Turnin’ izay fotoana izay dia nitory sy nanao batisa tao Betabara teny an-dafin’ i Jordana i Jaona mpanao batisa Tsy lavitra io toerana io no nampijanonan’ Andriamanitra ny ranon’ i Jordana mandra-piampitan’ ny Isiraely. Akaikin’ io no nandravan’ ny tafiky toe-javatra ireny tamin’ io fotoana io. ka nampangitakitaka sy nahaliana tokoa ny hafatra nentin» ilay mpanao batisa. Moa ve Ilay efa nanao asa mahagaga toy izany fahiny tsy hampiseho indray ny heriny hanafahana an» Isiraely ? Toy izany no fisainana nanetsika ny fon’ ny vahoaka izay nitsangana isan» andro teo amoron’ i Jordana. 1Ity took ity dia mifitotra amin ny’ joana 1:19-51. IFM 123.1
Niasa lalina indrindra tamin’ ny firenena ny fitoriana nataon’ i Jaona. hany ka nisarika ny sain ireo manam-pahefana ara-pivavahana. Noho ny loza mananontanona avy amin’ ny fikomiana amin’ ny fanjakana dia mampiahiahy ny Romana avokoa izay fivorian’ ny vahoaka rehetra. ary na inona na inona mitarika ho amin’ ny fanaingana ny vahoaka dia nahatonga tahotra teo amin’ ireo mpifehy jiosy. Efa tsy neken» i Jaona ny fahefan» ny synedriona tamin’ izy tsy nitady ny fankasitrahan’ izy ireo teo amin’ ny asany : ary efa sainy nampangainy avokoa ny mpifehy sy ny vahoaka. ny Fariseo sy ny Sadoseo. Nefa mbola nazoto nanaraka azy ihany ny vahoaka. Toa nitombo hatrany ny fahalianan’ ny olona amin’ ny asany. Na dia tsy nifandray tamin’ ny synedriona aza izy, dia noheverindri/.areo kosa, fa amin’ ny maha-mpampianatra ny vahoaka azy, dia eo ambanin’ ny fifehezany izy. IFM 123.2
Ny mambra tao amin’ io antoko io dia voafidy tamin’ ny mpisorona sy ireo mpifehy ary ny mpampianatry ny firenena. Araka ny fanao mahazatra dia ny mpisoronabe no filohany. Efa lehilahy be taona avokoa ny mambra tao na dia tsy antitra aza; lehilahy nanam-pahaizana, tsy havanana fotsiny momba ny fivavahana Jiosy sy ny tantarany, fa havanana koa teo amin’ ny fahalalana ankapobeny. Tsy tokony hanan-kilema ara-nofo izy ireo ary tsy maintsy manambady sy raim-pianakaviana, mba hahatonga azy ho antra olona sy mendri-kaja kokoa noho ny hafa. Nifanila tamin’ ny tempoly tany Jerosalema ny toeram-pivorian’ izy ireo. Tamin’ ny andron’ ny fahaleovan-tenan’ ny Jiosy dia ny Synedriona no fitsarana fara-tampony teo amin’ ny firenena, koa sady nanana fahefana ara-panjakana izy no nanana fahefana ara-pivavahana. Na dia teo ambanin’ ny fahefan’ ny governora Romana aza izy tamin’ izay fotoana izay, dia mbola nanan-kery lehibe niasa mangina teo amin’ ny raharaham-panjakana sy teo amin’ ny raharaham-pivavahana. IFM 124.1
Tsy tena afaka namotopototra ny amin’ ny asan’ i Jaona ny Synedriona. Nisy ireo nahatsiaro ny fanambarana natao tamin’ i Zakaria tao amin’ ny tempoly, sy ny faminaniana nataon’ ny rain’ ny zaza, izay nanondro azy io ho. mpialoha lalana ny Mesia. Tao anatin’ ny korontana sy ny fìovana nisy nandritra ny telopolo taona dia efa saiky very tadidy tsy tsaroana intsony izany zavatra izany. Niverina ao an-tsaina izy izao noho ny fahatairana vokatra avy amin’ ny asa fanompoana nataon’ i Jaona. IFM 124.2
Efa ela no tsy nananan’ ny Isiraely mpaminany, efa ela no tsy nahitana maso fanavaozana tahaka izay miseho ankehitriny. Toa vaovao sy manaitra izany hoe fangatahana fiaikena fahotana. Maro tamin’ ireo mpitarika no tsy nitranga hihaino ny antson’ i Jaona sy ny fiampangany, sao mety hampibaribary ny fiainany miafina izany. Nefa dia fanambarana mivantana ny amin’ ny fiavian’ ny Mesia ny teny notoriany. Fantatra tsara fa efa nadiva ho tapitra ny fitopolo herinandro voalazan’ ny faminanian’ i Daniela izay tapitra tamin’ ny fahatongavan’ ny Mesia; ary naniry mafy ny rehetra handray anjara amin’ io fotoam-boninahitra izay nantenain’ ny firenena manontolo io. Fatratra ny hafanam-pon’ ny vahoaka, hany ka efa voatery ny Synedriona, na hanaiky, na hitsipaka ny asan’ i Jaona. Efa nihena ny fahefan’ izy ireo teo amin’ ny vahoaka. Nanjary fanontaniana mavesa-danja izao ny ahitany fomba itazonany ny toerany. Nanantena hahita fehin-kevitra momba izany izy, ka nandefa mpisorona sy levita ho solontenany hiresaka amin’ ilay mpampianatra vaovao. IFM 124.3
