Any dia nentina tany amin’ny fotoana izay nitafian’i Jesosy ny toeran’olombelona aho, nanetry tena toy ny olona, ary dia niaritra ireo fakam-panahin’I Satana. HM58 15.1
Ny fahaterahany dia tsy mahalala fahamboniana teto amin’ity izao tontolo izao ity. Teraka tao antranon’omby izy, norotsirotsiana tao anaty fihinanam-bilona; kanefa ny fahaterahany no nonem-boninahitra be lavitra noho ny zanak’olombelona rehetra. Ny anjely avy any an-danitra, no nampahafantatra ireo mpiandry ondry ny fahaterahan’i Jesosy, nandritra izany dia hazavana sy voninahitra avy tamin’Andriamanitra no niaraka tamin’ny fijoroana vavolombelon’izy ireo. Noraisin’ireo vahoakan’ny lanitra ny valihan’ (harpan) izy ireo ary dia nanome voninahitra an’Andriamanitra ireo. Ary nilaza tamin’ pandresena ny fiavian’ilay HM58 15.2
Zanak’Andriamanitra teto an-tany mba hanatanteraka ny asa fanavotana amin’ ny tany efa lavo, ary amin’ny alalan’ny fahafatesany no hitondrany fiadanana, fifaliana, ary fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona. Nomen’Andriamanitra voninahitra ny fiavian’ny Zanany. Niankohoka teo aminy ny anjely rehetra. HM58 15.3
Ireo anjelin’Andriamanitra dia naniditsidina teo ambonin’ny fampisehoana ny batisany ary ny Fanahy Masina nidina tahaka ny endriky ny voromailala, ary nanazava azy ary dia talanjona dia talanjona ny vahoaka, ary tsy niala teo aminy ny mason’izy ireo, re avy ary an-danitra ny feon’ny Ray, izay milaza: “Ianao no Zanako malala, Ianao no sitrako.” HM58 15.4
Nisalasala i Jaona Mpanao Batisa fa sao ny Mpamonjy tokoa io tonga eo Jordana mba hataony batisa io. Kanefa nampanantena fahamantarana azy Andriamanitra amin’izay dia ho fantany ilay HM58 15.5
Ondrin’Andriamanitra. Io famantarana io dia nomena tahaka ny voromailanan’ny lanitra izay nipetraka teo ambonin’I Jesosy, ary ny voninahitr’Andriamanitra dia naseho nanodidina Azy. Noraisin’i Jaona Mpanao Batisa ihany ny tanany, ho eny aminy ary notondroiny i Jesosy, ary tamin’ny feo nahery no niantsoany hoe: “Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” HM58 15.6
Nampahafantaran’i Jaona ireo mpianany fa Jesosy no Mesia izay nampanantenaina, ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Rehefa nitehika tamin’ ny fiafarany ny asany, dia nilaza tamin’ ireo mpanara-dia azy izy mba hiantehitra amin’i Jesosy, ary hanaraka Azy izay mpampianatra lehibe. Tsy mba nisy fahafinaretana ny fiainan’i Jaona Mpanao Batisa. Fa fiainana feno tebitebin-tsaina sy fandavan-tena izany. Izy no niantso ny fiavian’i Kristy voaloahany, ary kanefa tsy navela hiatrika ireo fahagagana, na hanaram-po tamin’ny hery izay nasehony. Fantany fa rehefa nandray ny asany amin’ny maha mpampianatra Azy Jesosy, dia tsy maintsy ho faty izy. Nahalana ny nandrenesana ny feony, afa tsy tany an’efitra. Nitoka monina ny fianany. Tsy miaraniaina teo anivon’ny fianakaviany izy, mba hiara-mifaly amin’izy ireo, fa nanalavitra azy ireo mba hahatanteraka ny asany. Maro ireo mamela ny andraikiny eo an-tanan-dehibe sy eny ambanivohitra, ary manatona ny tany efitra mba hihaino ny feon’ilay mpaminany hafa kely mahagaga. Napetrak’i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny foton-kazo ny famaky. Nanameloka ny ota izy sady tsy natahotra izay vokatra aterak’izay, ary nanamboatra noho izany ny lalana ho an’ny zanak’ Ondrin’ Andriamanitra izy. HM58 15.7
