Alahelo no nameno ny lanitra, rehefa nahafantatra fa lavo ny olona, ary izao tontolo izao izay namboarin’Andriamanitra dia ho fenoina olona natokana ho amin’ny fijaliana , aretina ary fahafatesana, ary dia tsy nisy làlana nivoahana ho an’ireto voaheloka ireto. Ny fianakavian’Adama rehetra dia tsy maintsy ho faty daholo. Hitako I Jesosy maha-te ho tia, nijery tamim-pamidram-po ary alahelo no teo amin’ny endriny. Tsy ela taorian’izay, hitako Izy nanatona ny fetra faran’ilay hazavana mamirapiratra izay mandrakotra ny Ray. Niteny ilay anjely mpanaraka ahy: “miresaka amim-pahamalinana amin’ny Rainy Izy. Ny ahiahin’ireo anjely dia toa nihamafy hatrany nandritra ny fotoana izay niresahin’ I Jesosy tamin’ny Rainy. In-telo no nihidy tao amin’ilay fahazavana be voninahitry ny ray Izy, ary tamin’ny fahatelo dia (nivoaka) avy tamin’ny Ray Izy, ary dia ny tenany mihitsy no hita miharihary. Tony ny endriny, afaka tamin’ny ahiahy rehetra sy tebiteby, ary namirapiratry ny fanehoam-pitiavana sy fahatsarana, izay tsy azon’ny teny haseho (hambara). Taorian’izay dia nampahafantariny an’ireo anjely maro mendrikaja fa ny efa voamboatra ny làlan’ ny famonjena ho an’ny olombery. Nolazainy azy ireo fa nifandahatra tamin’ny Ray Izy (teo), ary namosaka ny heviny mba hanolotra ny ainy ho avotra, ka handray ny fanamelohana ho faty ho Azy samirery, ka amin’ny alalany dia afaka hahita famelana (heloka) ny olombelona. Ary amin’ny alalan’ny fahanendrehan’ny rany, sy ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra, dia afaka hahazo ny fahasoavan’Andriamanitra ireo, ary dia hoentina any amin’ilay saha mahafinaritra, ary hihinana ny voankazon’ny hazon’aina. HM58 12.8
Tamin’ny voalohany dia tsy afaka mifaly ny anjely ,satria ny Filohan’izy ireo dia tsy nanafina azy ireo ny zavatra rehetra fa nanokatra kosa teo anatrehan’izy ireo ny drafi-pamonjena. Niteny tamin’izy ireo Jesosy fa tokony hijoro eo anelanelan’ny fahatezeran’ny Rainy sy ny olombelona meloka izy, ary dia tokony hoentiny ny fahotana sy ny fanebahana , kanefa vitsy no handray azy ho Zanak’Andriamanitra. Ny ankamaroan’ny rehetra dia hankahala Azy sady handà Azy. Nandao ny voninahiny rehetra tany an-danitra Izy, hiseho ety an-tany toy ny olombelona, hanetry ny tenany toy ny olona tsotra, nampianatra ny tenany amin’ny alalan’ny fanandramany manokana sy ireo fakam-panahy maro isan-karazany izay mety hahazo ny olona izay manao ny asany; amin’ny maha-mpampianatra azy dia tokony hefainy, tokony hatolotra eo an-tanan’ny olombelona maro Izy, izay hahatonga azy hiaritra ny fampijaliana sy fahoriana izay Satana sy ny anjeliny no mamporisika ireo olon-dratsy hanao fanasaziana izany Aminy, ary dia ho faty amin’ny fahafatesana farany izay mahatsiravina indrindra Izy, hihantona eo anelanelan’ny lanitra sy tany toy ny mpanota meloka. Ary tokony hiaritra ny ora mangidin’ny fialan’aina, amin’ izany Izy, na dia ny anjely aza dia tsy mba afaka hahazaka ny mijery Azy, fa nanakana ny tavan’izy ireo amin’ny fisentoana. Tsy hoe fijalian’ny vatana fotsiny ihany no tokony hiaretany; fa fijaliana aratsaina koa, izay tsy azo ampitahaina na amin’ny fomba ahoana na ahoana amin’ny fijaliana ara-batana. Ny vesatry ny fahotana rehetra manerana izao tontolo izao dia hapetraka eo Aminy avokoa. Niteny tamin’ireo anjely Izy fa tsy maintsy ho faty Izy ary hitsangana indray amin’ny andro fahatelo; ary dia hakarina any amin’ny Rainy mba hifona ho an’ny olomeloka. HM58 13.1
