Tsy natolotr’ i Kristy ny ainy raha tsy vitany ny asa izay nahatongavany : ka raha niala ny. fofon’ ainy dia niantso Izy hoe : «Vita»1Jao. 19 : 30. Azo ny fandresena. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena. Natsatony teny amin’ ny fitoerana avo mandrakizay ny fanevany amin’ ny maha-Mpanafika mandresy Azy. Moa ve tsy nisy fifaliana teo amin’ ny anjely ? Niara-nihoby ny fandresen’ ny Mpamonjy ny lanitra manontolo. Resy i Satana, ary fantany fa very ny fanjakany. IFM 817.1
Ho an’ ny anjely sy ho an’ ireo izao tontolo izao tsy lavo dia nisy heviny lalina ny antsoantso hoe : «Vita». Ho azy, toy ny ho antsika koa, dia nilaza izany fa tanteraka ny asa lehibe fanavotana. Nandray anjara niaraka tamintsika tamin’ ny vokatry ny fandresen’ i Kristy izy. IFM 817.2
Raha tsy teo amin’ ny fahafatesan’ i Kristy dia tsy niseho mazava tamin’ ny anjely na tamin’ ireo izao tontolo izao tsy lavo ny toetra amam-panahin’ i Satana. Nanafy ny tenany tamin’ ny fitaka ilay lohan’ ny mpihemotra ka na dia ireo masina aza tsy nahazo ny foto-kevitra narosony. Tsy hitan’ izy ireo mazava ny toetry ny fikomiany. IFM 817.3
Feno hery sy voninahitra mahagaga izy fony nanohitra an’ Andriamanitra. Izao no lazain’ ny Tompo momba an’ i Losifera : «Ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy»2Ezeh. 28 : 12. Losifera no kerobima manaloka. Nijoro teo amin’ ny fahazavan’ ny fanatrehan’ Andriamanitra izy. Izy no ambony indrindra tamin’ ny voary rehetra ary izy no voalohany tamin’ ny fanehoana ireo fikasan’ Andriamanitra tamin izao tontolo izao. Rehefa nanota izy. dia namitaka indrindra ny hery mamitaka nananany ka sarotra ny manala sarona ny toetra amampanahiny, noho ny toerana ambony notazoniny teo amin’ ny Ray. IFM 817.4
Azon’ Andriamanitra natao mora foana ny namongotra an’ i Satana sy ireo niray saina taminy toy ny fanariana vato kilonjy eo amin’ ny tany ; nefa tsy nataony izany. Tsy ny hery no handresena ny fikomiana. Ny fahefana manery dia tsy hita raha tsy ao amin’ ny fitondram-panjakan’ i Satana. Tsy mifanaraka amin’ izany ireo foto-kevitr’ i Jehovah. Miankina amin’ ny fahalemem-panahy, ny famindrampo sy ny fitiavana ny fahefany ; ary ny fanehoana ireo foto-kevitra ireo no fomba ampiasaina. Ara-panahy ny fitondrampanjakan’ Andriamanitra ary ny fahamarinana sy ny fitiavana no hery manjaka amin’ izany. IFM 818.1
Fikasan’ Andriamanitra ny hampitoetra ny zavatra rehetra eo amin’ ny fototra azo antoka mandrakizay, ary tapaka tany amin’ ny filan-kevitra tany an-danitra fa homena fotoana i Satana hampivelatra ireo foto-kevitra hiorenan’ ny fomba fitondram-panjakany. Nilaza izy fa ambony noho ny foto-kevitr’ Andriamanitra izany. Nomena ny fotoana hiasan’ ireo foto-kevitr’ i Satana, mba ho hitan’ izao rehetra izao any an-danitra ireny. IFM 818.2
Notarihin’ i Satana ny olona ho eo amin’ ny fahotana, koa dia notanterahina ny drafitry ny fanavotana. Efatra arivo taona izay Kristy no niasa hanandratra ny olona, ary i Satana kosa niasa handevona sy hampitotongana azy. Ary nibanjina izany izao rehetra izao any an-danitra. IFM 818.3
