asany mampihoron-koditra ny miaramila, dia nivavaka ho an’ ireo fahavalony Jesosy hoe : «Ray ô, mamelà azy fa tsy fantany izay ataony». Avy teo amin’ ny fijalian’ ny tenany ny sainy, dia nifindra ho amin’ ny fahotan’ ireo mpanenjika Azy, sy ny valiny mahatsiravina izay hihatra aminy. Tsy nisy ozona nataony tamin’ ireo miaramila izay mitratrevatreva erỳ nitana Azy. Tsy nisy valifaty nantsoiny ho an’ ireo mpisorona sy mpanapaka izay nikarikary maso hijery ny fahatanterahan’ ny fikasany. Nangoraka ny tsy fahalalana sy ny helok’ ireo Kristy. Fangatahana famelana ho azy ireo ihany — «satria tsy fantany izay ataony» - no rivotra niainany. IFM 803.1
Raha mba fantany fa mampijaly Ilay tonga hamonjy ny taranaka mpanota ho afaka amin’ ny fahafatesana mandrakizay izy ireo, dia ho azon’ ny nenina sy ny tahotra. Nefa tsy nanala ny fahadisoany tsy akory ny tsy fahalalany; satria tombon-tsoan’ izy ireo ny afaka hahalala sy ny hanaiky an’ i Jesosy ho Mpamonjy ny tenany. Nisy tamin’ izy ireo anefa nahita ny fahotany, ary nibebaka sy niova fo. Nisy mafy fo ka nahatonga ny fivavahan’ i Jesosy ho tsy nisy valiny ho azy. Nefa na dia izany aza dia tonga tamin’ ny fahatanterahany ny fikasan’ Andriamanitra. Azon’ i Jesosy ny zo ho tonga mpisolovavan’ ny olona eo anatrehan’ ny Ray. IFM 803.2
Manerana an’ izao tontolo izao io fivavahan’ i Kristy ho an’ ny fahavalony io. Mahafaoka ny mpanota tsirairay izay efa velona na mbola ho velona, hatramin’ ny fiantombohan’ izao tontolo izao ka hatramin’ ny faran’ ny andro izany. Mipetraka amin’ ny olona rehetra ny heloka noho ny nanomboana ny Zanak’ Andriamanitra teo ambonin’ ny hazo fijaliana. Atolotra maimaimpoana ny rehetra anefa ny famelan-keloka. «Izay rehetra mety» dia mahazo mihavana amin’ Andriamanitra sy mandova ny fiainana mandrakizay. IFM 803.3
Raha vao voafantsika teo ambonin’ ny hazo fijaliana Jesosy, dia narenin’ ny lehilahy matanjaka ilay hazo fijaliana, ary natsatony tamin’ ny fomba feno herisetra teo amin’ ny toerana nomanina ho amin’ izany. Nahatonga fangirifiriana mafy indrindra nihatra aman’ aina tamin’ ny Zanak’ Andriamanitra izany. Avy eo dia nisy soratra nataon’ i Pilato tamin’ ny teny hebreo, grika sy latina izay napetrany teo amin’ ny hazo fijaliana, teo ambonin’ ny lohan’ i Jesosy. Izao no fivakiny : «Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ ny Jiosy». Nahatezitra ny Jiosy io soratra io. Niantsoantso hoe : «Homboy !» izy ireo tao amin’ ny lapan’ i Pilato. «Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay». Nambarany tamin’ izany fa na iza na iza manaiky mpanjaka hafa dia mpamadika. Nahariharin’ i Pilato tamin’ ny soratra ny fihetseham-po nananan’ izy ireo. Tsy nisy fanafintohinana voasoratra teo, fa nolazainy fotsiny fa Mpanjakan’ ny Jiosy Jesosy. Fanekena mazava ny hileferan’ ny Jiosy teo ambanin’ ny fahefana Romana ilay soratra. Nilaza izany fa na iza na iza milaza ny tenany ho Mpanjakan’ Isiraely, dia hotsarain’ izy ireo ho mendrika ny fahafatesana. Mihoatra noho ny zavatra nokasainy ny nataon’ ireo mpisorona. Fony izy ireo nioko hamono an’ i Kristy, dia nilaza i Kaiafa fa tsy mampaninona raha misy olona iray ho faty hamonjy ny firenena. Miseho mazava izao ny fihatsarambelatsihiny. Mba hamonoany an’ i Kristy, dia vonona izy ireo hanao sorona na dia ny fisian’ ny fireneny aza. IFM 804.1
Hitan’ ny mpisorona ny nataon’ izy ireo ka nangatahiny i Pilato hanova ny soratra. Hoy izy ireo hoe : «Aza soratana hoe : Mpanjakan’ ny Jiosy : fa izao : Izy no milaza hoe : Mpanjakan’ ny Jiosy Aho». Nefa sosotra tamin’ ny tenany i Pilato noho ny fahalemeny teo aloha, ka nanamavo indrindra ireo mpisorona sy mpanapaka feno fialonana sy fetsy izy. Novaliany tamin’ ny fomba mangatsiaka hoe izany : «Izay voasoratro dia voasoratro». IFM 804.2
Nisy hery ambony noho ny an’ i Pilato na ny an’ ny Jiosy nitarika ny fametrahana ny soratra teo ambonin’ ny lohan’ i Jesosy. Tamin’ izany fomba izany, ny fitondran’ Andriamanitra dia natao hamohafoha ny fisainana ka hanosika azy hamakafakana ny Soratra Masina. Teo akaikin’ ny tanàna ny toerana izay nanomboana an’ i Jesosy Kristy. An’ arivony ny olona avy amin’ ny tany rehetra tao Jerosalema tamin’ izay, ary ny soratra milaza fa Jesosy avy any Nazareta no Mesia dia nanintona ny sainy. Fahamarinana velona izany nosoratan’ ny tanana izay notarihin’ Andriamanitra. IFM 804.3