Niankohoka teo anatrehany ireo anjely. Nomen’izy ireo ny ainy. Niteny azy ireo Jesosy fa tokony hataony izany satria amin’ny alalan’ny fahafatesany no hamonjena ny maro amin’ ny mpanota; satria ny ain’anjely iray dia tsy mahaloa ny trosa. Ny ainy irery ihany no neken’ny Rainy ho avotra ho an’ny olombelona. Niteny tamin’ izy ireo koa Jesosy fa ireo koa dia hanana ny anjara sahanina amin’ io drafitra io, dia ny miaraka aminy mandrakariva, ary ny manampy azy. Ary tokony handray ny toeran’ny olombelona lavo Izy, ary ny heriny dia tsy tokony hitovy tantana amin’ny an’izy ireo. Ary ireo dia tokony ho vavolombelon’ny fanetren-tenany sy ireo fijaliana mahatsiravina. Ary koa ho vavolombelon’ireo fahoriany, ary ny fankahalan’ny olombelona Azy, tokony hahatsapa fihetsem-po farany izay lalina indrindra ireo, ary amin’ny alalan’ny fitiavan’izy ireo Azy, tokony mba haniry ny hanao zavatra mba ho famonjena Azy ary hanafaka Azy amin’ireto mpamono Azy ireto. Kanefa, tsy azon’ireo natao ny nanakana (ny zava-nitranga) na inona na inona, ny hany tokony hataon’izy ireo dia ny mijery sy mandray anjara amin’ny fitsanganany; dia izao ny drafi-panavotana voaforona izao, ary neken’ny Ray izany. HM58 13.2
Tamin’ny alahelo masina no nampaherezan’I Jesosy sy nampiakarany ny fanantenan’ny anjely, ary nampahafantarany azy ireo fa aoriana ireo rehetra izay nanaovany fanavotana ( novidiany) dia hiaraka Aminy, ary hitoetra miaraka Aminy mandrakizay, ary amin’ny alalan’izany fahafatesany izany dia tokony hahavonjy maro Izy, ary handrava an’ilay manana ny herin’ny fahafatesana. Ary tokony homen’ny Ray Azy ny fanjakana, sy ny fahalebiazan’ny fanjakana eo ambanin’ny lanitra manontolo ary dia tokony ho azy mandrakizay mandrakizay izany. Satana sy ny mpanota dia tokony hopotehina, ary tsy hanelingelina ny lanitra intsony, na ny tany vaovao efa voadio. Miangavy ireo vahoakan’ny lanitra Jesosy mba hifanaraka amin’ny drafitra izay neken’ny Rainy, ary hifaly satria ilay olona lavo dia afaka asandratra indray amin’ny alalan’ny fahafatesany, mba handray ny fahasoavana miaraka amin’Andriamanitra sy finaritra ao an-danitra (rahatrizay). HM58 13.3
Fifaliana, fifaliana tsy hay tononina no nameno ny lanitra. Ary ireo tafiky ny anjely dia nihira hira fiderana sy fiankohofana. Noraisin’izy ireo ny valihany (harpa) ary nihira naoty iray izay farany ambony indrindra nohon’ny nataon’izy ireo teo aloha izy ireo, mba ho fisaorana lehibe sy noho ny faneken’Andriamanitra tamin’ny nahafoizany ny Malala-Tiany mba ho faty ho an’ny taranaka mpikomy. Fiderana sy fiankohofana no nirotsaka teo anoloana noho ny fahafoizan-tena sy sorona izay nataon’I Jesosy ; ary tokony fanaovana fanatitra an’I Jesosy. Hanaiky ny hiala eo an-tratran-drainy ary nifidy ny fiainana feno fahoriana sy tebiteby ary ho faty amin’ny fahafatesana manala-baraka amin’ny fanomezana ny aina ho an’ny hafa . HM58 13.4