Nisy vahoaka betsaka nitangorona nihaino ny tenin’ i Jaona, rehefa nanatona ireo iraka ireo. Nampiseho ny fahefany teo amin’ ny fihetsiny mba hanaitra ny vahoaka sy hahatonga ilay mpaminany hanaja azy, ireto raby be avona raha nanatona. Nisava nanome lalana handalovany ny vahoaka marobe feno fanajana, raha tsy natahotra aza. Nijoro teo anoloan’ ilay mpaminanin’ ny tany efitra ireto olona ambony, manao ny fitafiany sarobidy, mirehareha ny amin’ ny laharana misy azy sy ny fahefany : IFM 125.1
— «Iza moa hianao ?» hoy ny fanontaniany
Fantatr’ i Jaona ny tao an-tsainy ka hoy ny navaliny hoe :
— «Tsy izaho no Kristy».
— «Ahoana ary ? Elia va hianao ?»
— «Tsy izy aho».
— «Ilay Mpaminany va hianao ?»
— «Tsia». IFM 125.2
— «Iza ary hianao? mba hitondranay valiny ho any amin’ izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao ?» IFM 125.3
—Izaho dia feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe : Ataovy mahitsy ny làlan’ i Jehovah araka izay nolazain’ Isaia mpaminany. IFM 125.4
Ny tenin’ ny Soratra Masina izay noraisin’ i Jaona dia ilay faminaniana kanto nambaran’ lsaia hoe : «Ampionòny, ampionòny ny oloko, hoy Andriamanitrareo; mitoria teny soa mahafaly amin’ i Jerosalema, ka lazao aminy fa tapitra ny fe-taonam-panompoany, sady voavela ny helony . . . Injany ! misy feon’ ny miantso hoe : Manamboara làlana any an-efitra ho an’ i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an’ Andriamanitsika. Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra. Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ; aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dàlana ho tonga lemaka, dia hiseho ny voninahitr’ i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany»2Isaia 40 :1-5. IFM 125.5
Tamin’ ny andro fahiny, rehefa nivahiny ho any amin’ ny faritry ny fanjakany tsy faleha firy ny mpanjaka, dia nisy antokon’ olona nalefa mialoha ny kalesim-panjakana hampitovy tantana ny faritra avo sy hanototra ny lavaka mba hahazoan’ ny mpanjaka mandeha amim-pahatokiana ka tsy hisy fanakantsakanana. Ampiasain’ ny mpaminany hoenti-manazava ny asan’ ny filazantsara io fomba fanao io. «Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra». Rehefa ny Fanahin’ Andriamanitra izay manana hery mampifoha mampitolagaga no manetsika ny fanahy, dia mietry ny avonavon’ ny olombelona. Toa tsy misy vidiny ny fahafinaretana sy ny toerana ary ny fahefan’ izao tontolo izao «Rava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra»32 Kor. 10 : 5. Voababo ny hevitra rehetra «hanaiky an’ i Kristy». Amin’ izay ny fanetren-tena sy ny fitiavana manao sorona ny tena. izay tsy misy vidiny tokoa eo amin’ ny olona. no hany asandratra ho sarobidy. Izany no asan’ ny filazantsara. ary anisan’ izany ny hafatra nentin’ i Jaona. IFM 125.6
Nanohy ny fanontaniany ihany ny raby : «Nahoana ary hianao no manao batisa, raha tsy hianao no Kristy, na Hlia, na Ilay Mpaminany ? Ny teny hoe «ilay mpaminany» dia manondro an’ i Mosesy. Efa nirona mantsy ny sain’ ny Jiosy hino fa hitsangana amin’ ny maty i Mosesy ary hakarina ho any an-danitra. Tsy fantany fa efa natsangana izy. Rehefa nanomboka ny asany i Jaona mpanao batisa, dia betsaka no nihevitra fa mety ho Mosesy mpaminany nitsangana tamin’ ny maty izy, satria toa nanana fahalalana lalina mikasika ireo faminaniana sy ny tantaran’ ny Isiraely izy. IFM 126.1