Tanteraka teo amin’ ireo fijaliana maretan i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana ny faminaniana. Taonjato maro talohan’ ny nanomboana Azy teo ambonin’ ny hazo fijaliana dia efa nolazain’ ny Mpamonjy mialoha ny fomba hitondrana Azy. Hoy Izy : «Fa mitangorona Amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra Ahy. Manindrona ny tongotra aman-tànako hoatra ny liona izy. Mahisa ny taolako rehetra aho. Ireo dia mibanjina sady mangarika ahy. Mizara ny fitafiako ho azy izy, ary ny akanjoko ilokany» 4Salamo 22 : 16-18 ; 69 : 20, 21. Ny faminaniana momba ny fitafiany dia notanterahina na dia tsy nisy toro-hevitra na fisakanana avy amin’ ny sakaizany na avy amin’ ireo fahavalon’ Ilay Voahombo aza. Nomena ireo miaramila namantsika Azy teo amin’ ny hazo fijaliana ny fitafiany. Ren’ i Kristy ny adihevitra nataon’ ireo olona ireo raha nizara ny fitafiany izy. Tsy nisy nivitrana ny akanjony ka hoy izy ireo hoe : «Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’ izay hahazo azy». IFM 805.1
Tao amin’ ny faminaniana hafa indray dia izao no nolazain’ ny Mpamonjy : «Ny latsa dia nanorotoro ny foko, ka reraka indrindra aho ; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony, fa tsy nahita. Fa zava-mangidy no nomeny hohaniko ; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho» 4Salamo 22 : 16-18 ; 69 : 20, 21. Ireo izay niaritra ny fahafatesana teo ambonin’ ny hazo fijaliana dia azo nomena ranon-javatra mampahadonto mba tsy hahatsapany fangirifiriana. Io no natolotra an’ i Jesosy ; nefa rehefa nandramany izany dia nolaviny. Tsy tiany ny hanendry na inona na inona izay hanamaizina ny sainy. Tsy maintsy mifikitra mafy amin’ Andriamanitra ny fony. Io no hany hery ho Azy. Hanome tombon-tsoa ho an’ i Satana ny fanamaizinana ireo retsi-pandreny. IFM 805.2
Nafofofofon’ ireo fahavalon’ i Jesosy taminy ny haromotany raha nihantona teo ambonin’ ny hazo fijaliana Izy. Ireo mpisorona, ireo mpanapaka sy ireo mpanora-dalàna dia niaraka tamin’ ny vahoaka nisafoaka naneso Ilay Mpamonjy niala aina. Tamin’ ny batisa sy tamin’ ny fiovan-tarehy dia re ny feon’ Andriamanitra nilaza an’ i Kristy ho Zanany. Taloha indrindra ny namadihana an’ i Kristy, dia niteny indray ny Ray ho vavolombelon’ ny maha-Andriamanitra Azy. Nefa ankehitriny dia nangina ny feo avy any an-danitra. Tsy nisy vavolombelona naneho ny fankasitrahana an’ i Kristy. Izy samirery no niaritra ny hérisetra sy ny esoeson’ ny ratsy fanahy. IFM 805.3
«Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, hoy izy ireo, midina miala amin’ ny hazo fijaliana». «Aoka Izy hamonjy ny tenany, raha Izy no Kristy nofidin’ Andriamanitra». Tany an-efitra nakana fanahy Azy dia nilaza i Satana hoe : «Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto». «Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any»5Mat 4 : 3, 6 avy eo an-tampon’ ny tempoly. Nanatrika teo amin’ ny hazo fijaliana i Satana sy ny anjeliny, naka ny endriky ny olombelona. Niara-niasa tamin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ny filohan’ ireo devoly sy ny foloalindahiny. Namporisihin’ ireo mpampianatry ny vahoaka ireo olona marobe tsy manampahalalana hamoaka didim-pitsarana hoenti-manameloka Day tsy mbola hitan’ ny maro tamin’ izy ireo akory na oviana na oviana mandra-pahatonga an’ izy ireo hanao vavolombelona manameloka Azy. Ireo mpisorona, mpanapaka, ireo fariseo sy faikan’ olona mafy fo nitambatra hiray tetika feno fahavinirana avy amin’ i Satana. Miray amin’ i Satana sy ireo anjeliny ireo filoham-pivavahana ka mankatò ny baikony. IFM 806.1
Na dia nijaly sy niala aina aza Jesosy, dia nandre ny teny rehetra nataon’ ny mpisorona Izy hoe : «Ny sasany novonjeny ; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny ; dia hino Azy izahay». Azon’ i Kristy natao ny nidina avy amin’ ny hazo fijaliana. Nefa tsy tiany ny hamonjy ny tenany ary dia tsy hanana fanantenana famelan-keloka sy sitraka any amin’ Andriamanitra ny mpanota. IFM 806.2
