Efa lasan-davitra ny harivan’ ny andron’ ny fitsanganana tamin’ ny maty tamin’ izay. Nisy mpianatra roa teo «an-dalana ho any Emaosy» 1Mifototra amin’ny lio 24 : 1-33 ity toko ity, tanàna kely valo maily avy eo Jerosalema. Tsy nanantoerana niavaka teo amin’ ny asan’ i Kristy ireo mpianatra ireo, fa mpino Azy mafana fo. Tonga tao an-tanàna izy mba hitandrina ny Paska, ka very hevitra be noho ny toe-javatra vao nitranga. Reny ny vaovao tamin’ ny maraina mikasika ny nanosorana ny fatin’ i Kristy tao amin’ ny fasana, reny koa ny tatitra nataon’ ireo vehivavy nahita ny anjely sy nihaona tamin’ i Jesosy. Niverina ho any antranony izy izao handini-tena sy hivavaka. Feno alahelo izy nanohy ny diany iny hariva iny, niresaka ny amin’ ny toe-javatra teo amin’ ny fitsarana sy ny hazo fijaliana. Tsy mbola namoy fo tanteraka toy izao mihitsy izy hatramin’ izao. Tsy nanana fanantenana izy sady tsy nanana finoana, raha nandeha teo amin’ ny aloky ny hazo fijaliana. IFM 853.1
Tsy mbola lasa lavitra ny diany raha nisy vahiny iray niaraka taminy, nefa variana loatra ny amin’ ny alahelony sy ny fahadisoampanantenany izy ka tsy nandinika azy akaiky. Notohizany ny resany, izay nanambara ny fisainan’ ny fony. Nampiady hevitra ny momba ny lesona izay nomen’ i Kristy izy, izay toa tsy mety ho azony. Raha niresaka ny amin’ ny toe-javatra vao nitranga izy, dia naniry mafy ny hampionona azy Jesosy. Hitany ny alahelony ; azony ny hevitra nifanipaka nampitebiteby azy izay nahatonga izao eritreritra izao tao an-tsainy. Moa ve mety ho Kristy ity lehilahy izay nanaiky ny haetry toy izao ity ? Tsy voatanany ny alahelony, ka nitomany izy. Fantatr’ i Jesosy fa nifamatotra tamim-pitiavana taminy ny fony, ka naniry mafy ny hamafa ny ranomasony Izy ary hameno azy amin’ ny fifaliana sy ny haravoana. Nefa tsy maintsy manome lesona izay tsy hohadinoiny intsony aloha Izy. IFM 853.2
«Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo ety ampandehanana izao ? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. Ary ny anankiray izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe : Ianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’ izao andro izao ?» Nambarany azy ny fahadisoam-panantenany mikasika ny Tompony, «mpaminany mahery tamin’ ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra» ; nefa «ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka, hoy izy, nanameloka Azy ho faty sy nanombo Azy tamin’ ny hazo fijaliana». Feno alahelo sy fahadisoam-panantenana ny fony, ary nipararetra ny molony, nanampy hoe : «Nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely ; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr’ izay nahatongavan’ izany». IFM 854.1
Mahagaga fa tsy nahatsiaro ny tenin’ i Kristy ny mpianatra, ary tsy tsapany fa efa nambarany mialoha ny toe-javatra vao nitranga. Tsy tsapany fa ny tapany farany tamin’ ny fanambarany. dia ho tanteraka indrindra tahaka ny tapany voalohany, fa hitsangana indray Izy amin’ ny andro fahatelo. Io no fizarana tokony hotadidiny. Io tsy mba hadinon’ ny mpisorona sy ny mpanapaka. «Nony ampitson’ ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin’ i Pilato ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo ka nanao hoe : Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny fony Izy mbola velona, dia nanao hoe : Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho»2Mat.27 : 62, 63. Tsy tsaroan’ ny mpianatra anefa ireo teny ireo. IFM 854.2
«Ary hoy Izy taminy : Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ ny mpaminany. Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ ny voninahiny ?» Gaga ny amin’ ity vahiny ity ny mpianatra, Izy izay miditra hatrany anatin’ ny fanahy, ka miteny amin-kafanam-po, fahalemem-panahy, sy fangorahana toy izao ary amin’ ny fomba feno fanantenana toy izao. Voalohany izao, hatramin’ ny namadihana an’ i Jesosy, vao nanomboka nahatsapa fanantenana izy. Matetika izy no nijery ity mpiara-dia aminy tamin-kafanampo, ka nihevitra fa ny teny nataon’ izy io dia ny teny indrindra izay ho nolazain’ i Kristy. Zendana izy, ka nanomboka nidobodoboka ny fony nibanjina ny ho avy tamim-pifaliana. IFM 854.3