Nilaza tamiko ny anjely : Mieritreritra ve ianao fa ny Ray dia hahafoy ny Zanaka malala izay tiany tsy misy tolona ? Tsia , tsia . Izany dia ady koa ho an’ny Rain’ny Lanitra , na ny hamela ny ho ringana ny olomeloka na ny manome ny Zanany tiana ho faty ho azy ireo. Nahaliana ny Anjely fatratra ny fanavotana ny olombelona satria ho hita miaraka ao amin’ireo, izay tokony handao ny voninahiny ary hanolotra ny ainy ho an’ny olombelona mety maty. Kanefa, nilaza tamiko ilay anjely mpanara-dia ahy, fa izany dia tsy hahazoana tombotsoa na inona na inona. Ny fandikan-dalàna dia lehibe loatra hany ka ny ain’ny Anjely iray dia tsy tokony hahavoaloa ny trosa . Tsy misy afa-tsy ny fahafatesana sy ny fanelanelanan’ny Zanany ihany no tokony hahaloa ny trosa, sy hamonjy ny olom-bery amin’ny tebitebin’ny tsy fisiam-panantenana sy fahantrana . HM58 14.1
Fa natoro an’ireo anjely ny asany, dia ny miakatra sy midina sady manamafy ny teny fampaherezana izay avy amin’ny voninahitra mba hanalefaka ny Zanak’Andriamanitra amin’ny fahoriana izay mianjady Aminy, ary fiahiana Azy . Miaro ihany koa ny momban’ ny fahasoavana amin’ ny hery miasa manginan’ ireo anjely ratsy sy ny fahamaizinana izay alatsakin’i Satana amin’izy ireo lalandava. Ary hitako fa tsy azon’Andriamanitra natao ny nanimba na nanova ny lalàny mba hamonjena ny olom-bery mety maty; noho izany dia noleferiny ny Zanany tiany ho faty ho an’ny fandikan-dalàn’ny olombelona. HM58 14.2
Niravo indray i Satana sy ireo anjely fa afaka nanao tamin’ny alalan’ny fiahatsiana ny fahalavoan’ny olona, sy nampidina ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny toerana nanan-daza nananany .Nilaza tamin’ireo anjeliny izy fa rehefa maka ny toetran’ny olombelona lavo Jesosy, dia ho afaka hanjaka Aminy izy ka hanakana ny fahatanterahan’ny drafi-panavotana . HM58 14.3
Rehefa avy teo dia naseho ahy Satana , tamin’ny endriny taloha feno hafaliana sy anjely manan-daza. Avy teo dia naseho ahy ny endriny ankehitriny. Dia mbola mitondra ny mpanjaka ihany izy. Ny bikany dia mbola miendrik’andriana satria anjely lavo izy. Kanefa ny fombampitenenany dia feno fanahina lehibe, tebiteby, alahelo; fankahalana, faharatsiana diso fanantenana ary ireo ratsy rehetra. Ny handriny izay tena mihaja fahiny no tena voatsikaritra. Ny handriny mitongilana mankany aoriana. Hitako fa ny fahazaran-dratsiny ela no nahasimba ireo fahatsarany rehetra, ary dia nihanitombo ny endrika ratsy tsirairay. Niharatsy ny masony feno hafetsena ary nampiseho fahiratan-tsaina lehibe. Ny tenany ivelany dia lehibe; fa ny nofon’ny handriny sy ny tarehiny dia nirotsaka be ihany. Araky ny fijeriko azy, mitehi-tsaokany amin’ ny tanany havia izy. Dia toa lasa eritreritra be ihany izy . Ny tsiky dia teo amin’ny endriny, izay nampagovitra ahy dia feno faharatsiana izany ary hafetsen’I Satana. Io no tsiky fanaony aloha kelin’ n fotoana izay andrendrehany ny hazany. Ary rehefa azony ao anatin’ ny fandriny ireo dia vao maika mahatsiravina io fihomehezany io. HM58 14.4