Ninoana koa fa alohan’ ny iavian’ ny Mesia, dia hiseho vatana Elia. Io fanantenana io no nandavan’ i Jaona tsy atao hoe Elia : nefa nirakitra hevi-dalina noho izany ny dikan-teniny. Hoy Jesosy taty aoriana raha niteny ny amin’ i Jaona Izy : «Ary raha mety mandray Ahy hianareo. dia izy no ilay Elia izay ho avy»4Mat.11:14 Tonga tamin’ ny fanahy sy ny herin’ Elia Jaona. hanao asa tahaka izay nataon’ i Elia. Raha nandray azy ny Jiosy. dia ho tanteraka ho azy izany. Tsy noraisin’ izy ireo anefa ny hafatra nentiny. Tsy Elia ho azy ireo izy. Tsy azony tanterahina ho an’ ireo ny iraka nahatongavany notanterahina. IFM 126.2
Tamin’ ireo izay nivory tao Jordana nanatrika ny batisan’ i Jesosy. dia vitsy tamin’ izy ireo ihany no nahita mazava ny famantarana nomena tamin’ izay. Nandritra ireo volana nialoha ny asa fanompoana nataon’ i Jaona Mpanao batisa, dia maro no nandà tsy hihaino ny antso ho amin’ ny fibebahana. Ary izany no nanamafy ny fony sy nanamaizina ny sainy. Raha nitondra fanambarana an’ i Jesosy teo amin’ ny batisany ny lanitra, dia tsy mba hitan’ izy ireo izany. Ny maso izay tsy nitodika na oviana na oviana hijery amin’ ny finoana Ilay tsy hita dia tsy nahita ny fanambarana ny voninahitr’ Andriamanitra ; ny sofina izay tsy nihaino na oviana na oviana ny feony, dia tsy nandre ny tenin’ ny vavolombelona. Toy izany koa no miseho ankehitriny. Matetika no miseho mazava eo amin’ ny fivoriambe ny fanatrehan’ i Kristy sy ireo anjely manao asa fanompoana, nefa maro no tsy mahalala izany. Tsy mahita na inona na inona tsy mahazatra izy. Miseho amin’ ny olona sasantsasany anefa ny fanatrehan’ ny Mpamonjy. Mamelona ny fony ny fiadanana sy ny fifaliana. Mahazo fampiononana sy hery ary fitahiana izy. IFM 126.3
Nanontany an’ i Jaona ireo solontena avy any Jerosalema hoe : «Nahoana hianao no manao batisa ?» ary niandry valiny izy. Tsy tapitapitr’ izay, raha nitopy ankoatry ny vahoaka ny fijeriny dia nihiratra ny masony, namirapiratra ny tavany. nentanin’ ny fihetseham-po lalina ny tenany manontolo. Nahinjiny ny tanany ka hoy ny antso mafy nataony : «Izaho manao batisa amin’ ny rano, fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo, dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho»5Jao. 1 ; 27. IFM 127.1
Nazava sady tsy nisy nampisalasala ny hafatra hoentina miverina any amin’ ny Synedriona. Tsy azo nampiharina afa-tsy amin’ Ilay nampanantenaina hatramin’ ny ela ny tenin’ i Jaona. Teo amin’ izy ireo ny Mesia ! Gaga ny mpisorona sy ny mpifehy nijery nanodidina azy nanantena hahita Ilay nolazain’ i Jaona. Nefa tsy nisy nampiavaka Azy tao anatin’ ny vahoaka. IFM 127.2
Tamin’ ny batisan’ i Jesosy, raha nanondro Azy amin’ ny nahaZanak’ ondrin’ Andriamanitra Azy i Jaona, dia nisy fahazavana vaovao izay nitosaka teo amin’ ny asan’ ny Mesia. Notarihina teo amin’ ny tenin’ Isaia ny sain’ ny mpaminany dia ilay manao hoe : «Tahaka ny Zanak’ ondry entina hovonoina»6. Nandritra ireo herinandro manaraka izany, dia nahaliana an’ i Jaona indray ny nandinika ireo faminaniana sy ny fampianarana momba ny fanompoam-pivavahana fanatitra. Tsy hitany mazava ireo dingana roa teo amin’ ny asan’ i Kristy — amin’ ny maha-sorona mijaly Azy sy ny maha-mpanjaka mandresy Azy — nefa hitany kosa fa nanana heviny lalina izay tsy azon’ ny mpisorona na ny vahoaka ny fiaviany. Rehefa nibanjitia an’ i Jesosy teo amin’ ny vahoaka izy, raha avy tany an-efitra, dia nanantena sy niandry i Jaona ny hanomezany famantarana ny amin’ ny tena toetrany. Efa saiky tsy andriny ny handre ny Mpamonjy hanambara ny asa nanirahana Azy ; tsy nisy teny nataony na famantarana nomeny anefa. Tsy namaly ny fanambarana nataon’ i Jaona momba Azy Jesosy, fa nifangaro tamin’ ireo mpianatr’ i Jaona Izy, ka tsy nampiseho porofo miseho ivelany ny amin’ ny asany manokana, ary tsy nanao na inona na inona izay hanamarihan’ ny olona Azy. IFM 127.3