Tamin’ ny fanesoesoana ny Mpamonjy nataon’ ireo olona izay nilaza ny tenany ho mpanazava ny faminaniana, dia namerimberina ny teny indrindra izay nolazain’ ny tsindrimandry mialoha holazainy amin’ izany fotoana izany izy. Nefa tao amin’ ny fahajambany dia tsy hitany fa manatanteraka ny faminaniana izy. Ireo izay niteny tamin’ ny fanivaivana hoe : «Natoky an’ Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy : Zanak’ Andriamanitra Aho», dia tsy nihevitra kely akory fa hana- koako any amin’ ny taona mifandimby any ny filazany. Nefa na dia fanesoesoana aza no nanaovana ireo teny ireo, dia nitarika olona handinika ny Soratra Masina tahaka ny tsy mbola nataony teo aloha izany. Nisy olon-kendry nihaino, nikaroka, nandanjalanja sy nivavaka. Tao ireo tsy nitsahatra mihitsy raha tsy nahita ny dikan’ ny iraka nampanaovina an’ i Kristy, tamin’ ny fampitahana ny Soratra Masina amin’ ny Soratra Masina. Na oviana na oviana hatramin’ izay, tsy mbola nisy fahalalan’ ny besinimaro an’ i Jesosy tahaka ny tamin’ Izy nihantona teo amin’ ny hazo fijaliana. Namirapiratra teo amin’ ny fon’ ny maro tamin’ ireo izay nijery ny fanomboana tamin’ ny hazo fijaliana sy ireo izay nandre ny tenin’ Kristy, ny fahazavan’ ny fahamarinana. IFM 806.3
Nisy tara-pahazavana nitondra fampaherezana ho an’ i Jesosy teo ambonin’ ny hazo fijaliana : ny fivavahan’ ilay jiolahy nibebaka izany. Samy nanesoeso an’ i Jesosy aloha ireo olona roa nohomboana niaraka taminy teo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny anankiray noho ny fijaliany dia vao mainka namoy fo sy nanohitra an-karihary. Tsy toy izany kosa ilay namany. Tsy mpamono olona mafy fo io olona io ; voatariky ny namana ratsy izy, nefa tsy meloka noho ireo marobe nijoro teo akaikin’ ny hazo fijaliana nanaraby ny Mpamonjy. Efa nahita sy nandre an’ i Jesosy izy ary nandre sy resy lahatry ny fampianarany, nefa ny mpisorona sy ny mpanapaka no nahatonga azy niodina niala tamin’ i Jesosy. Nitady izay hampangina ny fahareseny lahatra izy, ka nilentika lalindalina kokoa hatrany hatrany ao amin’ ny fahotana, ary farany dia notazonina, notsaraina ho nanao heloka bevava ary nohelohina ho faty eo amin’ ny hazo fijaliana. Niaraka tamin’ i Jesosy izy teo amin’ ny trano fitsarana sy teo amin’ ny lalana nankany Kalvary. Reny i Pilato nanao hoe : «Tsy hitako izay helony». Nomarihiny izato fihetsiny toa tahaka ny an’ Andriamanitra, sy izato famelany heloka feno fangorahana an’ ireo mpampijaly Azy. Raha teo amin’ ny hazo fijaliana izy, dia hitany ireo mpitondra fivavahana lehibe maro nampiasa ny lelany hoentimitifitra an’ i Jesosy amin’ ny fanevatevana sy ny fanivaivana. Hitany ireo loha mihifikifika. Reny ireo teny manome tsiny nataon’ ilay mpiray heloka aminy : «Tsy Hianao va no Kristy ? Vonjeo ny tenanao sy izahay». Reny fa betsaka no niaro an’ i Kristy tamin’ ireo mpandalo. Reny izy ireo mamerimberina ny teniny sy milaza ny asany. Niverina tao aminy indray ny finoany fa io no Kristy. Nitodika tamin’ ilay namany mpiray heloka taminy izy ka nanao hoe : «Moa hianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza ?» Tsy nanana na inona na inona atahorana amin’ ny olona intsony ireo mpangalatra efa ho faty ireo. Nefa nanindry azy ny fahalalana mazava fa misy Andriamanitra tokony hatahorana sy ny ho avy izay tokony hampangovitra. Ary amin’ izao fotoana izao, ny fiainany izay efa voaloton’ ny fahotana, dia efa hifarana : «Marina ny hanamelohany antsika, hoy ny fitoreony, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika, fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza». IFM 807.1
Tsy misy fanontaniana intsony izao. Tsy misy fisalasalana, tsy misy fanomezan-tsiny. Voaheloka noho ny fahotany izy, very fanantenana sy kivy ilay jiolahy, nefa izao dia misy eritreritra hafa mamy indrindra mitsimoka. Notadidiny izay rehetra reny ny amin’ i Jesosy, ny nanasitranany ny marary sy ny namelany ny fahotana. Reny ireo teny nataon’ izay nino an’ i Jesosy sy nanaraka Azy tamindranomaso. Hitany sy vakiny ny soratra teo ambonin’ ny lohan’ ny Mpamonjy. Reny ireo mpandalo mamerimberina izany, ny sasany naratra am-po sy tamin’ ny molotra mangovitra, ny hafa kosa tamin’ ny famazivazina sy ny fanesoesoana. Nanazava ny sainy ny Fanahy Masina ary nifanatona tsikelikely hifampitohy ireo mason’ ny rojo nahafantarany ny marina. Teo amin’ i Jesosy voatorotoro natao fihomehezana, sy mihantona eo amin’ ny hazo fijaliana, dia hitany ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao. Tamin’ ny feo feno fanantenana sy tebiteby no niantorahan’ ity fanahy tsy manan-kery sy efa ho faty ity teo amin’ ny Mpamonjy miala aina : «Tompo ô, tsarovy aho, hoy ny antsoantsony, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao». Avy hatrany dia tonga ny valiny. Malefaka, mamelovelo, feno fitiavana sy fangorahana ary hery ny teny nanao hoe : «Lazaiko aminao marina tokoa anio, hihaona amiko any Paradisa hianao». IFM 808.1