Nanomboka tamin’ i Mosesy, ny Alfan’ ny tantaran’ ny Baiboly, Kristy, ka nanazava ny Soratra Masina rehetra ny amin’ ny zavatra mikasika Azy. Raha nampahafantatra ny tenany aloha Izy, dia ho afa-po ny fony. Ho feno fifaliana indrindra ny fony ka tsy hisy na inona na inona ahanoana azy intsony. Nilain’ izy ireo ny hahazo ny fanambarana nentin’ ireo tandindon’ ny faminaniana ao amin’ ny Testamenta Taloha mikasika Azy. Eo amin’ ireo no tsy maintsy iorenan’ ny finoany. Tsy nanao fahagagana Kristy handresy lahatra azy, nefa ny asany voalohany dia ny manazava ny Soratra Masina. Noheveriny ho faharavan’ ny fanantenany rehetra ny fahafatesany. Hitany avy ao amin’ ny mpaminany izao fa izany no porofo matanjaka indrindra ho an’ ny finoany. IFM 855.1
Raha nampianatra ireo mpianatra ireo Jesosy, dia nasehony ny maha-zava-dehibe ny Testamenta Taloha amin’ ny maha-vavolombelona azy ny amin’ ny asa nanirahana Azy. Maro ankehitriny ireo milaza ny tenany ho kristiana no mampihataka ny Testamenta Taloha ka lazainy fa tsy misy ilàna azy intsony. Tsy toy izany anefa ny fampianaran’ i Kristy. Ambony indrindra no fanombanany izany ka hoy Izy indray mandeha hoe : «Raha tsy mihaino an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ ny maty aza» 3Lio. 16 : 31. IFM 855.2
Ny feon’ i Kristy no niteny tamin’ ny alalan’ ny patriarka sy ny mpaminany, hatramin’ ny andron’ i Adama ka hatramin’ ny toe-javatra amin’ ny andro farany aza. Aseho ao amin’ ny Testamenta Taloha mazava tahaka ny ao amin’ ny Testamenta Vaovao ny Mpamonjy. Ny fahazavana avy ao amin’ ny lasa ara-paminaniana no mampivoitra ny fiainan’ i Kristy ny ny fampianaran’ ny Testamenta Vaovao amin’ ny fomba mazava sy kanto. Porofon’ ny mahaAndriamanitra an’ i Kristy ny fahagagana nataon’ i Kristy ; nefa nisy porofo matanjaka kokoa fa Izy no Mpanavotra an’ izao tontolo izao, izay hita amin’ ny fampitahana ireo faminaniana ao amin’ ny Testamenta Taloha amin’ ny tantaran’ ny Vaovao. IFM 855.3
Nivaofy ny faminaniana Kristy, ka nanome izay hevitra marina ny amin’ izay tokony ho toetrany teo amin’ ny maha-olombelona ny mpianany. Nanantena Mesia izay haka ny seza fiandrianana sy ny fahefan’ ny mpanjaka nifanaraka amin’ ny fanirian’ ny olombelona izy, ary diso hevitra izy tamin’ izany. Nanakana ny fandraisana araka izay tokony ho izy ny antony nidinany avy amin’ ny toerana ambony indrindra nisy Azy izany ka nakany ny toerana ambany indrindra. Tian’ i Kristy ho madio sy marina amin’ ny antsipiriany rehetra ny hevitry ny mpianany. Tsy maintsy azony, lavitra araka izay azo atao, ny mikasika ny kapoaky ny fahoriana izay efa nomanina ho Azy. Nasehony azy fa ny ady mahatahotra izay tsy mbola mety ho azony dia fanatanterahana ny fanekena vita hatramin’ ny nanorenana an’ izao tontolo izao. Tsy maintsy ho faty Kristy, tahaka ny mpandika ny lalàna rehetra tsy maintsy maty raha mitohy manota. Tsy maintsy ho tanteraka izany rehetra izany, nefa tsy hiafara amin’ ny faharesena izany fa amin’ ny fandresena be voninahitra, mandrakizay. Nilaza taminy Jesosy fa tsy maintsy atao ny ezaka rehetra hamonjena an’ izao tontolo izao amin’ ny fahotana. Tsy maintsy mivelona tahaka ny nahavelomany ny mpanaraka Azy, ary miasa tahaka ny niasany omban’ ny ezaka mafy sy mitozo. IFM 855.4
