Go to full page →

Fiaikena ny fahotana IFL 53

Ny dingana voalohany eo amin’ny fampihavanana amin’Andriamanitra dia ny fiaikena ny fahotana. «Ny ota no fandikana ny lalàna.” «Ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota» - 1 Jao. 3:4; Rôm. 3:20. Mba hahitany ny mahameloka azy dia tsy maintsy misedra ny toetrany amin’ny alalan’ny fitaratr’Andriamanitra izay mampiseho ny fahatanterahan’ny toetra marina ka mahatonga azy ho afaka hahita ny kileman’ny tenany izy. IFL 53.1

Mampiseho ny otany amin’ny olona ny lalàna, fa tsy mitondra fanafody hanasitranana izany. Manambara ny lalàna fa fahafatesana no anjaran’ny mpandika azy. Ny filazantsaran’i Kristy irery no mahay manafaka ny mpanota amin’ny fanamelohan’ny fahotana na ny fahalotoana avy aminy. Tsy maintsy mibebaka amin’Andriamanitra izy, satria nandika ny lalàny; tsy maintsy mino an’i Kristy izy, Ilay sorona nanavotra azy. Amin’izany fomba izany no ahazoany «famelana ny fahotana lasa” (jereo ny Rôm. 3:25) ka mahatonga azy ho zanak’Andriamanitra. IFL 53.2