«Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin’ ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon’ ny tempoly. dia nanao taminy hoe : Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao. mianjerà any ambany any ; fa voasoratra hoe : Izy handidy ny anjeliny ny aminao ; ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao. fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao». IFM 115.1
Mihevitra izao i Satana fa eo amin’ ny tany misy an’ i Jesosy ihany no hifanoherany Aminy. Ilay fahavalo fetsy mihitsy no nitondra ny teny ilay naloaky ny vavan’ Andriamanitra. Mbola miseho ho toy ny anjelin’ ny mazava izy. ary habaribariny fa mahazatra azy ny Soratra Masina ka tsapany ny maha-zava-dehibe an’ izay voasoratra. Raha nampiasa ny tenin’ Andriamanitra teo Jesosy mba hanohanana ny finoany, dia nampiasain’ ilay mpaka fanahy kosa izany izao hanohanana ny fiteny ataony. Milaza izy fa fisedrana fotsiny ny fahatokian’ i Jesosy no ataony, ary izao izy dia manasoaso ny lijoroany tsy azo hozongozonina. Raha nampiseho ny fahatokiany an’ Andriamanitra ny Mpamonjy. dia amporisihin’ i Satana Izy hanome porofo mazava hafa ny amin’ ny finoany.1Ity toko ity dia mifototra amin’ ny Matio 4 : 5-1 1 ; Marka 1 : 12, 13 IFM 115.2
Nefa mialoha ny fakam-panahy indray ny tsy fitokisana nasosoka : «Raha ZanakAndriamanitra Hianao». Nalaina fanahy hamaly io «Rahaio Kristy ; nefa nifehy ny tenany tsy hanaiky fisalasalana na dia amin’ ny fomba maivana indrindra aza Izy. Tsy hampidi-doza ny ainy Izy mba hanomezana porofo an’ i Satana. IFM 115.3
Nihevitra ny hahazo tombon-dahiny annn’ ny maha-olombelona an’ i Kristy ilay mpaka fanahy, ka namporisihiny hieboebo foana. Azon’ i Satana atao ny mitaona, fa tsy azony atao kosa ny manery. Hoy izy tamin’ i Jesosy : «Mianjerà any ambany any» ; fantany mantsy fa tsy azony hazera Izy, satria hisalovana hanafaka Azy Andriamanitra. Tsy azon’ i Satana terena hianjera koa Jesosy. Raha tsy Kristy no nanaiky ho resin’ ny fakam-panahy dia tsy ho resy mihitsy Izy. Ny herin’ ny tany sy ny helo rehetra dia tsy afaka hanery Azy akory hiala amin’ ny sitrapon’ ny Rainy. IFM 116.1
Tsy azon’ ny mpaka fanahy atao na oviana na oviana ny manery antsika hanao ny ratsy. Tsy afaka mifehy ny saintsika izy raha tsy isika no manaiky ho tapahiny. Tsy maintsy manaiky ny sitrapo, tsy maintsy mamaha ny famikirany amin’ i Kristy ny finoana vao afaka mampiasa ny heriny amintsika i Satana. Nefa toerana azony hamikirana avokoa ny faniriana feno fahotana rehetra izay hankamamiantsika. Izay rehetra mahadiso antsika ka tsy ahatanterahantsika ny tarigetran’ Andriamanitra, dia varavarana mivoha ahazoana miditra hakany fanahy sy handringanany antsika. Ary ny fahadisoana na ny faharesena rehetra avy amintsika dia fotoana mety ho azy hanalany baraka an’ i Kristy. IFM 116.2
Raha nolazain’ i Satana ny teny fikasana hoe : «Izy handidy ny anjeliny ny aminao», dia navelany ny teny hoe : «mba hiaro Anao amin’ izay làlan-kalehanao rehetra», izany hoe, eo amin’ ny lalana rehetra nofidin’ Andriamanitra. Nolavin’ i Jesosy ny handeha ivelan’ ny lalan’ ny fankatoavana. Na dia nampiseho fahatokiana tanteraka ny Rainy aza Izy, dia tsy tiany raha ny tenany no toa hiseho hanery ny Rainy hisalovana hamonjy Azy amin’ ny fahafatesana. Tsy tiany raha ny fanereny ny fitondran’ Andriamanitra ho avy hamonjy Azy no hanaovany an-tsirambina ny fanomezana ohatry ny fahatokiana sy ny fileferana ho an’ ny olona. IFM 116.3
