Zavatra tena manan-danja tokoa ny fahasalamana, kanefa dia ankavitsiana ireo olona izay tena manome haja izany; ao aminy no fototry ny hery ara-tsaina sy ny hery ara-batana. Ny fihetseham-po sy ny fahafinaretana dia samy manana ny toerany avokoa ao amin’ny tenan’olombelona ka tokony hokolokoloina anatin’ny fepetra feno ara-nofo sy hampisy hery miasa mangina tsara indrindra eo amin’ny lafiny ara-panahy. Izay rehetra mampihena ny hery ara-batana dia mandemy ihany koa ny herin’ny saina, hany ka tsy ahafahany manavaka ny tsara sy ny ratsy. HAT 207.1
Ny tsy fampiasana ny herim-batana no manafohy ny fotoana izay azo anompoana an’Andriamanitra ho voninahiny, eny, tsy hahavitana ny asa nasain’Andriamanitra hataontsika. Mampiorina ny fahalemena ao amin’ny tenantsika avokoa ny fandeferan’ny ten antsika amin’ny fahazaran-dratsy, amin’ny fahataran-dava, amin’ny hatendan-kanina izay manimba ny fahasalamana (...) HAT 207.2
Meloka tanteraka eo anatrehan’Andriamanitra ary mandroba Azy isika amin’izay rehetra atao ka mety hanafohy ny andro iainana. Ary dia mandroba ny manodidina antsika koa isika. Nomena fotoana fohy isika mba ho fitahiana ho an’ny hafa, hanao ny asan’Andriamanitra eto amin’ity izao tontolo izao ity. Ary dia tsy afaka hanatanteraka ny asa mety ho vita mandritra izay fotoana nanirahana antsika ihany koa isika. Ireo izay manana fahazaran-dratsy tsy miasa ho an’izao tontolo izao kanefa afaka hanao izany dia hohelohina eo anatrehan’Andriamanitra. — RH, 20 Jona 1912. HAT 207.3