Ny ampitson’ iny dia nahita an’ i Jesosy nanatona i Jaona. Nitoetra teo amin’ ilay mpaminany ny fahazavan’ ny voninahitr’ Andriamanitra, naninjitra ny tanany izy ka nanambara hoe : «Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao ! Izy no Ilay nolazaiko hoe : Misy lehilahy avy ao aoriako izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy ;. . . ary izaho tsy nahalala Azy, fa mba haseho amin’ Isiraely Izy, izany no niaviako manao batisa amin’ ny rano . . . Izaho nahita ny Fanahy nidina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny. Ary izaho tsy nahalala Azy ; fa Izay naniraka ahy nanao batisa amin’ ny rano no nilaza tamiko hoe : Izay ho hitanao idinan’ ny Fanahy sy itoerany dia Izy no Mpanao batisa amin’ ny Fanahy Masina. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra»7Jao.1 :29-34. IFM 128.1
Io ve no Kristy ? Feno fanajana sady talanjona ny vahoaka nibanjina ilay vao nambara fa Zanak’ Andriamanitra. Nanetsika lalina azy ireo ny tenin’ i Jaona. Efa niteny taminy tamin’ ny anaran’ Andriamanitra izy. Efa nihaino an’ i Jaona isan’ andro isan’ andro raha niampanga ny fahotan’ izy ireo, ary nihamafy isan’ andro ny faharesen-dahatra fa iraka nalefan’ ny lanitra izy. Nefa iza indray ity anankiray lehibe noho i Jaona mpanao batisa? Raha ny fitafiany sy ny fihetsiny dia tsy misy na inona na inona ahafantarana ny laharana misy azy. Toa olon-tsotra ihany Izy, akanjo tsotsotra fanaon’ ny mahantra no notafiany. IFM 128.2
Ny sasantsasany tamin’ ireo vahoaka ireo dia nahita ny voninahitr’ Andriamanitra teo amin’ ny batisan’ i Kristy ary nandre ny feon’ Andriamanitra. Hatramin’ izay fotoana izay anefa dia niova be ny endriky ny Mpamonjy. Tamin’ ny batisany dia nahita ny endriny voaova teo amin’ ny fahazavan’ ny lanitra izy ireo; ankehitriny Izy, hatsatra, trotraka sady nahia, ka i Jaona Mpaminany ihany no nahafantatra Azy. IFM 128.3
Rehefa nijery Azy akaiky anefa ny vahoaka dia hitany teo amin’ ny tavany ny fangorahan’ Andriamanitra niray tamin’ ny fahalalana izay atao. Ny fitopin’ ny masony sy ny soritr’ endriny, dia samy nahitana fanetren-tena lalina nanambara fitiavana tsy hay lazaina. Toa nisy rivo-piainan’ ny hery ara-panahy miasa manodidina Azy. Nalefaka ny fihetsiny sady nandefitra ka nahatsapana hery miafina nefa tsy azo nafenina. Moa ve ilehity Ilay nandrasan’ Isiraely hatry ny ela ? IFM 129.1
Tao amin’ ny fahantrana sy ny fanetren-tena no nahatongavan’ i Jesosy mba ho ohatra ho antsika sy ho Mpanavotra antsika koa. Raha niseho tamin’ ny rentirentin’ ny maha-mpanjaka Azy Izy, dia ho nataony ahoana no fampianatra fanetren-tena ? ho nataony ahoana no fanehoany ireo fahamarinana hentitra tao amin’ ny toriteny tao an-tendrombohitra ? Mba ho aiza ny fanantenan’ ireo olon-tsotra raha tonga teto an-tany Izy ka velona tahaka ny mpanjaka teo anivon’ ny olona ? Tsy araka izay niheveran’ ny besinimaro azy Ilay notondroin’ i Jaona. Noho izany dia maro no diso fanantenana sy very hevitra izaitsizy. IFM 129.2
Fampanantenana ny fampodiana haingana ny fanjakan’ ny Isiraely no nandrasan’ ny mpisorona sy ny raby tamin’ i Jesosy, nefa tsy nisy. Mpanjaka toy izany mantsy no nandrasany sy noheveriny ; raha mpanjaka toy izany dia vonona ny handray Azy izy. Fa tsy ekeny kosa Ilay nitady hanangana fanjakan’ ny fahamarinana sy fiadanana ao am-pony. IFM 129.3