Rehefa tonga teto amin’ izao tontolo izao Jesosy, dia nifototra taminy ny fahatezeran’ i Satana. Hatramin’ ny fotoana nisehoany ho zazakely tany Betlehema, dia niasa handevona Azy ilay mpandroba fahefana. Tamin’ ny fomba rehetra no nitadiavany izay fomba rehetra hanakanana an’ i Jesosy tsy hivelatra amin’ ny fahazavana tanteraka, amin’ ny toetra maha-lehilahy lehibe tsy misy tsiny, amin’ ny asa masina, ary sorona tsy misy pentimpentina. Nefa resy izy. Tsy voatariny hanota Jesosy. Tsy azony natao ny nampahakivy Azy, na nitarika Azy hiala amin’ ny asa nahatongavany atao teto an-tany. Hatrany an-efitra ka hatrany Kalvary, dia nifofofofo teo Aminy ny tafiotry ny fahatezeran’ i Satana, nefa arakaraka ny nianjadian ', izany tsy nisy indrafo, dia arakaraka izany no nifikiran’ ny Zanak’ Andriamanitra mafimafy kokoa tamin’ ny tanan’ ny rainy, sy nandrosoany teo amin’ ilay lalana voapentin-dra. Ny fiezahana rehetra nataon’ i Satana hampihorohoro sy handresy Azy, dia vao mainka nampiseho tamin’ ny fahazavana madio kokoa ny toetra amampanahiny tsy misy pentina. IFM 818.4
Vavolombelon’ ny ady ny lanitra manontolo sy ireo izao tontolo izao tsy nanota. Liana nanao ahoana izy ireo nanaraka ireo toejavatra farany teo amin’ ny ady ! Nibanjina ny Mpamonjy izy ireo raha niditra ny sahan’ i Getsemane Izy, raha niondrika ny fanahiny noho ny horohoron’ ny haizim-be. Reny ny antsony feno fangidiana hoe : «Ray ô, raha azo atao, dia aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity»3Mat. 26 : 39. Raha niala ny fanatrehan’ ny Ray, dia hitany Izy feno alahelo avy amin’ ny ngidin’ alahelo mafy lavitra noho ny ady farany lehibe indrindra amin’ ny fahafatesana. Nivoaka ny mason-kodiny ny dinitra ra, ka nitete tamin’ ny tany. Intelo no nientana teo amin’ ny molony ny fivavahana mitady fanafahana. Tsy zakan’ ny lanitra intsony ny nijery izany, ka nisy iraka nalefa hampahery ny Zanak’ Andria-manitra. IFM 819.1
Ny lanitra dia nibanjina Ilay Hovonoina nisy namadika ka voaray teo am-pelatanan’ ny vahoaka misafoaka sy lian-dra, ary nidodododo avy amin’ ny fitsarana iray ho any amin’ ny anankiray narahin’ ny fanarabiana sy ny herisetra. Reny ny esoeso ataon’ ireo mpanenjika Azy noho Izy teraka tamin’ ny fomba ambany. Reny ny fandavana narahin’ ozona sy fianianana nataon’ ny anankiray tamin’ ny mpianany tiany indrindra. Hitany ny fahaviniran’ i Satana teo amin’ ny asany sy ny heriny amin’ ny fon’ ny olombelona. Toe-javatra mampihorohoro ! Ny Mpamonjy nosamborina misasak’ alina tany Getsemane ; notaritarihina hatraiza hatraiza avy amin’ ny lapa ho any anati-rova, naseho indroa teo anatrehan’ ny mpisorona, indroa teo anatrehan’ ny Synedriona, indroa teo anatrehan’ i Pilato ary indray mandeha teo anatrehan’ i Heroda, noesoesoina, nokapohina, nohelohina, ary nentina homboana, nitondra ny hazo fijaliana mavesatra, teo afovoan’ ireo zanakavavin’ i Jerosalema nitomany sy ireo raby nanevateva. IFM 819.2
Ny lanitra dia ory sy talanjona nijery an’ i Kristy nihantona teo amin’ ny hazo fijaliana, ny ra niboiboika avy amin’ ny fihirifany maratra, ary ny dinitra miharo ra manarona ny handriny. Avy amin’ ny tanany sy ny tongony dia mitete sy mitete ihany ny ra, ka milatsaka eo amin’ ny vato noloahana izay itoeran’ ny hazo fijaliana. Nidanadana ny ratra nataon’ ny fantsika raha nitambesatra tamin’ ny tanany ny lanjan’ ny tenany. Nihahaingana sy nihalalina ny fisefony efa reraka, raha nihanahana ny fanahiny novesaran’ ny fahotan’ izao tontolo izao. Feno hagagana ny lanitra manontolo rehefa natolotr’ i Kristy teo anivon’ ny fijaliany mampivarahontsana ny fivavahana nanao hoe : «Ray ô, mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony»4Lio. 23 ; 34. Indreo anefa misy olona mijoro, natao araka ny endrik’ Andriamanitra, miara-manorotoro ny ain’ ny Zanani-lahy Tokana. Fahitana manao ahoana izany ho an’ izao rehetra izao any an-danitra ! IFM 819.3
