Lasa tsimoramora ny alin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro 1Mifototra amin’ny Mat. 28 : 2-4, 11-15 ity toko ity.. Tonga ny ora maizina indrindra, alohan’ ny fiposahan’ ny masoandro. Mbola voahazona tao amin’ ny fasany ety ihany Kristy. Teo amin’ ny toerany ilay vato lehibe ; tsy nivaha ny tombo-kasen’ ny Romana ; teo am-piambenana ny miaramila Romana. Nisy koa mpanara-maso tsy hita maso teo. Nitangorona teo amin’ io toerana io ny tafiky ny anjely ratsy. Raha azony natao. dia ho notazonin’ ny andrianan’ ny maizina sy ny tafiky ny mpihemotra niaraka taminy mandrakizay ny tombo-kase nanidy ny fasana izay nitana ny Zanak’ Andriamanitra. Nisy tafika avy any an-danitra anefa nanodidina ny fasana. Nisy anjely tonga lafatra raha ny heriny niambina ny fasana, ka niandry ny hiarahabana ny Andrianan’ ny Fiainana. «Ary indro nisy horohorontany mafy ; fa nisy anjelin’ ny Tompo nidina avy tany an-danitra». Nitafy ny fiadian’ Andriamanitra rehetra io anjely izay avy tany amin’ ny lapan’ ny lanitra io. Nialoha azy ny tara-pahazavana mamirapiratry ny voninahitr’ Andriamanitra, ka nanazava ny lalany. «Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny orampanala ; ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty». IFM 839.1
Ry mpisorona sy ry mpanapaka, aiza ankehitriny ny herin’ ny mpiambinareo ? - Tahaka ny babo azo tsy manan-tsabatra na lefona ireo miaramila be herim-po izay tsy natahotra na oviana na oviana herin’ olombelona. Tsy endriky ny olombelona mpiady mety maty no endrika natrehiny ; fa endriky ny mahery indrindra ao amin’ ny tafik’ i Jehovah. Io mpitondra hafatra io dia ilay mitana ny toerana nahalavoan’ i Satana. Izy no nanambara ny fahaterahan’ i Kristy teo amin’ ny havoanan’ i Betlehema. Nihovitrovitra ny tany raha nanatona izy, nandositra ny tafiky ny maizina, ary rehefa nakodiany ilay vato, dia toa nidina teto an-tany ny lanitra. Hitan’ ireo miaramila izy nanakodia ny vato toy ny fanesorana vato kely, ary reny izy niantso hoe : Ry Zanak’ Andriamanitra, mivoaha; miantso Anao ny Rainao. Hitany Jesosy nitsangana avy ao am-pasana, ka reny Izy niteny avy teo amin’ ilay fasana triatriatra hoe : «Izaho no fananganana ny maty sy fiainana». Rehefa nivoaka nitafy fiandrianana sy voninahitra Izy, dia niankohoka ambany dia ambany ny tafiky ny anjely nankalaza ny Mpanavotra, ary niarahaba Azy tamin’ ny hira fiderana. IFM 839.2
Nisy horohorontany nanamarika ny ora nanoloran’ i Kristy ny ainy, ary nisy horohorontany koa vavolombelon’ ny fotoana nandraisany Azy tamim-pandresena. Ilay naharesy ny fahafatesana sy ny fasana no indro mivoaka avy ao, mamindra toy ny mpanafika mandresy, eo anivon’ ny fihovitrovitry ny tany, ny fanjelanjelatry ny tselatra, sy ny firefodrefotry ny kotroka. Rehefa hiverina eto an-tany Izy, dia «tsy ny tany ihany no hampihorohoroiny, fa ny lanitra koa»2Heb. 12 : 26. «Hivembena dia hivembena tahaka ny mamo ny tany ka hitsingevaheva toy ny fandriana mihantona». «Ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy». «Ary ho levon’ ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay ao aminy». «Fa Jehovah no fialofan’ ny olony sy fiarovana mafy ho an’ ny Zanak’ Isiraely»3Isa. 24 : 20 34 : 4 ; 2pet. 3 : 10 ; Joe. 3 : 16. IFM 840.1
Nahita ny tany rakotry ny haizina tamin’ ny mitataovovonana ny miaramila tamin’ ny nahafatesan’ i Jesosy ; tamin’ ny nitsanganany, dia nahita ny famirapiratan’ ny anjely nanazava ny alina, sy nandre ny mponin’ ny lanitra nanao hira nitory fifaliam-be sy fandresena : «Efa naharesy an’ i Satana sy ny herin’ ny maizina Ianao ; efa nitelina ny fahafatesana Ianao ka nandresy azy». IFM 840.2