Ny andro manaraka, raha nisy mpianatra roa nijoro teo akaikiny, dia nahita an’ i Jesosy tao anatin’ ny vahoaka indray i Jaona. Namirapiratry ny voninahitr’ Ilay tsy hita indray ny tavan’ ny mpaminany, raha niantso mafy izy hoe : «Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra !» Nampangitakitaka ny fon’ ny mpianatra ireo teny ireo na tsy azony tanteraka aza. Inona no dikan’ ny anarana izay nomen’ i Jaona hoe, — «Zanak’ ondrin’ Andriamanitra ?» Jaona dia tsy nanazava izany mihitsy. IFM 129.4
Nilaozany i Jaona ka lasa izy ireo nitady an’ i Jesosy. Andrea rahalahin’ i Simona ny iray tamin’ ireo; ny faharoa dia i Jaona evanjalista. Ireo no tonga mpianatr’ i Kristy voalohany. Voatosiky ny hery tsy hay tohaina izy ireo ka nanaraka an’ i Jesosy — maniry dia maniry ny hiteny Aminy izy nefa natahotra ka tsy niloa-bava, fa very hevitra amin’ ny fieritreretana ny hoe : ‘«Ity ve no tena Mesia ?» IFM 129.5
Fantatr i Jesosy fa nanaraka Azy ireo mpianatra ireo. Ireo no voaloham-bokatry ny asany, ary nisy fifaliana tao ampon’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra rehefa namaly ny antson’ ny fahasoavany ireo fanahy ireo. Nitodika Izy anefa, ka nanontany fotsiny hoe : «Iza no tadiavinareo ?» Tiany ny hanome azy fahafahana malalaka na hiverin-dalana na haneho ny faniriany. IFM 130.1
Fikasana tokana ihany no tsapan’ izy ireo. Fanatrehana tokana ihany no nameno ny sain’ izy ireo. Hoy izy niloa-bava hoe : «Raby, aiza Hianao no mitoetra ?» Tsy ampy ahazoany izay niriny mafy ny resaka fohy eny amoron-dalana. Naniry ny ho irery miaraka amin’ i Jesosy izy, hipetraka eo an-tongony, ary hihaino ny teniny. IFM 130.2
«Hoy Izy taminy : Avia, fa ho hitanareo. Ka dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin’ izany andro izany». IFM 130.3
Raha nanana ny toe-tsaina tsy mino nisy teo amin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka i Jaona sy Andrea, dia tsy ho hita nianatra teo an-tongotr’ i Jesosy izy. Ho tonga hanao fanakianana sy hitsara ny teniny fotsiny izy ireo. Maro, noho izany antony izany, no manakatom-baravarana ka tsy manararaotra ny fotoana mety sy tsara indrindra. Tsy toy izany anefa no nataon’ ireo mpianatra voalohany. Efa namaly ny antson’ ny Fanahy Masina izy teo amin’ ny fitoriana nataon’ i Jaona Mpanao batisa. Fantany ankehitriny ny feon’ Ilay Mpampianatra avy any an-danitra. Feno aina vaovao sy fahamarinana ary hatsarana ny tenin’ i Jesosy nataony tamin’ izy ireo. Nisy fanazavana avy tamin’ Andriamanitra nitosaka teo amin’ ny fampianarana Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha. Niseho teo amin’ ny fahazavana vaovao ireo lafin-kevitra maro amin’ ny fahamarinana. IFM 130.4
Ny alahelo am-panahy sy ny finoana ary ny fitiavana no mahatonga ny fanahy handray ny fahendren’ ny lanitra. Ny finoana miasa amin’ ny fitiavana no fanalahidin’ ny fahalalana, ary izay rehetra tia dia «mahalala an’ Andriamanitra»81 Jao.4 : 7. IFM 130.5
Lehilahy mazoto sady be fitiavana ary mafana fo ilay mpianatra atao hoe Jaona. Efa nanomboka ny nahafantatra ny voninahitr’ i Kristy izy, — tsy ny rendrarendra sy ny fahefana araka izao tontolo izao izay efa nampianarina azy mba ho hantenainy, fa «ilay voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy amin’ ny Ray», sady «feno fahasoavana sy fahamarinana»9Jao. 1 : 14. Variana dia variana nandinika lalina io laha-kevitra mahagaga io izy. IFM 130.6