Hoy ny nambaran’ i Jesosy tamin’ i Satana : «Voasoratra hoe koa : Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrao». Ireo teny ireo dia nataon’ i Mosesy tamin’ ny zanak’ Isiraely raha nangetaheta izy tany an-efitra ka nangataka ny anomezan’ i Mosesy rano azy ary niloa-bava hoe : «Eto aminay va Jehovah sa tsia ?»2Eks.17:7. Efa nanao zava-mahagaga ho azy ireo Andriamanitra; nisalasala ny Aminy anefa izy nony tojo zava-tsarotra, ka nangataka famantarana mazava fa eo aminy Izy. Noho ny tsy finoany dia nandramany nosedraina Izy. Koa izany koa no nampirisihin’ i Satana ataon’ i Kristy. Efa nanao vavolombelona Andriamanitra nanambara fa Zanany Jesosy ; ary ankehitriny, ny fangatahana porofo fa Zanak’ Andriamanitra Izy, dia ho fisedrana ny tenin’ Andriamanitra indray — ho fakana fanahy Azy. Ho marina koa izany ny amin’ ny fangatahana izay efa tsy nampanantenain’ Andriamanitra. Ho fampisehoana tsy fitokisana izany, ary ho tena fisedrana na fakana fanahy Azy marina. Tsy tokony hasehontsika amin’ Andriamanitra ny fangatahantsika ho fanaporofoanaraha hanatanteraka izany teniny izany Izy, fa satria mino isika fa ho tanterahany izany tsy hanaporofoana fa tia antsika Izy. fa satria efa tia antsika Izy. «Fa raha tsy amin’ ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy ; fa izay manatona an» Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy lzy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy»3Heb.11:6. IFM 116.4
Tsy misy ifandraisany amin’ ny fieboeboana anefa ny finoana na dia kely aza. Izay olona manana finoana tena izy ihany no ho voaro amin’ ny fieboeboana. Ny fieboeboana mantsy no ala-tahaka ataon’ i Satana ny amin’ ny finoana. Mitaky ny teny fikasan’ Andriamanitra ny finoana. ka mamokatra fankatoavana. Mitaky teny fikasana koa ny fieboeboana, nefa mampiasa izany kosa izy, tahaka izay ataon’ i Satana. mba hanalana tsiny ny tsy fankatoavandalàna. Tokony ho nitarika ireo ray aman-drenintsika voalohany hatoky ny fitiavan’ Andriamanitra ny finoana, sy hankatò ny baikony. Nitarika azy handika ny lalàny kosa ny fieboeboana. ka niheverany fa hamonjy azy amin’ ny vokatry ny fahotany ny fitiavany lehibe. Tsy finoana ny mitaky ny fankasitrahan’ ny lanitra. nefa tsy mety hameno ny fepetra izay hanomezana famindrampo ny tena. Ny finoana tena izy dia miorina eo amin’ ny teny fikasana sy aratSoratra Masina. IFM 117.1
Matetika rehefa tsy mahomby eo amin’ ny famporisihana tsy hatoky i Satana, no mahavoa eo amin’ ny fitarihana antsika hieboebo. Raha azony atao ny mametraka antsika tsy amin’ ny antony eo amin’ ny lalan’ ny fakam-panahy, dia fantany fa azy ny fandresena. Hiaro izay rehetra mandeha eo amin’ ny lalan’ ny fankatoavana Andriamanitra ; fa manao sahisahy mandeha eo amin’ ny tailin’ i Satana kosa ny miala amin’ izany. Azo antoka fa ho lavo isika eo. Nibaiko antsika ny Mpamonjy hoe : «Miambena sy mivavaha, mba tsy idiranareo amin’ ny fakam-panahy»4Mar.14:38. LynayM12:31Ny fandinihana lalina sy ny fivavahana no tokony hiaro antsika tsy hirotoroto ho eo amin’ ny lalana voarara mampidi-doza, ka amin’ izany dia ho voavonjy ho afaka amin’ ny faharesena maro isika. IFM 117.2