Nomem-boninahitra nivoaka ny fasana Kristy ; ary nibanjina Azy ny miaramila Romana mpiambina. Nifantoka tamin’ ny tavan’ Ilay vao nihomehezany sy noharabiany vao haingana teo ny fijeriny, dia Ilay mpifatotra hitany teo amin’ ny efitra fitsarana no nibanjininy teo amin’ ity tena nomem-boninahitra ity, ary Day nandrariany satro-tsilo. Io Day nijoro teo anatrehan’ i Pilato sy Heroda ary tsy nanohitra na dia kely aza, ny tenany rotidrotiky ny kapoka tsy mifaditrovana, Io Ilay nofantsihina teo amin’ ny hazo fijaliana. Izy no nampihotakotaka ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka, ka nitenenan’ ireo tamin-kafanam-po tanteraka hoe : «Ny sasany novonjeny ; fa ny tenany tsy hainy vonjena» 4Mat.27 : 42. Io Day napetraka tao amin’ ny fasam-baon’ i Josefa. Namaha ny mpifatotra ny didy navoakan’ ny lanitra. Na dia nisy tendrombohitra nifanongoa niavosa aza teo amin’ ny fasana, dia tsy ho nahasakana Azy hivoaka avy ao izany. IFM 840.3
Lavo ka nanjary toy ny maty ny miaramila Romana mpiambina teo anatrehan’ ny anjely sy ny Mpamonjy nomem-boninahitra. Rehefa takona tsy teo imasony intsony ireto mpanotrona avy tany an-danitra, izay vao tafarina izy ka nitsangana nankeny am-bavahadin’ ny saha haingana araka izay azon’ ny tongony nipararetra natao. Nivembena tahaka ny olona mamo izy niolomay ho any an-tanàna nilaza ny vaovao mahagaga tamin’ izay nifanena taminy. Nizotra ho any amin’ i Pilato izy, nefa efa nisy nitondra tany amin’ ny manam-pahefana Jiosy ny tatitra nataony, ka nampiantso azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ho eo anatrehany aloha. Hafahafa ny fisehon’ izy ireo. Nangovitry ny tahotra izy, ny endriny hatsatra, raha nijoro ho vavolombelon’ ny nitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty. Nambaran’ ny miaramila ny zavatra rehetra araka izay hitany tokoa ; tsy nanampotoana hiheverana na hilazana afa-tsy ny marina izy. Nananosarotra izy raha nilaza hoe : Zanak’ Andriamanitra Day nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana ; nisy anjely renay nilaza Azy ho Andrianan’ ny lanitra, Mpanjakan’ ny voninahitra. IFM 841.1
Tahaka ny an’ ny maty ny tavan’ ny mpisorona. Niezaka ny hiteny i Kaiafa. Nihetsika ny molony, nefa tsy nahaloa-peo. Efa hivoaka ny efitrano fivoriana ny miaramila, no nisy feo nampijanona azy. Nahateny ihany i Kaiafa nony farany. Andraso, andraso, hoy izy. Aza lazaina na amin’ iza na amin’ iza ny zavatra efa hitanareo. IFM 841.2
Dia nomena tatitra lainga ny miaramila. «Lazao hoe, hoy ny mpisorona, ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay». Namita-tena ny mpisorona eto. Ahoana no hilazan’ ny miaramila fa nangalarin’ ny mpianatra ny faty raha natory izy ? Raha natory ary izy. ahoana no ahafantarany izany ? Ary raha voaporofo fa meloka ny mpianatra tamin’ ny nangalarany ny fatin i Kristy, tsy ny mpisorona ve no tokony hanameloka azy voalohany ? Na koa, raha natory teo amin’ ny fasana ny mpiambina. moa ve tsy ny mpisorona no ho voalohany hihazakazaka hiampanga azy teo amin i Pilato ? IFM 841.3