Nitangorona nanodidina ny hazo fijaliana ireo fanapahana sy ireo herin’ ny maizina, nandefa aloky ny helo mitondra tsy finoana tao am-pon’ ny olona. Fony noforonin’ i Jehovah izy ireo hijoro eo anatrehan’ ny seza fiandrianany, dia tsara tarehy sy be voninahitra. Nifandrindra tamin’ ny toerana ambony nisy azy ny toetrany mahate ho tia sy masina. Nampanankarena azy ny fahendren’ Andriamanitra, ary notafian’ ny fiarovan’ ny lanitra izy. Mpanompon’ i Jehovah izy ireo. Nefa iza no hahafantatra fa ireo anjely lavo ireo dia ireo serafima be voninahitra izay nanompo tany amin’ ny lapan’ ny lanitra fahiny ? IFM 820.1
Niray hina tamin’ ny olona ratsy fanahy ireo anjelin’ i Satana hitarika ny vahoaka hino fa Kristy no lehiben’ ny mpanota ka hahatonga Azy ho fankahalana. Ireo izay nanesoeso an’ i Kristy raha nihantona teo amin’ ny hazo fijaliana Izy, dia vonton’ ny toe-tsain’ ilay lohan’ ny mpikomy lehibe. Satana no nameno fitenenana maloto sy maharikoriko azy ireo. Izy no nanoro azy ny fanivaivana nataony. Nefa tsy nahazoany na inona na inona izany. Raha nisy fahotana iray nety ho hita teo amin’ i Kristy, raha nilefitra tamin’ i Satana tamin’ ny zavatra tokana Izy handosirany ny fampijaliana mampivarahontsana, dia ho nandresy ny fahavalon’ Andriamanitra sy ny olona. Nanondrika ny lohany Kristy dia maty, nefa nofikiriny mafy ny finoany sy ny fileferany tamin’ Andriamanitra. «Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe : Ankehitriny dia tonga ‘ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’ Andriamanitsika, ary ny fahefan’ i Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga azy eo anatrehan’ Andriamanitsika andro aman’ alina»5Apok. 12 : 10. IFM 820.2
Hitan’ i Satana fa afaka ny nanaronany ny fitaka nataony. Mivelatra mivandravandra eo anatrehan’ ireo anjely tsy nanota sy eo anatrehan’ izao rehetra izao any an-danitra ny fomba fitondrany. Tamin’ ny nandatsahany ny ran’ ny Zanak’ Andriamanitra, dia nanongotra ny tenany tsy ho tian’ ireo mponina any an-danitra intsony izy. Hatramin’ izay dia voafetra ny asany. Na inona na inona fihantsiany, dia tsy ho azony hatao intsony ny hiandry ireo anjely raha avy any amin’ ny lapan’ ny lanitra ireo, ary hanameloka ny rahalahin’ i Kristy eo anatrehany, izay lazainy fa mitafy ny fitafian’ ny fahamaizinana sy ny loton’ ny fahotana. Tapaka ny fatorana farany nampiray fo an’ i Satana sy izao tontolo izao any an-danitra. IFM 821.1
Nefa tsy mbola naringana i Satana tamin’ izay. Na dia ny anjely aza tamin’ izay, dia tsy nahatakatra ny amin’ izay rehetra mety ho voafaoka ao anatin’ ity ady lehibe ity. Tsy maintsy naseho tamin’ ny fomba feno kokoa ireo foto-kevitra nifanandrina. Ary noho ny amin’ ny olombelona, dia tsy maintsy mbola hitohy ny fisian’ i Satana. Tsy maintsy ho hitan’ ny olona ary tahaka izany koa ny anjely, ny fahasamihafana misy amin’ ny Andrianan’ ny Mazava sy ny andrianan’ ny maizina. Tsy maintsy mifidy izay hotompoiny izy. IFM 821.2