Nitady ny hizara ny fifaliana izay nameno ny fony Andrea. Lasa nitady ny rahalahin’ i Simona izy, ka niantso mafy hoe : «Efa nahita ny Mesia izahay». Tsy niandry teny fanindroany i Simona. Efa nandre koa ny toritenin’ i Jaona Mpanao batisa izy ary niolomay ho eo amin’ ny Mpamonjy. Nifantoka taminy ny fijerin’ i Kristy, ka namaky ny toetra amam-panahiny sy ny tantaran’ ny fiainany. Ny toetrany mafana fo tampoka, ny fony be fitiavana sy mangoraka, ny hambom-pony sy ny fahatokian-tenany, ny tantaran’ ny fahalavoany, ny fibebahany, ny asa mafy nataony ary izy maty maritiora, — novakian’ i Kristy avokoa izany rehetra izany, ka hoy Izy hoe : «Hianao no Simona, zanak’ i Jaona; hianao hatao hoe Kefasy izay atao hoe, raha adika, vato». IFM 131.1
«Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’ i Filipo Izy ka nanao taminy hoe : Manaraha Ahy». Nankatò ny baiko i Filipo, ary avy hatrany koa dia nanjary mpiasa ho an’ i Kristy izy. IFM 131.2
Niantso an’ i Natanaela i Filipo. Teo anivon’ ny vahoaka izy io raha nanondro an’ i Jesosy ho Zanak’ ondrin’ Andriamanitra i Jaona Mpanao batisa. Diso fanantenana i Natanaela raha nijery an’ i Jesosy. Ity olona ity ve, izay mitondra ny mariky ny asa mafy sy ny fahantrana, dia mety ho Mesia»? Tsy tapa-kevitra ny handà an’ i Jesosy anefa i Natanaela ; efa nambabo ny fony mantsy ny hafatra nentin’ i Jaona. IFM 131.3
Tamin’ ny fotoana niantsoan’ i Filipo an’ i Natanaela, dia nihataka teo amin’ ny ala-kely mangina izy mba handinika lalina momba ny filazana nataon’ i Jaona, sy ireo faminaniana mikasika ny Mesia. Nivavaka izy fa raha ilay nolazain’ i Jaona no ilay mpanafaka dia aoka hampahafantarina azy izany, ary nitoetra teo aminy ny Fanahy Masina, nanome toky azy fa efa namangy ny vahoakany Andriamanitra ary nanandratra ny tandroky ny famonjena ho azy. Fantatr’ i Filipo fa teo am-pandinihana ny faminaniana ny sakaizany, ary raha nivavaka teo ambanin’ ny aviavy i Natanaela, dia hitan’ i Filipo ny toerana nitokanany. Matetika no niara-nivavaka teo amin’ io toerana mangina io izy, notakonan’ ny ravinkazo toy izany. IFM 131.4
Toa valim-bavaka mivantana no nandraisan’ i Natanaela ilay hafatra manao hoe.: «Efa hitanay Ilay nosoratan’ i Mosesy tao amin’ ny lalàna sy nosoratan’ ny mpaminany. Mbola nangozohozo anefa ny finoan’ i Filipo. Tamim-pisalasalana no nanampiany hoe : «dia Jesosy, zanak’ i Josefa, avy any Nazareta». Nirongatra tao am-pon’ i Natanaela indray ny hevitra efa nibahana tao. Niloa-bava izy hoe : «Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta ?» IFM 132.1
Tsy niady hevitra i Filipo. Hoy izy : Andeha hizaha. Jesosy nahita an’ i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe : «lndro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka». Gaga i Natanaela ka niloabava hoe : «Ahoana no ahafantaranao ahy ? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe : Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ ny aviavy hianao». IFM 132.2
Ampy izay. Ilay Fanahin’ Andriamanitra izay efa vavolombelona tao amin’ ny vavaka mangina nataony teo ambanin’ ny aviavy, no mbola niteny taminy indray izao tamin’ ny alalan’ ny tenin’ i Jesosy. Na dia nisalasala aza izy, ary na dia azo lazaina fa nilefitra tamin’ ny hevitra nibahana tao an-tsainy, dia nanatona an’ i Kristy i Natanaela, ary nanam-paniriana marina hahalala ny fahamarinana, koa ankehitriny dia tanteraka ny faniriany. Nihoatra noho ny an’ ilay nitondra azy teo amin’ i Jesosy ny finoany. Namaly izy ka nanao hoe : «Raby ô, Hianao no Zanak’ Andriamanitra, Hianao no Mpanjakan’ Isiraely». IFM 132.3
Raha nitoky tamin’ ny raby hitarika azy i Natanaela, dia tsy ho nahita an’ i Jesosy na oviana na oviana izy. Izy tenany no nahita sy nitsara ary izany no nahatonga azy ho mpianatra. Toy izany koa ny amin’ ny maro ankehitriny izay voatanan’ ny hevitra mibahana ao an-tsainy tsy ho amin’ ny tsara. Samihafa manao ahoana ny ho vokatra, raha «nandeha nizaha» izy. IFM 132.4