Nandritra ireo ora lava nisian’ ny ady mihatra aman’ aina, dia fanivaivana sy fanarabiana no niantefa tao an-tsofin’ i Jesosy. Raha nihantona teo amin’ ny hazo fijaliana Izy, dia mbola niakatra hatreo Aminy ny feo fanevatevana sy ozona. Naniry koa raha naniry ny fony handre feo maneho ny finoana avy amin’ ireo mpianany. Ny hany reny dia ny feo mampalahelo hoe : «Nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely». Koa feno fankasitrahana manao ahoana ny Mpamonjy tamin’ ny tenim-pinoana sy ny tenim-pitiavana nataon’ ilay jiolahy efa ho faty. Raha nandà azy ireo mpitarika Jiosy, ary na dia ny mpianany aza nisalasala ny maha-Andriamanitra Azy, ilay jiolahy mahantra kosa teo amin’ ny moron-tevan’ ny mandrakizay dia niantso an’ i Jesosy hoe «Tompo». Betsaka no vonona hiantso Azy hoe «Tompo» fony Izy nanao fahagagana, sy rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy ; nefa tsy nisy nanaiky Azy ho izany raha nihantona ho faty teo ambonin’ ny hazo fijaliana Izy, afa-tsy ilay jiolahy nibebaka izay voavonjy tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo. IFM 808.2
Voamarik’ ireo nanatrika teo ny tenin’ ilay jiolahy niantso an’ i Jesosy hoe «Tompo». Nanintona ny sainy ny feon’ ilay olona nibebaka. Ireo izay niady ny akanjon’ i Kristy teo am-pototry ny hazo fijaliana, sy niloka ny fitafiany, dia nangina hihaino. Nitsahatra ireo feony feno fahatezerana. Nidobodoboka ny fony nijery an’ i Kristy, ary niandry ny valin-teny avy amin’ ireo molotr’ Ilay efa ho faty izy. IFM 809.1
Raha nilaza ireo teny fikasana ireo Izy, dia voagorobaky ny fahazavana mamirapiratra sy velona ny rahona mainty toa manodidina ny hazo fijaliana. Tonga tao amin’ ilay jiolahy mibebaka ny fiadanana tanteraka avy amin’ ny fanekena an’ Andriamanitra. Nomem-boninahitra tao amin’ ny fanetren-tenany Kristy. Mpandresy Ilay resy teo imason’ ny hafa rehetra. Nekena ho Mpitondra fahotana Izy. Mety mampiasa hery amin’ ny tenan’ ny maha-olombelona ny olona. Azony atao ny mandoaka ireo fihirifana masina amin’ ny satro-tsilo. Azony atao ny manala ny akanjony sy miady ny amin’ izay hizarana azy. Nefa kosa tsy azony atao ny mandroaka Azy amin’ ny fahefany mamela heloka. Teo amin’ ny fahafatesany dia vavolombelon’ ny maha-Andriamanitra Azy Izy sy nanome voninahitra ny Rainy. Ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare ary tsy fohy ny tanany fa mahavonjy. Zony amin’ ny maha-Mpanjaka Azy ny mamonjy tokoa izay rehetra manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany. IFM 809.2
Lazaiko aminao marina tokoa anio, fa hihaona Amiko any am-Paradisa ianao. Tsy nampanantena Kristy fa hihaona Aminy any am-Paradisa amin’ io andro io ilay jiolahy. Ny tenany aza tsy tany am-Paradisa tamin’ io andro io. Natory tao amin’ ny fasana Izy ary ny marainan’ ny andro nitsanganany tamin’ ny maty dia hoy Izy : «Tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho»6Joana. 20 : 17. Fa tamin’ ny andro nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, andro faharesena sy nanjombona indrindra, no nanomezany ilay teny fikasana. «Anio»-, raha niala aina toy ny mpanao ratsy teo amin’ ny hazo fijaliana Kristy, dia nampanantena Ilay mpanota mahantra Izy hoe : «hihaona Amiko any am-Paradisa hianao». IFM 809.3
Ireo jiolahy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana dia «iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany». Natao izany noho ny baikon’ ireo mpisorona sy ireo mpanapaka. Ny toeran’ i Kristy teo anelanelan’ ireo mpangalatra ireo dia natao mba hanambarana fa Izy no meloka indrindra amin’ izy telo lahy. Tamin’ izany no nahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe : «Natao ho isan’ ny mpanota Izy»7Isaia.53 : 12. Tahaka ny nanomboana an’ i Jesosy teo amin’ ny hazo fijaliana niaraka tamin’ ny jiolahy, ka nanaovana Azy «teo afovoany», dia toy izany koa ny nametrahana ny hazo fijaliany eo afovoan’ izao tontolo izao maty ao amin’ ny fahotana. Ary ireo teny famelan-keloka nataony tamin’ ilay jiolahy nibebaka, dia nandrehitra fahazavana izay mamirapiratra hatrany amin’ ny faran’ ny tany lavitra indrindra. IFM 810.1
