Niandry fatratra ny hahalasa ny oran’ ny Sabata ireo vehivavy izay nijoro teo amin’ ny hazo fijalian’ i Kristy. Tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, raha vao nazava ratsy ny andro, dia lasa nankany amin’ ny fasana izy, nitondra ireo zava-manitra sarobidy hanosorana ny fatin’ ny Mpamonjy.1Mifototra amin’ nyJoana Matio 28 ; 1 : 5-8 ; Marka 16 : 1-8 ; Lioka24 : 1-12 ; Joana.20 : 1-8 ity toko ity. Tsy nieritreritra ny momba ny hitsanganany amin’ ny maty izy. Efa nilentika ny masoandron’ ny fanantenany, ary nidina tao am-pony ny alina. Raha teny an-dalana izy, dia namerina nitantara ny asam-pamindrampo sy ny teny fampaherezana nataon’ i Kristy. Tsy tsaroany anefa ny teniny hoe : «Fa hahita anareo indray Aho»2Jao.16 : 22. IFM 847.1
Tsy fantany izay efa nitranga, raha nanakaiky ny saha izy ka hoy izy teny am-pandehanana : «Iza no hanakodia ny vato ho afaka amin’ ny varavaram-pasana hisolo antsika ?» Fantany fa tsy afaka manala ny vato izy, nefa notohizany ihany ny diany. Ary indro, nazava tampoka ny lanitra noho ny voninahitra izay tsy avy tamin’ ny masoandro niposaka. Nihovitrovitra ny tany. Hitany fa efa nakodia ilay vato lehibe. Foana ny fasana. IFM 847.2
Tsy nitovy ny lalan’ ireo vehivavy rehetra nankany amin’ ny fasana. Maria Magdalena no tonga voalohany teo an-toerana; ary rehefa hitany fa efa voakodia ny vato dia niolomay izy nilaza tamin’ ny mpianatra. Fotoana fohy taorian’ izany dia tonga ny vehivavy hafa. Nisy fahazavana namirapiratra teo amin’ ny fasana ; nefa tsy tao ny fatin’ i Jesosy. Raha nitaredretra teo amin’ io toerana io izy, dia hitany tampoka fa tsy irery izy. Nisy tovolahy nitafy fitafiana mamirapiratra nipetraka teo amin’ ny fasana. Ilay anjely nanakodia ny vato io. Naka ny endriky ny olombelona izy mba tsy hanaitra ireto sakaizan’ i Jesosy. Mbola namirapiratra nanodidina azy anefa ny voninahitry ny lanitra, ka natahotra ireo vehivavy ireo. Nihodina nandositra izy ireo, nefa nibaiko azy hijanona ny tenin’ ny anjely hoe : «Aza matahotra, hianareo, hoy izy ; fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana no tadiavinareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay efa nolazainy taminareo. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ ny Tompo. Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ ny mpianany, fa efa nitsangana tamin’ ny maty Izy». Nojereny indray tao amin’ ny fasana, reny indray ny vaovao mahagaga. Nisy anjely anankiray koa naka ny endrik’ olombelona tao, ary hoy izy : «Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona ? Tsy ato Izy, fa efa nitsangana, tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia hoe : Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana, ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo». IFM 847.3
Efa nitsangana Izy ! Efa nitsangana Izy ! Naverimberin’ ireo venivavy hatrany hatrany ireo teny ireo. Tsy ilaina izao ny zavamanitra fanosotra. Velona ny Mpamonjy ary tsy maty. Tsaroany izao fa fony niteny ny amin’ ny fahafatesany. Izy dia nilaza fa hitsangana indray. Andro manao ahoana ity. ho an’ izao tontolo izao ! Niala faingana teo amin’ ny fasana ireo vehivavy «sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin’ ny mpianatra». IFM 848.1