Fony nanomboka ilay ady lehibe, dia nanambara i Satana fa tsy azo ankatoavina ny lalàn’ Andriamanitra, fa tsy misy ifandraisana amin’ ny famindrampo ny fahamarinana, ary raha voadika ny lalàna, dia tsy ho azon’ ny mpanota ny ho voavela heloka. Tsy maintsy misy saziny ny fahotana tsirairay hoy i Satana manantitrantitra ; ary raha tahiny Andriamanitra hamela fotsiny ny tambin’ ny ota, dia tsy ho Andriamanitry ny fahamarinana sy ny rariny Izy izany. Nihoby i Satana rehefa nandika ny lalàn’ Andriamanitra ny olona ka nihaika ny sitrapony. Mazava, hoy izy, fa tsy azo ankatoavina ny lalàna ; tsy azo avela heloka koa ny olona. Satria rehefa nikomy izy, dia voaroaka hiala ny lanitra, noho izany dia takiany fa tsy maintsy voasakana mandrakizay tsy ho eo amin’ ny fankasitrahan’ Andriamanitra ny taranak’ olombelona. Tsy azon’ Andriamanitra atao ny ho marina, hoy ny fanantitranterany, nefa sady haneho famindrampo ny mpanota. IFM 821.3
Nefa na dia mpanota aza ny olona dia hafa noho ny an’ i Satana ny toerana nisy azy. Losifera tany an-danitra dia nanota raha teo amin’ ny fahazavan’ ny voninahitr’ Andriamanitra. Tsy nisy voary hafa nomena hahalala ny fitiavan’ Andriamanitra tahaka azy. Nahalala ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra i Satana, nahafantatra ny hatsarany, raha nifidy ny hanaraka ny sitrapony feno fitiavantena sy tsy miankina amin’ Andriamanitra. Fara-tampony io safidy io. Tsy nisy na inona na inona intsony azon’ Andriamanitra natao mba hamonjena azy. Ny olona kosa voafitaka, nohamaizin’ ny fampianaran-dison’ i Satana ny sainy. Tsy fantany ny haavo sy ny halalin’ ny fitiavan’ Andriamanitra. Ho azy dia nisy fanantenana teo amin’ ny fahalalana ny fitiavan’ Andriamanitra. Raha nibanjina ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra izy, dia mety ho voasarika hiverina ho eo amin’ Andriamanitra. IFM 821.4
Tamin’ ny alalan’ i Jesosy, dia naseho tamin’ ny olona ny famindrampon’ Andriamanitra ; nefa tsy nampihataka ny fahamarinana akory ny famindrapo. Mampiseho ireo lafin’ ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra ny lalàna, ary tsy misy azo ovana na dia ny tendron-tsoratra iray aza mba hanala tsiny ny fahalavoan’ ny olona. Tsy novan’ Andriamanitra ny lalàny, fa ny tenany no nataony sorona tao amin’ i Kristy, ho fanavotana ny olona. «Andriamanitra tao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy» 62 Kor. 5 : 19. IFM 822.1
Mitaky fahamarinana ny lalana — fiainana marina, toetra amampanahy tanteraka ; ary tsy manan-komena ny amin’ izany ny olona. Tsy afaka manome fahafaham-po ny fitakian’ ny lalàn’ Andriamanitra masina izy. Nefa raha tonga teo an-tany tamin’ ny maha-olombelona Azy Kristy, dia efa nivelona tamin’ ny fiainana masina, ary efa nahavanona toetra amam-panahy tanteraka. Ireo dia atolony ho fanomezana maimaimpoana ho an’ izay rehetra handray Azy. Ny fiainany no mijoro ho solon’ ny fiainan’ ny olona. Amin’ izany fomba izany dia mahazo famelana ny ota tamin’ ny lasa ny olona, noho ny faharipon’ Andriamanitra. Ary mihoatra noho izany, dia vontosan’ i Kristy amin’ ny toetran’ Andriamanitra ny olona. Manorina ny toetra amam-panahin’ ny olombelona Izy, hanampitoviana amin’ ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra, dia sangan’ asa kanto feno hery sy hatsaran-tarehy ara-panahy. Amin’ izay dia tanteraka mihitsy ao amin’ ny mpino an’ i Kristy ny fahamarinan’ ny lalàna. Azon’ Andriamanitra atao ny «ho marina sy ho mpanamarina izay mino an’ i Jesosy» 7Rom. 3 : 26. IFM 822.2