Gaga ny anjely mibanjina ity fitiavan’ i Jesosy tsy hita fetra, izay, na dia niaritra ny ady nihatra aman’ aina mafy indrindra teo amin’ ny saina sy ny nofo aza, dia tsy nihevitra afa-tsy ny hafa sy nampahery ny fanahy nibebaka ho amin’ ny finoana. Teo amin’ ny fietreny dia niteny tamin’ ireo zanakavavin’ i Jerosalema Izy amin’ ny maha-mpaminany Azy; amin’ ny maha-Mpisorona sy Mpisolovava Azy dia nifona tamin’ ny Ray Izy mba hamelany heloka ireo mpamono Azy ; amin’ ny maha-Mpamonjy be fitiavana Azy dia namela ny helok’ ilay jiolahy Izy. IFM 810.2
Raha nivezivezy nijery ny vahoaka ny mason’ i Jesosy, dia nisy endrika iray nanintona ny sainy. Nijoro teo am-pototry ny hazo fijaliana ny renin’ i Jesosy, notohanan’ i Jaona mpianatra. Tsy zakany ny mijanona lavitra ny Zanany ary satria fantatr’ i Jaona fa efa akaiky ny farany, dia nentiny niverina teo amin’ ny hazo fijaliana izy Tsaroan’ i Kristy ny reniny tamin’ ny ora ialany aina. Nijery ity endriny torovan’ ny alahelo Izy dia nijery an’ i Jaona ary hoy Izy : «Indro ny reninao !» Azon’ i Jaona ny hevitry ny tenin’ i Kristy, ka nekeny ny teny napetraka taminy. Noraisiny avy hatrany tany an-tranony i Maria ; ary hatramin’ io ora io dia nikarakara azy tamimpitiavana izy. O ! Mpamonjy be fitiavana, feno fangorahana ! teo afovoan’ ny fanaintainany ara-nofo rehetra sy ny tebitebiny aratsaina, dia niahy an-dreniny Izy. Tsy nanam-bola hitsinjovana izay hiadanany Izy, nefa voasikotra tao am-pon’ i Jaona Izy ka nomeny azy ny reniny ho lova sarobidy. Tamin’ izany no nitsinjovany azy ny amin’ izay nilainy indrindra, — dia ny firaisam-pon’ ny olona feno fitiavana iray izay tia azy satria tia an’ i Jesosy i Maria. Ary tamin’ ny nandraisan’ i Jaona azy toy ny zava-masina hokarakaraina, dia nandray fitahiana lehibe izy. Nampahatsiaro azy mandrakariva Ilay Tompo malalany izy. IFM 810.3
Ny ohatra tanteraka nomen’ i Kristy momba ny fitiavana ny reny dia mamirapiratra amin’ ny voninahitra tsy matroky ny alokin’ ny fahelam-potoana. Efa ho telopolo taona Jesosy no nanampy tamin’ ny fitondrana ireo adidy mavesatra ao an-tokantrano tamin’ ny asa mafy nataony andavanandro. Ary izao, na dia eo amin’ ny fialan’ ainy farany aza Izy, dia tsaroany ny mitsinjo ny reniny mpitondratena mahantra. Ho hita eo amin’ ny mpianatry ny Tompo tsirairay ny toe-tsaina toy izany. Ireo izay manaraka an’ i Kristy dia hahatsapa fa anisan’ ny fivavahany ny manaja ny ray aman-dreny sy ny manampy azy ireo amin’ izay zavatra ilainy. Ny ray sy ny reny dia tsy ho diso anjara na oviana na oviana amin’ ny fandraisana fikarakarana feno fiheverana sy firaisam-po ombam-pitiavana avy amin’ ny fo izay mankamamy ny fitiavan’ i Kristy. IFM 811.1
Ary ankehitriny dia efa ho faty ny Tompon’ ny voninahitra ho avotra ho an’ ny taranak’ olombelona. Raha nametraka ny fiainany sarobidy Kristy, dia tsy nisy fifaliana noho ny fandresena nanohana Azy. Nampahory sy nanjombona avokoa ny zavatra rehetra. Tsy ny tahotra ny fahafatesana no navesatra tao Aminy. Tsy ny fangirifiriana sy ny henatra noho ny hazo fijaliana no nahatonga ny ady nihatra aman’ aina tsy hay lazaina niaretany. Kristy no Andrianan’ izay mijaly ; fa ny fahoriany kosa dia avy tamin’ ny fahatsapany ny fitaky ny fahotana, ny fahalalana fa noho ny fifankazarany amin’ ny ratsy, dia jamba ny olona ka tsy mahita ny halehibeny. Hitan’ i Kristy fa tafalentika lalina manao ahoana ny fihazonan’ ny fahotana ny fon’ ny olombelona, ary manao ahoana ny havitsin’ ny olona maniry hanapaka ny heriny. Fantany fa raha tsy misy fanampiana avy amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy ho faty ny olombelona, ary hitany ireo vahoaka be maty eo amin’ ny toerana izay mety hahazoany fanampiana be dia be. IFM 811.2