Tsy tokony ho kivy anefa isika raha mamely ny fakam-panahy. Matetika isika no misalasala raha ny Fanahin’ Andriamanitra no nitarika antsika rehefa tojo zava-tsarotra. Nefa ny fitarihan’ ny Fanahiny no nitondra an’ i Jesosy tany an-efitra mba halain’ i Satana fanahy. Rehefa misedra antsika Andriamanitra dia manana fikasana hanatanteraka izay hahasoa antsika Izy. Tsy nieboebo tamin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra Jesosy ka ninia nisetra fakam-panahy raha tsy nobaikoina aminizany, ary tsy namoy fo koa Izy rehefa tonga taminy ny fakam-panahy. Tsy tokony ho kivy koa isika. «Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana haliafahana koa mba hahazakanareo izany». Hoy Izy : «Manatera fanati-pisaorana ho an’ Andriamanitra. ary efao amin’ ny Avo Indrindra ny voadinao; antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana : dia hamonjy anao Aho. ka hanome voninahitra Ahy Hianao» 51 Kor.10:13;Sal.50:14,15. IFM 118.1
Nandresy Jesosy teo amin’ ny takam-panahy faharoa. koa miseho amin’ ny tena toetra amam-panahiny izao i Satana. Nefa tsy toa biby mahatahotra. mivaky kitro sy manana elatry ny ramanavy no isehoany. Anjely mahery izy, na dia lavo aza Ekeny fa izy no mpitarika ny fikomiana ary andriamanitr’ ity tany ity. IFM 118.2
Nentini Satana teo amin’ ny tendrombohitra avo Jesosy, dia nampandaloviny teo anatrehany. toy ny amin’ ny sary indray mitopy maso. ny fanjakan’ izao tontolo izao teo amin’ ny voninahiny rehetra. Tarafin’ ny tanamasoandro ireo tanàn-dehibe sy ireo tempoly . ireo lapa vita amin’ ny vatosoa, ireo saha mahavokatra sy ireo tanimboaloboka mavesa-boa. Nafenina ny soritry ny ratsy. Ny mason’ i Jesosy. izay tsy nahita afa-tsy zava-manjombona sy faharavana teo, dia mibanjina sehatra mahate ho tia tsy takatry ny saina sady feno fanambinana. Tamin’ izay no re ny feon’ ilay mpaka fanahy nanao hoe : «Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ ny voninahiny. fa efa natolotra ahy izany. ka izay tiako no homeko azy ; koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. dia ho Anao avokoa izany rehetra izany !» IFM 118.3
Tsy mety ho tanteraka ny asa nanirahana an’ i Kristy raha tsy amin’ ny alalan’ ny fijaliana ihany. Teo anoloany dia fiainampahoriana, feno zava-tsarotra sy ady, ary fahafatesana mahamenatra. Tsy maintsy mitondra ny fahotan’ izao tontolo izao manontolo lzy. Tsy maintsy miaritra ny fisarahana arnin’ ny fìtiavan’ ny Rainy lzy. Ankehitriny dia manolotra an’ i Jesosy ny fahefana nalainy tamim-pisandohana ilay mpaka fanahy. Mety ho afa-miala amin’ ny ho avy mahatsiravina Kristy, amin’ ny fanekeny ny fahefan’ i Satana fara-tampony. Ny fanaovana izany anefa dia toy ny manaiky ho resy eo amin’ ilay ady lehibe. Ny fitadiavany hanandra-tena ho ambonin’ ny Zanak’ Andriamanitra, no efa nanotan’ i Satana tany an-danitra. Koa raha mahomby izy izao. dia handresy ny fikomiana. IFM 118.4