Efa naseho mazava ny fitiavan’ Andriamanitra teo amin’ ny fahamarinany ary tsy latsaka izany teo amin’ ny famindrampony. Ny rariny no fototry ny seza fiandrianany, sy vokatry ny fitiavany. Fikasan’ i Satana ny nampisaraka ny famindrampo tamin’ ny marina sy ny rariny. Niezahany ny haneho marimarina fa ny fahamarinana sy ny lalàn’ Andriamanitra dia fahavalon’ ny fiadanana. Nefa nasehon’ i Kristy fa tafakambana tsy azo sarahina ireo eo amin’ ny drafitra nataon’ Andriamanitra ; tsy misy ny iray, raha tsy ao ny anankiray. «Mihaona ny famindrampo sy ny fahamarinana ; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana»8Sal. 85 : 11. IFM 822.3
Nasehon’ i Kristy marimarina tamin’ ny fiainany sy tamin’ ny fahafatesany, fa tsy mamono ny famindrampon’ Andriamanitra ny fahamarinany, fa azo atao ny mamela ny fahotana, fa marina ny lalàna ary azo atao ny mankato azy tanteraka. Voatosika ny fiampangan’ i Satana. Nomen’ Andriamanitra ny olona ny fanehoana mazava tsy azo iadian-kevitra momba ny fitiavany. IFM 823.1
Ankehitriny dia fitaka hafa indray no narosony. Nilaza i Satana fa mamono ny fahamarinana ny famindrampo, fa nanafoana ny lalàn’ ny Ray ny fahafatesan’ i Kristy. Raha azo natao ny nanova na nanafoana ny lalàna, dia ho tsy nilain’ i Kristy ny ho faty. Nefa ny fanafoanana ny lalana dia ho nampaharitra mandrakizay ny fandikan-dalàna, ka nametraka an’ izao tontolo izao teo ambanin’ ny fanapahan’ i Satana. Satria tsy azo atao ny nanova ny lalàna, satria tsy azo vonjena ny olona raha tsy amin’ ny fankatoavana ireo foto-kevitra ao, dia izany no antony nanandratana an’ i Jesosy teo amin’ ny hazo fijaliana. Nefa ny fomba indrindra izay nanorenan’ i Kristy ny lalàna no asehon’ i Satana ho nandrava azy. Eo no hahatonga ny ady farany eo amin’ ny fifanoheran’ i Kristy sy Satana. IFM 823.2
Ny lalàna, izay ny feon’ Andriamanitra mihitsy no nilaza azy, no diso hono, misy lafin-javatra navela hono, izany no fitakiana aroson’ i Satana ankehitriny. Io no fitaka lehibe farany hoentiny eo amin’ izao tontolo izao. Tsy ilainy ny mamely ny lalàna manontolo ; raha azony atao ny mitarika ny olona hanamavo ny fitsipika iray, dia tratrany ny zava-kendreny. Satria «na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ ny iray loha, dia meloka amin’ izy rehetra»9JAK. 2 : 10. Ny faneken’ ny olona handika ny lalana iray dia mitondra azy eo ambanin’ ny herin’ i Satana. Mitady hanapaka an’ izao tontolo izao i Satana amin’ ny fanoloana ny lalàn’ Andriamanitra amin’ ny lalàn’ olombelona. Tazan’ ny faminaniana io asany io. Izao no voalaza momba ilay herin’ ny fihemorana lehibe izay solontenan’ i Satana : «Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ ny Avo Indrindra, ary hitady hanova fotoana sy lalàna : Ary hatolotra eny an-tànany ireo» 10Dan. 7 : 25. IFM 823.3
Azo antoka fa hanamboatra ny lalàny ny olona mba hanoherana ny lalàn’ Andriamanitra. Hiezahany izay hanereny ny feon’ ny fieritreretan’ ny hafa, ary noho ny hafanam-pony hanamafy ireny lalàna ireny dia hampahory ny mpiara-belona aminy izy. IFM 824.1
Ny ady atao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra, izay nanomboka tany an-danitra dia hitohy hatramin’ ny faran’ ny andro. Hosedraina ny olona tsirairay. Fankatoavana na tsy fankatoavana. izany no zavatra tsy maintsy hotapahin’ izao tontolo izao manontolo. Hantsoina. ny rehetra hisafidy na ny lalàn’ Andriamanitra na ny lalàn’ ny olombelona. Eo no hamaritana ny faritra fampisarahana. Tsy hisy afa-tsy antokon’ olona roa. Samy ho tonga eo amin’ ny fahafenoany ny toetra amam-panahin’ ny tsirairay ; ary hasehon’ ny rehetra izay nofidiny na ny hiandany amin’ ny fahatokiana amin’ Andriamanitra na amin’ ny fikomiana. IFM 824.2