Tsiravina ny miaramila raha nieritreritra fa niampanga tena ho natory teo amin’ ny toerana nametrahana azy izy. Mendrika ny fanamelohana ho faty izany fahadisoana izany. Tokony hanao vavolombelona sandoka ve izy, ka hamitaka ny vahoaka sady hampidi-doza ny ainy ? Moa ve tsy nanatanteraka ny fiambenana mahasasatra nampanaovina azy izy ka tsy niambina fatratra sady tsy natory ? Ahoana no ahazoany mijoro amin’ ny fitsarana, na dia noho ny vola aza, raha nanozona ny tenany ihany izy ? IFM 842.1
Mba hampangina ireto vavolombelona natahorany, dia nampanantena ny mpisorona fa ho azo antoka ny amin’ ny mpiambina, ka nilaza izy fa tsy tian’ i Pilato ny iparitahan’ ny tatitra toy izany tahaka azy ireo koa. Namidin’ ny miramila Romana vola tamin’ ny Jiosy ny fahamarinan-toetrany. Tonga teo anatrehan’ ny mpisorona izy ireo nivesatra ny hafatry ny fahamarinana manaitra indrindra ; nivoaka avy tao indray izy novesarana vola. ary teo amin’ ny molony ny tatitra mandainga izay efa norafidrafetan’ ny mpisorona ho azy. IFM 842.2
Na dia izany aza dia tonga tany amin’ i Pilato ny tatitra momba ny nitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty. Na dia tompon’ andraikitra aza i Pilato tamin’ ny nanolorany an’ i Kristy ho faty, dia azo lazaina fa tsy mikasika azy firy izany. Tsy araka ny nahim-pony no nanamelohany ny Mpamonjy, ary nisy fangorahana aza tao aminy : hatramin’ izao anefa dia tsy nahatsapa fanenenana marina izy. Taorian’ izany vaovao izany dia raiki-tahotra izy ka nihidy aman-trano, ary nanapakevitra ny tsy hahita na iza na iza. Nitady lalana ho eo anatrehany anefa ny mpisorona, ka nilaza ny tantara noforoniny. sy namporisika azy tsy hijery an-tsirambina teo amin’ ny andraikiny. Alohan’ ny nanekeny izany. dia izy tenany mihitsy no nanontany manokana ny mpiambina. Natahotra ny amin’ ny ainy izy ireo ka tsy sahy nanafina na inona na inona. ka tamin’ izy ireo no nandraisan’ i Pilato tatitra momba izay rehetra nitranga. Tsy narahiny iavidavitra kokoa ny momba izany. saingy tsy nanana fiadanan-tsaina intsony izy hatramin’ io fotoana io. IFM 842.3
Nihoby i Satana raha napetraka tao am-pasana Jesosy. Sahy nanantena izy fa tsy ho velona intsony ny Mpamonjy. Nitaky ny fatin’ ny Tompo izy ka napetrany manodidina ny fasana ny mpiambiny, niezaka ny hitana an’ i Kristy ho mpigadra. Romotry ny hatezerana izy rehefa nandositra tamin’ ny fahakaikezan’ ny mpitondra hafatra avy any an-danitra ny anjeliny. Rehefa nahita an’ i Kristy nivoaka tamim-pandresena izy dia fantany fa hisy fiafarana ny fanjakany, ary tsy maintsy ho faty izy amin’ ny farany. IFM 843.1
Raha nampamono an’ i Kristy ny mpisorona. dia nametraka ny tenany ho fiasan’ i Satana izy. Teo ambany fahefany manontolo izy izao. Voatana tao amin’ ny fandrika izay tsy nahitany fomba hialana izy afa-tsy amin’ ny fanohizana hatrany ny ady atao amin’ i Kristy. Rehefa reny ny tatitra momba ny nitsanganany tamin’ ny maty, dia natahotra ny fahatezeran’ ny vahoaka izy. Tsapany fa ny ainy mihitsy no notandindomin-doza. Ny hany fanantenana ho azy dia manaporofo fa mpamita-bahoaka Kristy amin’ ny fandavana ny nitsanganany tamin’ ny maty. Novidiny vola ny miaramila ary nataony azo antoka fa hangina i Pilato. Naparitany ombieny ombieny ny tatitra lainga nataony. Nisy anefa vavolombelona izay tsy azony nampanginina. Maro no nandre ny vavolombelona nataon’ ny miaramila ny amin’ ny nitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty. Nisy koa ireo maty izay niara-natsangana tamin’ i Kristy niseho tamin’ ny olona maro, ka nanambara fa efa nitsangana Izy. Nentina teo amin’ ny mpisorona ny tatitra nataon’ ny olona nahita ireo izay natsangana tamin’ ny maty