Voakasika ny fon’I Heroda raha naheno ny fijoroana vavolombelonan’i Jaona izay sady mivantana no mahery. Tanim-pahalianana fatratra no nitadiavana izay tsy maintsy ataony mba hahatonga azy ho mpianany koa. Fantatr’I Jaona anefa fa te-hanambady ny vadin’ny rahalahiny izy, kanefa mbola velona ny vadiny, dia nolazainy an’i Heroda tamin-hatokiana feno fa tsy ara-dalàna izany. Tsy te-hanao fandavan-tena i Heroda ka dia nanambady ny vadin-drahalahiny izy, ary teo ambany fitaoman-dravehivavy, no nisamborany an’i Jaona Mpanao Batisa ary dia nanao azy tao an-tranomaizina, kanefa Heroda nieritreritra ny hamoaka azy indray. Tamin’izy taom-pigadrana, ren’i Jaona tamin’ny alalan’ireo mpianany ny asa’mahagaga izay ataon’i Jesosy. Tsy nahazo nihaino izany fandaharan-teny tsara izany izy fa ireo mpianiany no nampahalala izany azy, ary nampahery azy tamin’izay rehetra ren’izy ireo. Nohon’ny fitaoman’ny vadin’i Heroda, dia tsy ela taorian’izay, dia notapahiny ny lohan’i Jaona. HM58 15.8
Ary hitako fa ireo mpianatra farany madinika indrindra izay nanaraka an’i Jesosy, izay vavolombelon’ireo fahagagana nataony, ary nahare ireo teny mampahery izay nivoaka avy teo amin’ ny molony indray, dia lehibe kokoa noho i Jaona Mpanao batisa. Ary ireo nasandratra sy nohajaina bebe kokoa sady nahita fahafinaretana teo amin’ny fiainany bebe kokoa noho ny an’i Jaona Mpanao-batisa. HM58 15.9
Niditra tao amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia i Jaona, mba hitory ny fiavian’i Jesosy voalohany. Ary dia nentina tany amin’ny andro farany aho, ary nahita fa i Jaona no naneho ireo mpino izay handeha ao anatin’ny fanahy sy ny herin’i Elia mba hiantso ny andron’ny fahatezaran’Andriamanitra, ary ny fiavian’i Jesosy fanindroany. HM58 15.10
Taorian’ny batisan’i Jesosy tao Jordana, dia nentin’ny Fanahy tany an’efitra ny Mpamonjy mba hakan’i Devoly fanahy azy. Ny Fanahy Masina no nanomana azy amin’izany sehatra manokana ny fizahan-toetra nahanay izany. Efapolo andro no nakan’i Devoly fanahy Azy, ary tao anatin’ireo andro ireo dia tsy nihinana na inona na ninona mihitsy izy. Naharikoriko Azy avokoa ny nijery ireo zavatra rehetra manodidina Azy ary ny maha-olona nanosika Azy hihanalavitra. Niaraka tamin’ireo bibidia izy, ary ny Devoly, tamin’io toerana izay feno loza sy mitokana. Hitako fa ny Zanak’Andriamanitra dia tena hatsatra tokoa sady nihamahia noho ireo fifadian-kanina sy fahoriana izay nahazo Azy. Nefa tsy maintsy nandalo tamin’ izany Izy mba hanatanterahany ny asa izay nahatongavany tety ho vitaina. HM58 15.11