Raha ny fahefan’ olombelona no itokisany hitari-dalana azy, dia tsy hisy ho tonga eo amin’ ny fahalalana ny fahamarinana mitondra ho eo amin’ ny famonjena. Tahaka an’ i Natanaela, dia ilaintsika ny mandinika ny tenin’ Andriamanitra ho an’ ny tenantsika, ka hivavaka mba hohazavain’ ny Fanahy Masina. Ilay Nahita an’ i Natanaela teo ambanin’ ny aviavy, dia hahita antsika eo amin’ ny toerana mangina fivavahana. Akaikin’ ireo izay mitady amimpanetren-tena ny fitarihan’ Andriamanitra ny anjely avy amin’ izao tontolo izaon’ ny fahazavana. IFM 132.5
Tamin’ ny niantsoana an’ i Jaona, Andrea, Simona ary Filipo sy Natanaela no nanombohana ny fanorenana ny fiangonana kristiana. Nandefa ny roa tamin’ ny mpianany ho an’ i Kristy i Jaona. Ny iray amin’ izy ireo indray, dia Andrea, nahita ny rahalahiny ka niantso azy ho eo amin’ ny Mpamonjy. Nantsoina indray i Filipo, ary izy nandeha niantso an’ i Natanaela. Tokony hampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny ezaka ataon’ ny tsirairay ireo ohatra ireo, eo amin’ ny fanaovana antso mivantana amin’ ny havana amantsakaiza sy ny mpifanolobodirindrina amintsika. Misy ireo izay milaza fa nifandray tamin’ i Kristy nandritra ny fiainany manontolo, nefa tsy mbola nanao ezaka manokana mihitsy hitondra na dia fanahy iray aza ho eo amin’ ny Mpamonjy. Navelany ho andraikitry ny mpitandrina ny asa rehetra. Mety hanana ny toetra ilaina ho amin’ ny niantsoana azy izany mpitandrina izany, nefa tsy vitan’ izy irery izay navelan’ Andriamanitra ho an’ ny mambran’ ny fiangonana. IFM 133.1
Betsaka no mila ny fanompoam-pitiavan’ ny fon’ ny kristiana. Betsaka no lasan’ ny fahafatesana nefa nety ho voavonjy, raha nanao ezaka manokana ho azy, ireo lehilahy sy vehivavy olon-tsotra mpifanolobodirindrina taminy. Betsaka no miandry ny ho resahina manokana. Ao amin’ ny fianakaviantsika mihitsy, ao amin’ ny mpifanolobodirindrina amintsika, ao amin’ ny tanàna misy antsika, dia misy asa tokony ataontsika amin’ ny maha-irak’ i Kristy antsika. Raha tena kristiana isika, dia ho fifaliana ho antsika io asa io. Raha vantany vao voaova fo ny olona iray, dia mitsiry ao aminy ny faniriana hampahafantatra amin’ ny hafa ilay sakaiza sarobidy hitany tao amin’ i Jesosy. Tsy azony kobonina ao am-pony ny fahamarinana mahavonjy sy manamasina. IFM 133.2
Izay rehetra manokan-tena ho an’ Andriamanitra dia ho fantsona hitondra ny fahazavana. Ataon’ Andriamanitra fiasana hitondra ny harem-pahasoavany amin’ ny hafa izy. Toy izao ny teny fikasany : «Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitahiana; ary hampilatsaka ranonorana amin’ ny fotoany aho, dia ranonorampitahiana mivatravatra»10Ezek. 34 : 26. IFM 133.3
Hoy i Filipo tamin’ i Natanaela : «Andeha hizaha». Tsy nangataka azy hanaiky fanambaran’ olon-kafa izy, fa izy mihitsy no hijery an’ i Kristy. Ankehitriny dia efa niakatra ho any an-danitra io Jesosy io, ny mpianany no solontenany eo amin’ ny olona, ary ny anankiray amin’ ny fomba mahomby indrindra amin’ ny fahazoana fanahy ho Azy dia ny fanehoana ny toetra amam-panahiny ho ohatra hita eo amin’ ny fiainantsika andavanandro. Tsy miankina firy amin’ izay lazaintsika, fa amin’ izay toetsika ny hery miasa mangina avy amintsika eo amin’ ny hafa. Mety hanohitra sy hiantsy ny fandaharana ataontsika ny olona, mety mandà ny antsontsika izy ; fa ny fiainana feno fitiavana, tsy mihevitra ny tenany, dia fonjan-kevitra izay tsy azo toherina. Hery eo amin’ izao tontolo izao ny fiainana mijoro tsara ary hita ny mampiavaka an’ izany eo amin’ ny fahalemem-panahin’ i Kristy. IFM 133.4