sy nahare ny filazany. Raiki-tahotra lalandava ny mpisorona. sao hifanatri-tava amin’ i Kristy, raha mandeha eny andalambe, na samirery ao an-tokantrano. Tsapany fa tsy nisy antoka ho azy n’ aiza n’ aiza. Fiarovana ho azy amin’ ny Zanak’ Andriamanitra ny karetsaka sy ny tsivalan-kazo. Teo anatrehany andro aman’ alina ilay toe-javatra feno haiozana tao amin’ ny efitra fitsarana rehefa niantsoantso izy hoe : «Aoka ny rany ho aminay sy ny zanakay» 5Mat. 27 : 25. Tsy hanjavona mihitsy intsony ao an-tsainy ny fahatsiarovana an’ iny toe-javatra iny. Tsy hisy torimasom-piadanana intsony ho hitany eo am-pandriany. IFM 843.2
Rehefa re ny feon’ ilay anjely mahery teo amin’ ny fasan’ i Kristy manao hoe : «Miantso Anao ny Rainao», dia nivoaka ny fasana ny Mpamonjy noho ny aina izay efa tao Aminy rahateo. Noporofoiny izao ny fahamarinan’ ny teniny hoe: «Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray . . . Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray». Tanteraka izao ny faminaniana efa nolazainy tamin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka hoe : «Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy»6Jao. 10 : 17, 18 ; 2 : 19. IFM 843.3
Teo ambonin’ ny fasan’ i Josefa, nisokatra no nanambaran’ i Kristy tamim-pandresena hoe : «Izaho no fananganana ny maty sy fiainana». Izay Andriamanitra ihany no afaka hanao izany teny izany. Ny manan’ aina rehetra dia velona noho ny sitrapo sy ny herin’ Andriamanitra. Mandray ny ain’ Andriamanitra izy ary miankina amin’ izany. Hatramin’ ny serafima ambony indrindra ka hatramin’ ny manan’ aina ambany indrindra, dia samy fenoina avy amin’ Ilay Loharanon’ aina avokoa. Ilay Iray amin’ Andriamanitra ihany no afaka hiteny hoe : «Manana fahefana hanolotra ny aiko, ary manana fahefana haka azy indray Aho». Teo amin’ ny maha-Andriamanitra Azy Kristy dia nanana ny hery hanapahana ny fatoran’ ny fahafatesana. IFM 844.1
Nitsangana tamin’ ny maty Kristy ho voaloham-bokatra eo amin’ ireo izay matory. Izy no asehon’ ny salohim-bary nahevaheva tao amin’ ny tempoly, ary tamin’ ny andro indrindra nitondrana ny salohim-bary teo anatrehan’ ny Tompo no nitsanganany tamin’ ny maty. Nandritra ny arivo taona mahery no nanatanterahina io fanompoam-pivavahana ara-tandindona io. Nangonina avy tany antsaha ny salohim-bary masaka ary rehefa niakatra ho any Jerosalema ny olona hamonjy ny Paska, dia nahevaheva ho fanati-pisaorana teo anatrehan’ ny Tompo ny salohim-barin’ ny voaloham-bokatra. Raha tsy naseho izany dia tsy azo nojinjaina ny vary ka nangonina ho amboara. Mampiseho ny vokatra ny amboara natokana ho an’ Andriamanitra. Toy izany koa Kristy voaloham-bokatra izay mampiseho ny vokatra ara-panahy lehibe izay hangonina ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Ohatra ny antoky ny fitsanganan’ ny olomarina rehetra maty ny nitsanganany tamin’ ny maty. «Fa raha inoantsika’ fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’ Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’ i Jesosy hiaraka Aminy» 71 Tes. 4 : 14;. IFM 844.2
Rehefa nitsangana Kristy, dia nitondra babo maro be avy tany amin’ ny fasana Izy. Nampisokatra ny fasan’ izy ireo ny horohorontany ka namoha azy, ary rehefa nitsangana Izy, dia niara-nitsangana taminy koa ireo niara-niasa tamin’ Andriamanitra ireo. Niara-niasa tamin’ Andriamanitra izy ireo. ary nijoro ho vavolombelon’ ny fahamarinana na dia nihatra tamin’ ny ainy aza izany. Izao izy ireo dia vavolombelona ho an’ Ilay nanangana azy tamin’ ny maty. IFM 844.3