Teo amin’ i Kristy no napetraka ny fahadisoantsika rehetra amin’ ny maha-mpisolo toerana antsika sy antoka ho antsika Azy. Nisaina ho anisan’ ny mpanao meloka Izy mba hahazoany manavotra antsika avy amin’ ny fanamelohan’ ny lalàna. Nitambesatra teo amin’ ny fony ny fahadisoan’ ny taranak’ i Adama tsirairay. Ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny fahotana, ny fanehoany mahatahotra ny tsy fankasitrahany ny fahadisoana dia nahazendana ny fanahin’ ny Zanany. Nandritra ny fiainany manontolo dia notorian’ i Kristy tamin’ izao tontolo izao lavo ireo vaovao mahafaly momba ny famindrampon’ ny Ray sy ny fitiavany mamela heloka. Famonjena ho an’ ny lohan’ ny mpanota no lafin-kevitra nasehony. Nefa ankehitriny, noho ny vesatra mahatsiravin’ ny heloka nentiny, dia tsy afaka mahita ny tavan’ ny Ray mitory fampihavanana Izy. Ny fialan’ ny tavan’ Andriamanitra tsy ho hitan’ ny Mpamonjy tamin’ ity fotoana nampitebiteby Azy mafy indrindra ity, dia nanindrona ny fony tamin’ ny alahelo izay tsy ho takatry ny olona na oviana na oviana amin’ ny fomba feno. Mafy loatra io ady mihatra aman’ aina niaretany io ka saika tsy reny ny fanaintainany ara-nofo. IFM 811.3
Nandrotidrotika ny fon’ i Jesosy i Satana tamin’ ireo fakampanahy mahery vaika nalefany. Tsy afaka nahita izay tany ankoatry ny varavaram-pasana ny Mpamonjy. Tsy nasehon’ ny fanantenana teo anatrehany intsony ny fivoahany avy ao am-pasana toy ny mpandresy, ary tsy nolazainy taminy ny faneken’ ny Ray ny sorona nataony. Natahotra Izy sao mahatsiravina loatra an’ Andriamanitra ny fahotana ka ho mandrakizay ny fisarahany. Tsapan’ i Kristy ny tebiteby izay ho tsapan’ ny mpanota rehefa tsy hifona ho an’ ny taranaka meloka intsony ny famindrampo. Ny fahatsapana ny fahotana izay nahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra, teo Aminy tamin’ ny naha-solon’ ny olona Azy, no nampangidy toy izany ny kapoaka izay nosotroiny, ka nahavaky ny fon’ Ilay Zanak’ Andriamanitra. IFM 812.1
Ireo anjely izay nanatri-maso ny fialan’ aina nampamoifon’ i Kristy dia nanakona ny tavany teo anoloan’ izao fisehoan-javatra mahatsiravina izao. .. Nampiseho ny firaisam-pony tamin’ ny Mpahary azy izay notsiratsiraina ary efa ho faty, na dia ny zavaboary aza. Ny masoandro dia nandà tsy hanazava toe-javatra mampahory toy izao. Raha teo amin’ ny mitataovovonana iny indrindra izy, ka namirapiratra fatratra amin’ ny fahafenoany tanteraka, dia toa nilentika tampoka teo. Nisy fahamaizinana, toy ny lambam-paty, nanarona ny hazo fijaliana. «Ary hatramin’ ny ora fahenina ka hatramin’ ny ora fahasivy dia maizina ny tany». Tsy nisy fanakonamasoandro na antony voajanahary azo lazaina ho nahatonga io haizina io, izay maizina tokoa toy ny fahamaizinan’ ny misasak’ alina, rehefa tsy misy volana aman-kintana mamiratra. Vavolombelona mahagaga izay nomen’ Andriamanitra mba hanamafy orina ny finoan’ ny taranaka any aoriana izany. IFM 812.2
Nanakona ny fanatrehan’ Andriamanitra io haizina matevina io. Nataony ho fialofana izany ary nafeniny tsy ho eo imason’ ny taranak’ olombelona ny voninahiny. Nijoro teo anilan’ ny hazo fijaliana Andriamanitra sy ny anjeliny. Teo amin’ ny Zanany Izy, fa saingy tsy hita maso ny fanatrehany. Raha nanjelanjelatra namakivaky ny alina ny voninahiny, dia ho nandevona ireo olombelona rehetra nanatrika teo. Tamin’ io ora mahatahotra io Kristy dia tsy tokony nampaherezin’ ny fanatrehan’ ny Rainy. Natao hanosihosy famihazam-boaloboka irery Izy ary tsy nisy tamin’ ireo azy tonga niaraka taminy teo. IFM 813.1
Haizina matevina no nanaronan’ Andriamanitra ny fialan’ aina farany amin’ ny maha-olombelona Ilay Zanany. Izay rehetra nitazana an’ i Kristy tao anatin’ izany fangirifiriana mangidy izany dia niaiky ny maha-Andriamanitra Azy. Namela fahatsiarovana tsy hay hadinoina tao amin’ ny fanahin’ izay sambany vao nahita Azy ny endrik’ i Kristy. Nitondra ny mariky ny maha-mpamono olona azy ny endrik’ i Kaina; fa ny tavan’ i Kristy kosa dia nampiseho tsy fananan-tsiny, fahatoniana, fitiavana, - izany hoe ny endrik’ Andriamanitra. Nefa ireo mpanameloka Azy dia tsy te-hijery ireo fambara avy any an-danitra. Nahaliana ireo vahoaka mpanazimba olona ny nibanjina an’ i Kristy, nandritra ireo ora maro nialany aina. Tamim-pamindrampo fatratra no nanaronan’ Andriamanitra Azy tamin’ ny kapaotiny izao. IFM 813.2
