Go to full page →

Asa Misiônera any amin’ny Firenen-Kafa HAT 198

Ilaina ny tanora. Antsoin’Andriamanitra ho any amin’ny saha misiônera izy ireo. Tsy dia manana zavatra ahiana sy andraikitra izy ireo raha ampitahaina amin’ny hafa, tsara toerana kokoa izy raha hirotsaka ao amin’ny asa noho ireo izay tsy maintsy manohana sy mikarakara ankohonana betsaka. Etsy an-daniny koa, ny tanora dia afaka hampifandrindra ny tenany kokoa amin’ny toetr’andro vaovao sy ny fiarahamonina vaovao, ary afaka ny hiaritra tsaratsara kokoa ireo zava-manahirana sy ireo zava-tsarotra iaretana. Amin’ny alalan’ny fahaizana mifandray aman’olona sy ny fikirizana no ahafahany manatratra ny olona any amin’ny toerana izay misy azy. - TFC, b. 5, t. 393. HAT 198.2

Tokony hanofana ny tenany ny tanora hahatonga azy ireo ho havanana amin’ny tenim-pirenena hafa, mba hahafahan’Andriamanitra mampiasa azy ireo ho mpanelanelana hampita ny Fahamarinany mahavonjy any amin’ireo firenena hafa. Mety hahazo fahalalana ny amin’ny tenim-pirenena hafa ireo tanora ireo na dia eo am-piasana ho an’ny mpanota aza. Raha toa ka mahay mampiasa tsara ny fotoany izy dia afaka ny hanatsara ny fahaizany sy hanofana ny tenan’izy ireo ho amin’ny asa mahasoa mivelatra kokoa. Raha ny tanora zazavavy izay tsy dia manana afa-tsy andraikitra kely no maniry ny hanokan-tena ho an’Andriamanitra, dia tokony hanofana ny tenany amin’ny alalan’ny fianarana sy hizatra ireo tenim-pirenena hafa. Afaka manokana ny tenany amin’ny asa fandikan-teny izy ireo. - TFC, b. 3, t. 204. HAT 198.3