Tsy mbola nahare ny vaovao mahafaly i Maria. Nankany amin’ 1 Petera sy Jaona izy nitondra ny vaovao mampalahelo hoe : «Nalain’ ny olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy». Nihazakazaka nankany am-pasana ny mpianatra ka nahita izay nambaran’ i Maria. Hitany ny lambam-paty sy ny mosara fa tsy hitany ny Tompo. Vavolombelona anefa izany fa nitsangana Izy. Tsy napetrapetraka foana ny akanjom-paty, fa voavalona tsara, samy amin’ ny toerany avy. «Nahita ka nino» i Jaona. Tsy mbola azony anefa ny tenin’ ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy mitsangana amin’ ny maty Kristy ; tsaroany anefa izao ny tenin’ ny Mpamonjy milaza mialoha ny hitsanganany. IFM 848.2
Kristy mihitsy no nandamina fatratra sy nampirina ireo lambampaty. Rehefa nidina teo am-pasana ilay anjely mahery, dia nisy iray koa nanampy azy, izay niambina ny fatin’ ny Tompo niaraka tamin’ ny namany. Rehefa nanakodia ny vato ilay anjely avy any an-danitra, dia niditra ny fasana ny anankiray ka namaha ny fatorana tamin’ ny fatin’ i Jesosy : Fa ny tanan’ ny Mpamonjy no namalona ny tsirairay ka nametraka azy teo amin’ ny toerany avy. Eo imason’ Ilay mitarika ny kintana sy ny zavatra kitika indrindra (atomes) dia tsy misy ataony tsinontsinona na dia iray aza. Hita eo amin’ ny asany rehetra ny filaminana sy ny fahatanterahana. IFM 848.3
Nanaraka an’ i Jaona sy Petera tany amin’ ny fasana i Maria ; rehefa niverina tany Jerosalema ireo, dia nijanona izy. Raha nijery ny fasana foana izy, dia feno alahelo ny fony. Nijery tao amin’ ny fasana izy, ka nahita ny anjely roa, ny iray teo an-dohany ary ny iray teo an-tongotry ny toerana nametrahana an’ i Jesosy. «Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany ?» hoy ny fanontaniany azy. «Satria nalain’ olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy». IFM 849.1
Dia nihodina izy tsy hijery ny anjely akory, ary nihevitra fa tsy maintsy hahita olona afaka hilaza izay nanaovana ny fatin’ i Jesosy. Nisy feo anankiray niteny taminy hoe : «Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Iza no tadiavinao?» Nampanjavona ny masony ny ranomaso ka olona fotsiny no hitan’ i Maria ; noheveriny fa ny mpiandry saha Izy ; ka hoy izy hoe : «Tompoko, raha hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy». Raha toa toerana be voninahitra loatra ity fasan’ ny mpanankarena ity mba handevenana an’ i Jesosy, dia izy no hanome toerana ho Azy. Nisy fasana izay ny feon’ i Jesosy mihitsy no nahafoana azy, dia ny fasan’ i Lazarosy izany. Tsy mety hahita toerana handevenana ny Tompony ve izy ao ? Tsapany fa ho fiononana be amin’ ny alahelony ny fikarakarany ny tenany sarobidy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana. IFM 849.2
Izao anefa Jesosy miteny amin’ ny feony mahazatra hoe : «Ry Maria !» Fantany izao fa tsy vahiny no niteny taminy, nitodika izy dia nahita an’ i Kristy velona teo anatrehany. Noho ny fifaliany dia adinony fa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana Izy. Niantsambotra teny Aminy izy, toa hanoroka ny tongony ary hoy izy hoe : «Rabôny». Natsangan’ i Kristy anefa ny tanany, ary hoy Izy hoe : Aza manendry Ahy , «fa tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho ; ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo». Dia nizotra nankany amin’ ny lalana ho any amin’ ny mpianatra nitondra ny hafatra mahafaly i Maria. IFM 849.3