Nararaotin’i Satana izany fahorian’ny Zanak’Andriamanitra izany, ary dia nanomana ny hanao fahirano azy amin’ny alalan’ireo fakam-panahy maro izy, dia tao anatin’ny fanantenana fa handresy Azy, satria nanetry tena toy ny olona Izy. Ary dia avy niaraka tamin’ity fakam-panahy ity i Satana: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, didio ho tonga mofo io vato io” Naka fanahy an’i Jesosy izy, mba hiondrika eo anatrehany, ary hanome porofo azy fa Izy tokoa no ilay Mesia amin’ny alalan’ny fampiasany ny heriny izay avy amin’Andriamanitra. Namaly azy tamin-pahalemenam-panahy i Jesosy hoe : « Voasoratra hoe: tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra ». HM58 16.1
Nitady izay hiadivan-kevitra amin’i Jesosy i Satana mikasika ny maha-zanak’Andriamanitra Azy. Ary dia nolazainy Azy ny fahalemeny sy ireo fijaliany ary tamin-pireharehena no nilazalazany fa izy dia matanjaka kokoa noho i Jesosy. Kanefa ny teny avy any an-danitra izay nanao hoe: « Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako » dia ampy hanoana an’i Jesosy ao anatin’ireo fahoriana rehetra izay mianjady aminy. Ary hitako fa tsy manan-kery ho enti-mandresy an’ i Satana i Kristy, na ho entiny hanaporofoana aminy ny maha-Mpamonjy an’ izao tontolo izao Azy. Satana dia efa nanana porofo maro ny amin’ny toerana ambony, sy fahefana izay ananan’i Jesosy. Ny fandavany hankasitraka ny fahefan’i Jesosy no mandroahana azy hiala ny lanitra. HM58 16.2
Mba hanehoan’i Satana ny heriny dia nentiny tany Jerosalema Jesosy, ary napetrany tao an-tampon’ny tempoly Izy, ary teo, dia niangavy Azy izy ny mba hianjerany avy eny ambony mahafanina eny mba hanaporofoany ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy. Satana tamin’indray nitoraka ity dia nampiasa ny tenin’ ny tsindrimandry: « Fa voasoratra hoe: Izy hadidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.» Namaly azy Jesosy nanao hoe : « Fa voasoratra hoe: Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao.” Nirian’i Satana ny hitaona an’i Jesosy hihevitra fa eo ambany fanindrampon’Andriamanitra, ary ho sahisahy hanao kitoatoa ny fiainany alohan’ny hahavitany ny asa izay nampandraiketina azy. Niriny mantsy ny hanafoanana ny drafi-panavotana. Kanefa hitako fa io drafitra io dia namana fototra lalina loatra hazerany sy hosimban’ i Satana. HM58 16.3
Ary hitako, fa i Kristy no ohatra ho an’ny Kristianina rehetra raha alain-panahy, na rehefa hiadiankevitra ny zon’izy ireo. Tokony hitondra ireo amin-paharetena izy ireo. Tsy tokony hieritreritra izy ireo hoe manana zo hiantso an’Andriamanitra mba haneho ny heriny ho azy ireo mba hahazoany fandresena ny amin’ ireo fahavalony, raha tsy hoe angaha misy zavatra nanakana izay hahazoan’Andriamanitra voninahitra sy haja nivantana azo avy amin’izany. Ary hitako fa raha nampianjera ny tenany avy tany amin’ny tampon’ny Tempoly Jesosy, dia tsy nanome voninahitra ny Rainy velively izy amin’izany; Satria tsy nisy ho vavolombelon’izany, raha tsy i Satana ary ireo anjelin’Andriamanitra. Ary dia nampirisika ny Tompo mba haneho ny heriny eo anoloan’ ilay fahavalo farany izay ratsy indrindra. Dia hampitanondrika Azy ao anatrehan’ilay nazerany ho amin’ ny tany izany. HM58 16.4
