Go to full page →

Toko 67 — Mamafy Eny Amoron’ny Rano Rehetra HAT 190

Miantso ny vahoakany ny Tompo mba hirotsaka an-tsehatra amin’ny sampan’asa samihafa amin’ny asa misiônera, mba hamafy eny amoron’ny rano rehetra. Tsy manao afa-tsy ampahany kely amin’ny asa iriny hataontsika eo anivon’ny mpifanolo-bodirindrina sy ny namana isika. Amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy amin’ny mahantra, ny marary, ny misaona no ahazoantsika hery miasa mangina amin’izy ireo, mba hahita lalana ao am-pony ny fahamarinan'Andriamanitra. Tsy tokony havela handalo fotsiny ka tsy hohararaotina hanaovana asa fanompoana izany toe-javatra izany. Izany no asa misiônera ambony indrindra izay azontsika hatao. Ny fanehoana ny fahamarinana amim-pitiavana sy fangorahana isan-tokantrano dia mifanaraka amin’ny toromarik’i Kristy ho an’ny Mpianany rehefa naniraka azy ireo hivoaka tamin’ny dia misiônera voalohany izy ireo. HAT 190.2