Nolavin’ i Jesosy ny handray fanajana avy amin’ ny vahoakany raha tsy efa azony antoka fa neken’ ny Ray ny sorona nataony. Niakatra ho any amin’ ny lapan’ ny lanitra Izy, ary avy tamin’ Andriamanitra mihitsy no nandrenesany ny antoka, fa ampy ny fanavotana nataony ho an’ ny fahotan’ olombelona; fa mety mahazo ny fiainana mandrakizay ny olona rehetra amin’ ny alalan’ ny rany. Neken’ ny Ray ny fanekena natao tamin’ i Kristy, fa handray ny olona mibebaka sy mankatò Izy, ka ho tia azy, eny, tahaka ny itiavany ny Zanany aza. Hameno ny asany Kristy, ka hanatanteraka ny nampanantenainy, dia ny hahatonga ny olona «ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza» 3Isaia. 13 : 12. Nomena ny Andrianan’ ny Fiainana ny hery rehetra any an-danitra sy ety an-tany ; ary niverina teo amin’ ny mpanaraka Azy Izy eo amin’ izao tontolo izao feno fahotana, mba hahazoany mizara aminy ny heriny sy ny voninahiny. IFM 850.1
Raha teo anatrehan’ Andriamanitra ny Mpamonjy, ka nandray ny fanomezana ho an’ ny fiangonany, dia nieritreritra ny amin’ ny fasany foana ny mpianatra, ka nalahelo sy nitomany. Io andro io, izay andro fifaliana ho an’ ny lanitra manontolo, dia andro feno fisalasalana, fikorontanana sy fahaverezan-kevitra ho an’ ny mpianatra. Manaporofo ny halalin’ ny nidinan’ ny finoany, ny tsy finoany ny vavolombelona nataon’ ireo vehivavy. Hafa indrindra noho izay noheveriny ny vaovao momba ny nitsanganan’ i Kristy, hany ka tsy azony ninoana. Tsara loatra ka tsy azo inoana, hoy ny fiheviny. Be loatra no efa reny momba ny foto-pinoana sy ireo fampianarana lazaina fa ara-tSiansa nataon’ ny Sadoseo, hany ka nanjavozavo izay hevitra latsaka tao an-tsainy mikasika ny fitsanganana amin’ ny maty. Zara raha fantany ny mety ho dikan’ izany fitsanganana amin’ ny maty izany. Tsy afaka niditra tamin’ ny foto-kevitra lehibe izy. IFM 850.2
«Fa mandehana, hoy ny anjely tamin’ ny vehivavy, lazao amin’ ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy ; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo». Anjely mpiambina niaraka tamin’ i Kristy ireo nandritra ny fiainany teto an-tany, vavolombelon’ ny fitsarana sy ny nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana. Reny ny teny nataony tamin’ ny mpianany. Nasehon’ ny hafatra nomeny ny mpianatra izany, ka tokony hampiaiky azy ireo ny amin’ ny fahamarinana. Ny teny toy izany indrindra dia avy amin’ ny mpitondra hafatra nalefan’ ny Tompony efa nitsangana tamin’ ny maty. IFM 850.3
«Lazao amin’ ny mpianany sy Petera» hoy ny anjely. Hatramin’ ny nahafatesan’ i Kristy, dia niondrika tao anatin’ ny nenina i Petera. Teo anatrehany mandrakariva ny fomba mahamenatra namadihany ny Tompo, sy ny fijerin’ ny Mpamonjy feno fitiavana sy tebiteby. Izy no nijaly tamin’ ny fomba mangidy indrindra tamin’ ny mpianatra rehetra. Nomena azy ny toky fa nekena ny fibebahany ary voavela ny fahotany. Notononina tamin’ ny anarany izy. IFM 851.1
«Lazao amin’ ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy». Samy nandao an’ i Jesosy ny mpianatra rehetra, ary nahafaoka azy rehetra ny fiantsoana hihaona Aminy. Tsy nanary azy Izy. Rehefa nilaza tamin’ izy ireo i Maria Magdalena fa nahita ny Tompo izy, dia naveriny ny antso hihaonana any Galilia. Nalefa taminy fanintelony ny hafatra. Rehefa hiakatra ho any amin’ ny Ray Jesosy, dia niseho tamin’ ny vehivavy hafa Izy ka nanao hoe : «Aza matahotra fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko ; fa any no ahitany Ahy». IFM 851.2