Efa nanangana ny maty Jesosy nandritra ny fotoana nanompoany. Nanangana ny zanak’ ilay mpitondratena tao Naina Izy, sy ny zanakavavin’ ilay mpanapaka ary i Lazarosy. Tsy notafiany tsy fahafatesana anefa ireo. Rehefa natsangana izy dia mbola tao ambanin’ ny herin’ ny fahafatesana ihany. Ireo izay nivoaka ny fasana tamin’ ny nitsanganan’ i Kristy kosa, dia nitsangana ho amin’ ny fiainana mandrakizay. Niara-niakatra taminy Izy toy ny mari-pandresena azony tamin’ ny nandreseny ny fahafatesana sy ny fasana. Tsy babon’ i Satana intsony ireo hoy Kristy, nanavotra azy Aho. Nitondra azy avy ao am-pasana Aho ho voaloham-bokatry ny heriko, hiaraka Amiko any amin’ izay itoerako izy, ary tsy hahita intsony ny fahafatesana na hanandrana ny fàhoriana. IFM 845.1
Nankany an-tanàna ireo ka niseho tamin’ ny maro, nanambara hoe : Nitsangana tamin’ ny maty Kristy ary natsangana niaraka taminy izahay. Toy izany no nampaharetana ho mandrakizay ny fahamarinana masina momba ny fitsanganana amin’ ny maty. Nijoro ho vavolombelon’ ny fahamarinan’ izao teny izao ireo olona masina natsangana tamin’ ny maty. Ho velona indray ny olona izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana. Ny fitsanganan’ izy ireo dia fanehoana ny fahatanterahan’ ny faminaniana manao hoe : «Mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka ; fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty»8Isa. 26 : 19. IFM 845.2
Ho an’ ny mino, dia fitsanganana amin’ ny maty sy fiainana Kristy. Tafaverina ao amin’ ny Mpamonjintsika ny fiainana izay very noho ny fahotana ; manana fiainana ao Aminy Izy mba hamelomana izay tiany. Nomena Azy ny zo hanolotra fiainana mandrakizay. Ny fiainana izay napetrany teo amin’ ny maha-olombelona, dia raisiny indray ka homeny ny olombelona. «Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay». «Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay ‘ ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany»9Jao. 10 : 10 ; 4 : 14 ; 6 : 54. IFM 845.3
Ho an’ ny mino, dia zavatra kely ihany ny fahafatesana. Fotoana fohy no ilazan’ i Kristy an’ izany. «Raha misy olona mitandrina ny teniko. dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay». Ho an’ ny kristiana, torimaso fotsiny ny fahafatesana, fotoana ao anatin’ ny fanginana sy ny haizina. Ny fiainana dia miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra. ary «raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ ny voninahitra hianareo»10Jaao. 8 : 51 ;Kol. 3 : 4. IFM 846.1
Ilay feo niantso avy teo amin’ ny hazo fijaliana nanao hoe : «Vita», dia re teo anivon’ ny maty. Nanagorobaka ny rindrin’ ny fasana izany, ka nibaiko ny matory hitsangana. Ho toy izany koa rehefa ho re avy any an-danitra ny feon’ i Kristy. Ho tafiditra hatrany amin’ ny fasana io feo io ka hanala ny hidin’ ny fasana, ka hitsangana izay maty ao amin’ i Kristy. Fasana vitsy no nisokatra tamin’ ny nitsanganan’ i Kristy Mpamonjy tamin’ ny maty, fa amin’ ny fiaviany fanindroany dia handre ny feony avokoa ireo maty sarobidy rehetra, ka hivoaka amim-boninahitra, manana ny fiainana mandrakizay. Ilay hery izay nanangana an’ i Kristy tamin’ ny maty ihany no hanangana ny fiangonany, ka hanome voninahitra azy miaraka Aminy ambonin’ ny fahefana rehetra, ny hery rehetra. ny anarana rehetra izay tononina, tsy eto amin’ ity izao tontolo izao ity ihany. fa ao amin’ izao tontolo izao ho avy koa. IFM 846.2