” Ary ny Devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneo Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao raha hiankohoka sy hivavaka amiko Hianao. Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao ry Satana fa voasoratra hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofana ary izy irery ihany no hotompoinao” HM58 16.5
Ary dia nampandalovin’ i Satana teo anatrehan’ i Jesosy avokoa ny fanjakana rehetra teto an-tany sy ny voninahiny rehetra. Hatolony ho an’i Jesosy daholo ireo rehetra ireo raha nanaiky ny miankohoka teo anatrehany Izy. Niteny tamin’ i Jesosy isy fa hafoiny ho Azy ny zony amin’ ny fananany ny tany. Fantratr’ i Satana fa raha mahomby ny drafi-pamonjena, ary raha maty i Jesosy mba hanavotra ny olombelona, izy Satana hahita fa voafetra ny heriny; ary hesorina aminy izany amin’ ny farany ary izy tenany hofongorina. HM58 16.6
Nahalala izy fa tokony ho faty Jesosy mba hanavotana ny olona nisy fotoana izay hiafaran’ny heriny ary dia hosakanana koa, izy tenany mihitsy. Noho izany no nanaovany tetik’asa ny hisakanana raha azo atao, ny fahavitan’ny asa lehibe izay efa natombok’ ilay Zanak’Andriamanitra. Raha ny drafitra voasoritra ho famonjena ny olona no tsy tafita, notehirizin’i Satana ny fanjakana izay nihamboany fa azy. Ary raha tafavoakany izay dia hirehareha izy fa izy no tokony hanjaka fa tsy Andriamanitry ny lanitra. HM58 16.7
Nihorahan’i Satana raha nandao ny lanitra ny heriny ary ny voninahiny mba handao ny lanitra i Jesosy. Nieritreritra mantsy izy fa napetraka teo amin’ny fahefany ny zanak’Andriamanitra. Ho mora foana no hahombiazana amin’ ny fakam-panahy an’ ireo mpivady voalohany tao Edena, nanantena izy noho ny fahefany ary ny hafetsen-dratsin’ i Satana hanana hevitra ny amin’ ny Zanak’ Andriamanitra, ary noho izany dia hiaro ny ainy sy ny fanjakany izany. Raha nahomby izy tamin’ny fakam-panahy, izay nataony tamin’i Jesosy mba handikany ny sitrapon’ny Rainy, dia hotratrany ny tanjony. Fa Jesosy nanohitra an’ ilay mpaka-fany nanao hoe: “Mandehana ianao ry Satana.” Tsy nisy afa tsy ny Ray ihany no tokony hiankohofana. Satana milaza azy ho tompon’ ny fanjakana rehetra amin’ ny tany ary manambitamby moramora an’ i Jesosy izy fa ireo fahoriana rehetra ireo azo ialana, tsy ilaina akory izay fahafatesana mba hahazoana ny fanjakana rehetran’ ity tany ity. Ampy ho Azy ny miankohoka eo anatrehany mba hahazoany ny tsara rehetra amin’ izao tontolo rehetra izao ary ny hanjaka aminy amim-boninahitra. Saingy tsy azo nohozongozonina i Jesosy. Fantany fa ho avy ny andro izay hanolorany ny ainy ary hesoriny amin’ i Satana ny fanjakana; ary aorian’ ny andro sasany ny any andanitra rehetra sy ny ety an-tany dia hampanakena Azy. Nisafidy ny fiainany izay feno fahoriana izy, ny fahafatesana mahatsiravina, ary ny lalana izay nosoritan’ny Ray ho Azy mba hahatonga azy ho mpandova aradrariny ny fanjakan’ny tany ary izay hatolotra eo an-tany, ho fananany mandrakizay mandrakizay. Satana koa dia hatolotra eo an-tanany mba haringany amin’ny alalan’ny fahafatesana, ary tsy hanelingelina an’i Jesosy intsony, na ireo masina ao amin’ny voninahiny. HM58 16.8
Jereo Mpanjaka 17:35-36 ; Salamo 91:11-12; Lioka Toko 2-4 HM58 17.1