Nisy fahanginana lalina toa nianjera teo an-tampon’ i Kalvary. Nisy horohoro tsy hay lazaina nameno ny vahoaka nivory nanodidina ny hazo fijaliana. Maty ary nitsahatra tsy heno teo ambavany intsony ny ozona sy ny eso. Lavo tamin’ ny tany avokoa na lehilahy, na vehivavy, na ankizy. Indraindray dia nisy tselatra namakivaky ny lanitra, ary indro hita avy amin’ ny fahazavany ilay hazo mitanambokovoko ifantsihan’ ny Mpamonjy. Tamin’ izay dia nihevitra tokoa ny mpisorona, ny mpanapaka, ny mpanora-dalàna, ny lehilahy mpamono olona ary ny vahoaka manontolo, fa tonga ny ora famaliana azy ireo. Fotoana kely taorian’ izay, dia nifampibitsibitsika ny sasany fa hidina avy eny amin’ ny hazo fijaliana angamba Jesosy. Maro tamin’ izy ireo no nitady sy nitsapatsapa ny lalana mankany an-tanàna ary niteha-tratra no sady nitoreo. IFM 813.3
Tokony ho tamin’ ny ora fahasivy, dia niakatra teo ambonin’ ny vahoaka mpanatrika ny haizina, nefa mbola nanarona ihany ny Mpamonjy. Izany dia tandindon’ ny fialan’ aina sy ny horohoro izay namesatra ny fony. Tsy nisy mihitsy maso afaka nanagorobaka ny fahamaizinana nanarona ny hazo fijaliana, ary manoatra noho izany, maso, afaka maninteraka ny haizina mandrakotra ny fanahin’ i Kristy izay mijaly. Nisy tselatra misafoaka mafy nirehitra nanodidina Azy. Dia niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe : «Ely, Ely, lamà, sabaktany ?». Andriamanitra Ò, Andriamanitra Ò, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao». Teo am-pahitana izany fisafoakan’ ny zavaboary tamin’ ny Mpamonjy izany dia nisy feo niantsoantso hoe : «Mianjera Aminy ny famalian’ ny lanitra. Mianjady Aminy ny fahatezeran’ Andriamanitra satria nihambo ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra Izy. Maro tamin’ ireo izay nino Azy no very fanantenana raha nandre ny antsoantsony feno famoizam-po. Raha nahafoy an’ i Jesosy Andriamanitra, amin’ iza indray izao no azon’ ireto mpianatra ireto hiantorahana ? Rehefa nisinda ny haizina izay nampahory ny fanahin’ i Jesosy dia tsaroany indray ny fangirifiriana ara-nofo nahazo Azy ary hoy Izy : «Mangetaheta Aho». Miaramila romana iray, tohina ary nangoraka raha nahita ny molony maina, no nandray sipaonjy ary rehefa natsobony tamin’ ny vinaingitra izany dia notohizany tamin’ ny volotara ka natohony hotsentsefin’ i Jesosy. Fa ny mpisorona kosa tsy mba niraharaha ny fialany aina. Nahatsiaro tahotra sy horohoro tokoa izy ireo raha nanarona ny tany ny haizina ; rehefa nisinda anefa izany dia nanitsy ny fiheverany indray izy, tsy hatahotra fa tsy ho afa-miala eo anatrehany akory Jesosy. Diso ny fiheverany ilay tenin’ i Jesosy hoe : «Ely, Ely, lamà sabaktany ?» Naneso Azy izy dia nanao hoe : «Miantso an’ i Elia Ilehio». Nataony tsinontsinona ilay fotoana farany azony nararaotina mba hanamaivana ny fahoriany, ary dia mbola nampiany hoe : «Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia na tsia». IFM 813.4
Nihantona teo amin’ ilay hazo mitanambokovoko ny Zanak’ Andriamanitra madio sy tsy manan-tsiny, rotidrotiky ny kapoka ny nofony ; ireo tanany izay nitsotra mandrakariva mba hitahy dia voafantsika teo amin’ ny hazo. Ireo tongony izay tsy nety sasatra tamin’ ny fanompoam-pitiavana, dia voafantsika toy izany koa; voatrabatrabaky ny satro-tsilo ilay loha mendrika mpanjaka ; ireo molony nangovitra dia nandefa antso feno fangirifiriana. Izay rehetra niaretany, - ny ra nitete avy eo amin’ ny lohany, sy ny tanany ary ny tongony, ny fialan’ aina izay nampihovitrovitra ny tenany, ny tebiteby tsy hay lazaina izay nameno ny fanahiny rehefa nafenin’ ny Ray Azy ny tavany, - ireny rehetra ireny dia miteny amin’ ny zanak’ olombelona tsirairay fa : Ho anao no naneken’ ny Zanak’ Andriamanitra hitondra io enta-mavesatry ny fahadisoana io; ho anao no namaboiny ny fahafatesana sy namohany ny varavaran’ ny paradisa. Ilay nampitsahatra ny fisafoaky ny onjan-dranomasina ary nandeha teo ambonin’ ny alon-drano, Ilay nampangovitra ny devoly sy nampandositra ny aretina, Ilay nampahiratra ny jamba sy nanangana ny maty, — dia nanolo-tena ho faty teo an-kazo fijaliana noho ny fitiavany anao. Nivesatra ny fahotana Izy, niaritra ny fahatezeran’ ny fahamarinan’ Andriamanitra Izy ; natao ota mihitsy Izy noho ianao. IFM 814.1
