Go to full page →

Ireo anjely mpiambina IFL 18

Misy anjely mpiambina notendrena ho an’ny mpanaraka an’i Kristy tsirairay. «Ny anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy” - Sal. 34:7. Hoy ny Mpamonjy, raha niteny tamin’ireo izay nino Azy: «Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko” - Mat. 18:10. Azon’ny vahoakan’Andriamanitra antoka ny fiarovana tsy miato ataon’ny anjelin’ny lanitra, raha miatrika ny ankasomparana tsy an-kiato afitsoky ny andrianan’ny maizina izy. Natao izany fanomezan-toky izany satria misy anjely ratsy mahery hotoheriny - marobe izy ireny, vonombonona, ary tsy mety sasatra. IFL 18.1