Dia ho avy ny farany. Harovan’ Andriamanitra ny lalàny ary hanafaka ny vahoakany Izy. Hofongorana i Satana sy izay rehetra nanaraka azy teo amin’ ny fikomiana. Ho ringana ny fahotana sy ny mpanota, ny fakany sy ny sampany 11Mal.3 : 19. Satana no fakany ary ireo mpanaraka azy no sampany. Ho tanteraka ny teny momba ilay andrianan’ ny ratsy, «satria efa nataonao ho toy ny fon’ Andriamanitra ny fonao ; ... ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin’ ny vato mirehitra . . . ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay». «Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy ; handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy». «Ary ho toy ny tsy ary izy» 12Ezek. 28 : 16-19 ; Sal. 37 : 10 ; Oba. 16. IFM 824.3
Tsy fanamparam-pahefana ataon’ Andriamanitra tsy an-drariny tsy akory izany. Mijinja izay nafafiny izao ireo izay nitsipaka ny fahefany. Andriamanitra no loharanon’ ny aina ; ary rehefa misy olona mifidy ny hanompo ny fahotana, dia misaraka amin’ Andria-manitra izy ka manapaka ny tenany tsy hifandray amin’ ny fiainany. Tonga «olon-ko azy amin’ ny fiainan’ Andriamanitra izy». Hoy Kristy : «Izay rehetra mankahala Ahy tia fahafatesana» 13Efes. 4 : 18 ; oha 8 : 36. Omen’ Andriamanitra fotoana iainana izy mba hahazoany mampitombo ny toetra amam-panahiny sy maneho ny foto-kevitra ijoroany. Rehefa vita izany, dia mandray ny vokatry ny safidiny izy. Noho ny fiainampikomiany, Satana sy ireo niray taminy dia mametraka ny tenany eo amin’ ny toerana mifanipaka indrindra amin’ Andriamanitra ka manjary afo mandoro ho azy na dia ny fanatrehan’ Andriamanitra aza. Handringana azy ny voninahitr’ Ilay Fitiavana. IFM 824.4
Tamin’ ny fiantombohan’ ny ady lehibe, dia tsy azon’ ny anjely izany. Raha navela hijinja ny vokatra feno ny fahotany i Satana sy ny tafiny, dia ho faty izy tamin’ izay ; nefa dia tsy ho nazava tamin’ ny mponina tany an-danitra fa izany no tsy maintsy ho vokatry ny fahotana ary tsy azo ihodivirana. Ny fisalasalana iray momba ny fahatsaran’ Andriamanitra dia nety ho nijanona tao an-tsain’ izy ireo ka ho toy ny voa ratsy izay ho nitondra vokatra mahafaty avy amin’ ny fahotana. IFM 825.1
Nefa tsy ho toy izany rehefa hifarana ilay ady lehibe. Amin’ izay, dia ho tanteraka ny drafitry ny fanavotana, haseho amin’ ny voary rehetra manan-tsaina ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Ho hita fa tanteraka sy tsy miova ireo foto-kevitry ny lalàna. Amin’ izay dia ho hita mazava ny toetry ny fahotana, ho fantatra tsara i Satana eo amin’ ny toetra amam-panahiny. Amin’ izay dia hanamarina ny fanafonganana ny fahotana ny fitiavan’ Andriamanitra ka hampitoetra ny voninahiny eo anatrehan’ ireo mponina eo amin’ izao rehetra izao izay tia ny manao ny sitrapony, sy eo amin’ ireo izay mirakitra ny lalàny ao am-pony. IFM 825.2
Eny, tamin’ izay dia afaka niravoravo ny anjely raha nijery ny hazo fijalian’ ny Mpamonjy ; satria na dia tsy nazava taminy aza ny zavatra rehetra tamin’ izay, dia fantany kosa fa azo antoka mandrakizay ny fandravana ny fahotana sy Satana, azo antoka ny fanavotana ny olona, ary ho azo antoka mandrakizay izao rehetra izao. Azon’ i Kristy an-tsaina tanteraka kosa ny ho vokatry ny sorona nataony tao Kalvary. Ireny rehetra rehetra ireny no notazaniny mialoha raha teo amin’ ny hazo fijaliana Izy ka niantsoany tamin’ ny feo mahery hoe : «Vita !» IFM 825.3