Niandry tamim-pahanginana tokoa ny fiafaran’ izao fisehoanjavatra mampangitakitaka izao ny mpanatrika. Namirapiratra ny masoandro, fa ny hazo fijaliana kosa dia mbola rakotry ny haizina. Nijery nanandrify an’ i Jerosalema ny mpisorona sy ny mpanapaka, ary indro rahona matevina no mitatao eo ambonin’ ilay tanàna sy ny tany lemak’ i Jodia. Ny Masoandron’ ny Fahamarinana, ny Fahazavan’ izao tontolo izao dia nampiala ny tara-pahazavany tsy ho eo Jerosalema intsony, ilay tanàna nahazo tombon-tsoa fahiny. Nianjera amin’ ity rehivohitra izay efa voaheloka ho amin’ ny faharavana ny firehitry ny fahatezeran’ Andriamanitra. IFM 815.1
Nisava tampoka teo ny haizina izay nanarona ny hazo fijaliana ary niantso tamin’ ny feo mazava sy manakoako Jesosy : «Vita»» Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko». Nisy fahazavana nanodidina ny hazo fijaliana ary namirapiratra toy ny famirapiratry ny masoandro ny endriky ny Mpamonjy. Dia nanondrika ny lohany Izy ary afaka ny ainy. IFM 815.2
Nosotroin’ i Jesosy hatramin’ ny farany ny kapoakan’ ny hazo fijalian’ ny taranak’ olombelona. Nandritra ireo ora mampivarahontsana ireo, dia niankina tamim-pinoana tamin’ Ilay nankatoaviny tamim-pifaliana Izy ary fantany ny fahamarinany, ny famindrampo ary ny fitiavan-dehibe ananany. Tamin’ ny fotoana niankinany tamin’ Andriamanitra tamin’ ny fanoavana tanteraka dia nitsahatra tao Aminy ny fiheverana ho tsy mahazo ny fankasitrahan’ Andriamanitra. Nandresy tamin’ ny alalan’ ny finoana Kristy. IFM 815.3
Na oviana na oviana dia mbola tsy nanatrika tarehin-javatra toy izao ny tany. Tsy nahahetsika ny vahoaka nibanjina ny Mpamonjy. Niverina indray ny haizina; injay re mirefodrefotra ny kotrobaratra, ary nihorohoro mafy ny tany. Nifanosika ny vahoaka. Nisy fifanaritahana sy fifanjevoana mbola tsy fahita niseho teo. Niendaka avy teny amin’ ny tendrombohitra manodidina ny vatolampy ary nikodiadia sy nifandona mafy nankeny amin’ ny tany lemaka. Nivoha ny fasana ary voatsipy teny ivelany ny faty izay nalevina tao. Toa efa saika potika sy mongomongo ny zavaboary. Lavo niankohoka tamin’ ny tany ary tsy nahateny noho ny tahotra ny mpisorona sy ny mpanapaka, ny miaramaila, ary ireo olon-doza mpamono ny voaheloka sy ny vahoaka rehetra. IFM 815.4
Raha nivoaka avy teo amin’ ny molotr’ i Kristy ilay antso mafy hoe «Vita» dia nisy mpisorona nanao fisoronana indrindra tao amin’ ny tempoly. Fotoanan’ ny fanatitra hariva tamin’ izay. Ndeha hovonoina indrindra ilay zanak’ ondry mampiseho an’ i Kristy. Nifantoka teny amin’ ny mpisorona mihaingo fatratra amin’ ny fitafiany marevaka, mifono hevi-dalina, mitana antsy, vonona toa an’ i Abrahama hamono ny zanany, ny mason’ ny olona rehetra nanatrika teo. Indro anefa fa nangovitra ny tany satria manakaiky ny Mpamonjy. Triatra hatreny ambony ka hatratỳ ambany, toy ny nisy tanana tsy hita maso nandrovitra azy, ny voaly nampisaraka ny efitra afovoan’ ny tempoly, ary tafiditra tany amin’ ny fitoerana izay feno ny fanatrehan’ Andriamanitra fahiny ny fijerin’ ny vahoaka. Tao no nampisehoan’ Andriamanitra ny voninahiny teo ambonin’ ny fiaran’ ny fanekena. Tsy misy olona na iza na iza, afa-tsy ny mpisoronabe ihany, mahazo manainga ny voaly izay mampisaraka io fitoerana io amin’ ny efitra sisa rehetra. Izy irery no niditra ao indray mandeha isan-taona mba hanao fanatitra ho an’ ny fahotan’ ny firenena. Nefa indro fa mizara roa ny voaly. Tsy nanana ny hasiny intsony ny fitoerana masina indrindra teto an-tany. IFM 816.1
Tahotra sy fikorontanana no nanjaka teny rehetra teny. Latsaka teny an-tanan’ ny mpisorona saika hamono fanatitra ny antsy, ary ny zanak’ ondry lasa nandositra. Tanteraka tao amin’ ny fahafatesan’ i Kristy ny tandindona. Vita ny fanati-dehibe. Misokatra ny lalana mankao amin’ ny efitra masina indrindra. Misy lalana vaovao sady velona voaomana ho an’ ny olona rehetra. Tsy ilain’ izao tontolo izao meloka sy mijaly intsony ny miandry ny fiavian’ ny mpisorona lehibe. Hatramin’ io fotoana io, ny Mpamonjy dia tsy maintsy manao fisoronana any an-danitry ny lanitra amin’ ny maha-Mpisorona sy Mpisolovava Azy. Voalaza fa toa nisy feo velona niteny tamin’ ireo mpivavaka : Nifarana ny fanatitra rehetra noho ny ota. Tonga ny Zanak’ Andriamanitra araka ny teniny manao hoe: «Inty Aho tonga ... Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô». «Ary tsy mba nitondra ran’ osilahy sy ran-janak’ omby Izy, fa ny ran’ ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay»8Heb. 10 : 7 ; 9 : 12. IFM 816.2