Toy izany no niresahan’ i Kristy tamin’ ny mpianany, ka nanokafany ny sainy mba hahazoany ny Soratra Masina. Vizana ny mpianatra, nefa tsy niketraka ny resaka. Teny fiainana sy toky no nivoaka ny molotry ny Mpamonjy. Mbola nohazonina anefa ny masony. Raha nilaza taminy ny amin’ ny faharavan’ i Jerosalema Izy, dia nitomany nijery ilay tanàna voaheloka. Tsy nampoiziny firy anefa Ilay niara-dia taminy teny an-dalana. Tsy noheveriny fa nandeha teo anilany Ilay olona nataony anton-dresaka, toy ny olona hafa mantsy no filazan’ i Kristy ny tenany. Nihevitra izy ireo fa olona iray tamin’ izay nanatrika ny andro firavoravoana lehibe Izy io, ka miverina mody izao. Nitandrina tahaka ireo Izy nandeha tamin’ ny vato maraorao, ary indraindray dia niara-nijanona taminy niala sasatra kely. Toy izany ny diany teny amin’ ny lalana teny an-tendrombohitra, raha nandeha teo anilany Ilay efa haka ny toerany ao an-tanana an-kavanan’ Andriamanitra, sy afaka hiteny hoe : «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany»4Mat. 28 : 18. IFM 856.1
Nilentika ny masoandro teny an-dalana, ary raha tsy mbola tonga tany amin’ ny toerana fialan-tsasatra ny mpandeha, dia efa nandao ny asany ny mpiasa tany an-tsaha. Raha andeha hiditra ny tranony ny mpianatra, dia toa hanohy ny diany Ilay vahiny. Voasintona taminy anefa ny mpianatra. Nangetaheta handre be kokoa avy Aminy ny fanahiny. «Mitoera eto aminay» hoy izy. Toa tsy hanaiky ny fangatahany Izy, nefa nanery Azy izy ka nanantitrantitra hoe : «Fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro». Nanaiky io fiangaviana io Kristy «dia niditra hitoetra tao aminy Izy». IFM 856.2
Raha tsy nanantitrantitra ny fiangaviany ny mpianatra dia tsy ho fantany fa ny Tompo nitsangana tamin’ ny maty Ilay niara-dia taminy. Tsy manery na iza na iza mihitsy hanaiky Azy hiara-dia Aminy Kristy. Mahaliana Azy izay mila Azy. Amim-pifaliana no idirany ao amin’ ny tokantrano tsotra indrindra, ka hamalifaliany ny fo tsotra indrindra. Nefa raha tsy mampiraika firy ny olona ny vahiny avy any an-danitra, na tsy angatahiny hitoetra aminy Izy, dia handeha Izy. Izany no mahafaty antoka be ny maro. Tsy fantany mihoatra noho ireo mpianatra niara-nandeha taminy nankany F.maosy i Kristy. IFM 857.1
Vetivety dia voaomana ny sakafo hariva tsotra. Napetraka teo anoloan’ ny vahiny izay naka ny toerany teo an-dohan-databatra izany. Natsotran’ i Jesosy ny tanany hitahy ny sakafo. Nianotra ny mpianatra noho ny fahagagany. Fantany ny fomba fihetsika nahazatra ny Tompony. Nojereny indray, ary indro hitany teo amin’ ny tanany ny dian’ ny fantsika. Niara-nihoraka izy roa ', lahy, ny Tompo Jesosy io. Nitsangana tamin’ ny maty Izy ! IFM 857.2
Nitsangana izy ireo hiantoraka teo an-tongony sy hiankohoka Aminy, nefa nanjavona tsy teo intsony Izy. Nojereny ny toerana nisy an’ Ilay vao napetraka tao am-pasana ny tenany, ka niresaka izy hoe : «Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika ?» IFM 857.3
Nefa raha nanana io vaovao lehibe io hoentina izy ireo dia tsy afaka nipetraka sy niresaka. Lasa ny havizanany sy ny hanoanany. Navelany tsy nandramana akory ny sakafony, ary feno hafaliana izy nivoaka avy hatrany indray, nandeha tamin’ ny lalana niaviany, niolomay hilaza ny Vaovao mahafaly amin’ ny mpianatra any an-tanàna. Misy faritra tsy maha-azo antoka ny lalana, nefa nanihany ny toerana mideza, ary nibolisatra izy amin’ ny vato malama. Tsy hitany sady tsy fantany fa niaro azy Ilay niara-dia taminy. Nitondra ny tehin’ ny mpivahiny izy, somadodoka te-handeha haingana noho izay tokony hatao. Very ny lalany, nefa hitany indray. Indraindray izy mihazakazaka, indraindray tafintohina, nefa mandroso ihany, Ilay Mpiara-dia taminy tsy hita maso manaraka akaiky teo amin’ ny lalany rehetra. IFM 857.4
Maizina ny alina, nefa namirapiratra teo aminy ny Masoandron’ ny Fahamarinana. Midobodoboky ny fifaliana ny fony. Toa tonga ao amin’ ny tany vaovao izy. Mpamonjy velona Kristy. Tsy malahelo Azy maty intsony izy. Nitsangana Kristy, naverimberiny hatrany hatrany izany. Izany no hafatra hoentiny ho an’ ireo malahelo. Tsy maintsy lazainy azy ny tantara mahagagan’ ny dia nankany Emaosy. Tsy maintsy holazainy azy Ilay nanatratra azy teny an-dalana. Mitondra ny hafatra lehibe indrindra tsy mbola nomena an’ izao tontolo izao izy, hafatry ny vaovao mahafaly izay iankinan’ ny fanantenan’ ny fianakavian’ ny olombelona tamin’ izay fotoana izay sy ho amin’ ny mandrakizay. IFM 858.1