Ny fampianaran’ i Kristy dia fanehoana ny faharesen-dahatra sy ny fanandramana miasa ao anaty, ary izay nianatra taminy dia nanjary mpampianatra araka ny baikon’ Andriamanitra. Ny tenin’ Andriamanitra ambaran’ izay efa nohamasininy, dia manankery mitondra aina izay mahatonga ny mpihaino ho voasintony ka mampiaiky azy ireo fa tena zava-misy marina izany. Rehefa misy mandray ny fahamarinana ao amin’ ny fitiavana, dia hasehony mazava amin’ ny fihetsiny maharesy lahatra sy ny filanton’ ny feony izany. Mampahafantatra izay efa ren’ ny tenany, hitany sy noraisiny tanana avy amin’ ny tenin’ ny fiainana izy, mba hahazoan’ ny hafa miara-dia aminy amin’ ny alalan’ ny fahalalana an’ i Kristy. Ny vavolombelona ataony avy amin’ ny molotra nodiovin’ ny vain’ afo mirehitra avy amin’ ny alitara, dia fahamarinana ho an’ ny fo mandray izany, ka miasa fanamasinana eo amin’ ny toetra amam-panahy. IFM 134.1
Koa izay miezaka ny hanome fahazavana ny hafa, dia hahazo fitahiana koa ny tenany. «Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa»11Oha. 10: 25. Azon’ Andriamanitra atao ny manatanteraka ny zava-kendreny amin’ ny famonjena ny mpanota na tsy manampy aza isika; nefa mba hahazoantsika hampitombo toetra amam-panahy tahaka an’ i Kristy, dia tsy maintsy mandray anjara amin’ ny asany isika. Mba hahazoana miditra ao amin’ ny fifaliany, — dia ny fifaliana mahita fanahy voavotra noho ny sorona natao, — dia tsy maintsy mandray anjara amin’ ny asany isika ho fanavotana azy ireo. IFM 134.2
Tahaka ny feon-java-maneno tao an-tsofin’ i Jesosy ny fanambaran’ i Natanaela voalohany ny finoany izay feno dia feno sady tamin’ ny hafanam-po sy ny fahadiovam-po. Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe : «Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ ny aviavy hianao no inoanao ? Hahita zavatra lehibe noho izany hianao !» Nibanjina ny ho avy tamim-pifaliana ny Mpamonjy dia ny amin’ ny asany eo amin’ ny fitoriana ny vaovao mahafaly amin’ ny mpandefitra, ny fanasitranana ny torotoro fo, sy amin’ ny fitoriana fanafahana amin’ ny babon’ i Satana. Raha mieritreritra ny fitahiana sarobidy izay nentiny ho an’ ny olona Jesosy dia hoy indray Izy : «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ ny Zanak’ olona». IFM 134.3
Ny nambaran’ i Kristy tamin’ izany dia izao : Nisokatra ny lanitra teo amoron’ i Jordana, ary nidina tamiko tahaka ny voromailala ny Fanahy. Tsy inona io toe-javatra io fa famantarana ny maha Zanak’ Andriamanitra Ahy. Raha mino Ahy toy izany ianao, dia hihamatanjaka ny finoanao. Ho hitanao fa misokatra ny lanitra ary tsy hakatona intsony. Nosokafako ho anareo izany. Miakatra ny anjelin’ Andriamanitra, mitondra ny fivavahan’ ny sahirana sy ny tra-pahoriana any amin’ ny Ray any ambony ; ary midina mitondra fitahiana sy fanantenana, herim-po, fanampiana sy fiainana ho an’ ny zanak’ olombelona. IFM 135.1
Mivezivezy mandrakariva avy eto an-tany ka mankany an-danitra, avy any an-danitra ka manketo an-tany ireo anjelin’ Andriamanitra. Ny fahagagana nataon’ i Kristy ho an’ ny ory sy ny mijaly dia notanterahina tamin’ ny herin’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny fanompoan’ ny anjely. Ary amin’ ny alalan’ i Kristy, noho ny asa fanompoan’ ny mpitondra hafatra avy any an-danitra, no ahatongavan’ ny fitahiana rehetra avy amin’ Andriamanitra ho antsika. Tamin’ ny nandraisan’ ny tenany ny maha-olombelona Azy, ny Mpamonjintsika dia nampiray ny tombon-tsoany tamin’ ny an’ ireo zanakalahy sy zanakavavin’ i Adama lavo, ary amin’ ny alalan’ ny maha-Andriamanitra Azy dia mamikitra ny seza fiandrianan’ Andriamanitra Izy. Toy izany no mahatonga an’ i Kristy ho Mpanalalana mampifandray ny olona amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra amin’ ny olona. IFM 135.2