Go to full page →

Fanompoana Sahaza ny Tanora HAT 199

Afaka ny ho mpiasa misiônera ao an-tokantrano sy ao amin’ny fiangonana ny ankizy. Irin’Andriamanitra ny hampianarana azy ireo fa tokony hanao asa fanompoana mahasoa eto amin’ity izao tontolo izao ity izy ireo fa tsy hilalao fotsiny. Afaka ny hofanina hanao asa misiônera ao an-tokantrano izy ireo izay hanomana azy ireo ho amin’ny sehatr’asa mahasoa mivelatra kokoa. Ry ray aman-dreny, ampio ny zanakareo hahatanteraka izay nokendren’Andriamanitra ho azy ireo. -RH, 8 Des. 1910. HAT 199.1