Raha nanambara tamin’ i Kristy i Satana fa efa nomena azy izao fanapahana rehetra izao mbamin’ ny voninahiny, ka izay tiany no omeny azy. dia ny marina tapany ihany no nambarany ary nataony izany hoenti-mamitaka. Ny fanapahan’ i Satana dia izay nalainy ankeriny tamin’ i Adama. nefa Adama dia mpitantana mpanampy ny Mpamorona. Tsy nahaleo tena izy teo amin’ ny fanapahany. An’ Andriamanitra ny tany. ary nankininy tamin’ ny Zanany ny zavatra rehetra. Natao hanjaka eo ambanin’ ny fanapahan’ i Kristy Adama. Rehefa namadika Adama ka nametraka ny fahefany maha-mpanjaka azy teo am-pelatanan’ i Satana. dia mbola Kristy ihany no Mpanjaka araka ny marina. Toy izany no nilazan’ ny Tompo tamin’ i Nebokadnezara mpanjaka hoe : “Ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ;. . . ka manome izany ho an’ izay tiany»6Dan. 4:14. Tsy afaka mampiasa ny fahefana nosandohany i Satana raha tsy avelan’ Andriamanitra hanao izany. IFM 119.1
Rehefa nanolotra ny fanjakana sy ny voninahitr’ izao tontolo izao an’ i Kristy i Satana. ny fikasany dia ny hitaona Azy handà ny maha-tompon’ izao tontolo izao Azy, ka eo anibany fanapahany vao afaka hanjaka. Fanapahana mitovy amin’ izany no nantenain’ ny Jiosy. Naniry ny fanjakan’ ity izao tontolo izao ity izy. Raha nanaiky ny hanolotra azy fanjakana toy izany Kristy, dia noraisiny tamimpifaliana. Nitambesatra teto an-tany anefa ny ozon’ ny fahotana sy ny fahoriana rehetra naterany. Ka izany no nilazan’ i Kristy tamin’ ilay mpaka fanahy hoe : “Mandehana hianao. ry Satana : fa voasoratra hoe : Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao. ary Izy irery ihany no hotompoinao». IFM 119.2
Ilay efa nikomy tany an-danitra no nanolotra ny fanjakan’ ity izao tontolo izao ity tamin’ i Kristy, mba ho takalon’ ny fiankohofany amin’ ireo foto-kevitry ny ratsy ; nefa tsy voataonan’ ny ratsy Jesosy ; tonga hanangana fanjakam-pahamarinana Izy, ka tsy nialany izany fikasany izany. Io fakam-panahy io koa no entin’ i Satana hanatonana ny olona, ary eto dia mahomby kokoa noho ny tamin’ i Kristy izy. Atolony ho azy ny fanjakan’ ity izao tontolo izao ity, raha manaiky ny fiandrianany izy. Mangataka ny hanaovany sorona ny fahamarinan-toetra izy, ny fanaovana zinona ny feon’ ny fieritreretana, ny fampanaranam-po ny fitiavan-tena. Mibaiko azy Kristy hikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha, manatona azy kosa i Satana ka mibitsika hoe : «Na inona na inona marina mikasika ny fiainana mandrakizay, mba hahombiazana eto amin’ ity izao tontolo izao ity. dia tsy maintsy manompo ahy ianao. ho am-pelatanako ny fahasambaranao. Azoko atao ny manome anao harena, fahafinaretana, voninahitra sy fahasambarana. Araho ny torohevitro. Aza mety ho voatarika foana amin’ izay toetra mahatoky na fandavantena miaingitraingitra foana izany. Hanokatra lalana eo anoloanao aho». Toy izany no nahavoafitaka vahoaka marobe. Manaiky ny hivelona hanompo ny tenany izy, dia afa-po i Satana. Taominy amin’ ny fanantenana fanapahana araka izao tontolo izao izy, ary amin’ izay dia azony ny fanapahana ny fanahy. Nefa izay tsy anjarany ny manolotra azy, no atolony, ka vetivety dia halaina an-keriny aminy. Ho setrin’ izany dia alany aminy ny zo amin’ ny lovan’ ireo zanak’ Andriamanitra. IFM 119.3