Ny asa voalohany nataon’ i Kristy teto an-tany taorian’ ny nitsanganany tamin’ ny maty dia ny nampiaiky ny mpianany ny amin’ ny fitiavany tsy mihena sy ny fikarakarany mamy. Mba hanomezana porofo fa Izy no Mpamonjiny velona, ary efa nanapaka ny gadran’ ny fasana Izy, ka tsy azon’ ny fahafatesana fahavalo hotazonina intsony ; mba hanehoany fa mbola ilay fo feno fitiavana nananany tamin’ Ilay Mpampianany malalany ihany ny fony, dia niverimberina niseho taminy Izy. Tiany ho sintonina akaikikaiky azy kokoa ihany ny fatoran’ ny fitiavana. Andeha ilazao ny rahalahiko, hoy Izy, hihaona Amiko any Galilia. IFM 851.3
Rehefa nandre io baiko nomena mazava toy izany io ny mpianatra, dia nanomboka nihevitra ny tenin’ i Kristy taminy izay nanambara mialoha ny fitsanganany tamin’ ny maty. Na dia izao aza anefa dia tsy afaka niravoravo izy. Tsy hainy ny nanala ny fisalasalany sy ny tebitebiny. Na dia nilaza aza ny vehivavy fa efa nahita ny Tompo izy, dia tsy nino ny mpianatra. Noheveriny fa nahita sary an’ eritreritra izy. IFM 851.4
Toa nifanosona ny zavatra mahavery hevitra. Ny andro fahenina tamin’ ny herinandro no nahafatesan’ ny Tompony; ny andro voalohany tamin’ ny herinandro manaraka dia indro fa nalana taminy ny fatiny, ka nampangaina ho nangalatra azy izy mba hamitahana ny vahoaka. Nampamoifo azy ny tsy hanitsiany na oviana na oviana ny fiheveran-diso izay naka bahana hatrany nanohitra azy. Natahotra ny fandrafian’ ny mpisorona sy ny fahatezeran’ ny vahoaka izy. Naniry mafy ny fanatrehan’ i Jesosy, Izay manampy azy tamin’ ny zava-manahirana rehetra izy. IFM 851.5
Naverimberiny matetika ny teny hoe : «Nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely». Nalahelo sady narary ny fony nahatsiaro ny teniny hoe : «Fa raha ataony amin’ ny hazo maitso izany, hatao ahoana amin’ ny maina?» 4Lio. 24 : 21 ; 23 : 31 Nivory tao amin’ ny efitra ambony izy, dia nohidina sy nohamafisiny ny varavarana, fantany fa hisy fotoana izay hahatonga ny anjaran’ Ilay Mpampianatra Malalany ho anjarany koa. IFM 852.1
Ary tamin’ ny fotoana rehetra anefa dia nety ho nijaly izy tamin’ ny fahalalana fa efa nitsangana ny Mpamonjy. Nitomany tao amin’ ny saha i Maria, raha teo akaikiny Jesosy. Jamban’ ny ranomaso loatra ny masony ka tsy hitany Izy. Ary feno alahelo loatra ny fon’ ny mpianatra ka tsy nino ny hafatry ny anjely na ny tenin’ i Kristy mihitsy aza. IFM 852.2
Firy no mbola manao io nataon’ ny mpianatra io. Firy no mamerina toy ny ako ny antsoantso famoizam-pon’ i Maria hoe : «Nalainy ny Tompoko ... ary tsy fantatray izay nametrahany Azy». Firy moa no azo anaovana ny tenin’ ny Mpamonjy hoe : «Nahoana hianao no mitomany ? Iza no tadiavinao ?» Akaiky dia akaiky Izy ; nefa tsy mahita Azy ny masony jamban’ ny ranomaso. Miteny aminy Izy, nefa tsy azony izany. IFM 852.3
Raha mba afaka mitraka moa ny loha mitanondrika, mba hisokafan’ ny maso hibanjina Azy, mba hihaino ny feony ny sofina : «Andeha haingana, ary lazao ny mpianany fa nitsangana izy». Lazao izy tsy hijery ny fasam-baon’ i Josefa izay nohidian’ ny vato lehibe, ary nisy ny tombo-kasen’ ny Romana. Tsy ao Kristy. Aza mijery ny fasana foana. Aza mitomany toy ireo tsy manana fanantenana sy tsy manam-panampy. Velona Jesosy, ary satria velona Izy, dia ho velona koa isika. Aoka ny fo feno fankasitrahana, ny molotra voakasiky ny afo masina, hampikarantsana ny hirampifaliana hoe : Nitsangana Kristy ! Velona Izy hanao fanelanelanana ho antsika. Fikiro io fanantenana io, ary izany no hihazona ny fanahy tahaka ny vatofantsika azo antoka, voasedra. Minoa, dia hahita ny voninahitr’ Andriamanitra ianao. IFM 852.4