Nametraka fisalasalana ny maha Zanak’ Andriamanitra an’ i Jesosy i Satana. raha niresaka taminy. Voaroaka tsy nisy fombafomba izy ka efa porofo mazava tsy azony lavina izany. Hita taratra teo amin’ ny maha-olombelona nijaly ny maha-Andriamanitra. Tsy nanan-kery hoenti-manohitra ny baiko i Satana. Nijihijihy noho ny fietrena sy ny fahavinirana izy, ka voatery niala teo anatrehan’ ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Tanteraka tahaka ny fahalavoan’ i Adama ny fandresen’ i Kristy. IFM 120.1
Toy izany no mety hanoherantsika ny fakam-panahy ka hanerentsika an’ i Satana hiala amintsika. Ny nahazoan’ i Jesosy ny fandresena dia tamin’ ny alalan’ ny fanekena an’ Andriamanitra sy ny finoana Azy, ka hoy lzy amintsika amin’ ny alalan’ ny apostoly hoe : «Maneke an’ Andriamanitra hianareo ; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy»7Jak.4:7,8. Tsy afaka mamonjy ny tenantsika ho afaka amin’ ny herin’ ilay mpaka fanahy isika; efa naharesy ny taranak’ olombelona izy. ary rehefa miezaka ny hijoro amin’ ny herin’ ny tenantsika isika, dia hanjary hazan’ ny hafetseny ; fa «ny anaran’ i Jehovah dia tilikambo mafy ; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy»8Oha. 18:10. Mangovitra sy mandositra i Satana eo anatrehan’ ny fanahy malemy indrindra izay mahita fialofana ao amin’ io anarana mahery io. IFM 120.2
Rehefa lasa ny fahavalo dia trotraka Jesosy ka lavo tamin’ ny tany. hatsatra mova tsy ny maty ny endriny. Nanara-maso ny ady ireo anjelin’ ny lanitra. ka nibanjina Ilay Komandy malalany izay nandalo tamin’ ny fahoriana tsy hay lazaina, mba hanokatra lalana hahafahantsika. Efa niaritra fisedrana mafy noho izay iantsoana antsika Izy. Ny anjely tamin’ izay no nirohotra nanompo ny Zanak» Andriamanitra izay toy ny efa ho faty. Natanjahany tamin’ ny alalan’ ny sakafo Izy ary nampahereziny tamin’ ny alalan’ ny hafatra milaza ny fitiavan’ ny Rainy sy ny toky fa ny lanitra manontolo no miombona amin’ ny fandresena azony. Rehefa nahazo hafanana sy aina indray Izy. dia nibosesika avy ao amin’ ilay fony malalaka ny fangorahana ny olombelona. koa lasa lzy nanatanteraka ny asa efa natombony ; ary tsy hitsahatra Izy raha tsy resy ny fahavalo, sy voavotra ity taranak’ olombelona lavo ity. IFM 121.1
Tsy mety ho tsapa mihitsy ny vidin’ ny nanavotana antsika, raha tsy rehefa hijoro miaraka amin’ ny Mpanavotra eo anatrehan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra ny voavotra. Amin’ izay, rehefa mitosaka amin’ ny tenantsika manontolo ireo voninahitry ny fonenantsika mandrakizay. ka ho tretrika isika. dia hotsaroantsika fa nilaozan’ i Jesosy izany rehetra izany ho antsika, fa tsy hoe nilaozany fotsiny ny lapan’ ny lanitra, fa nanao vy very Izy ka nanaiky ny faharesena sy ny fahaverezana mandrakizay. Amin’ izay dia hatsipintsika eo an-tongony ny satroboninahitsika ary hasandratsika ny hira hoe : «Ny Zanak’ ondry Izay novonoina. dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra»9Apok. 5: 12. IFM 121.2