Go to full page →

Toko 73 — Fahamasinan’ny Fahasalamana HAT 208

Tonga teto an-tany niaraka tamin’ireo fakam-panahiny i Satana, toy ny anjelin’ny fahazavana, toy ny nanatonany an’i Kristy tany an-tany efitra. Hampihena ny herin’olombelona, na ara-batana izany na koa ara-tsaina; izay no antom-pisiany, mba hahafahany manjaka eto an-tany. Nahomby tokoa ny fakam-panahiny teo amin’ny fihinana, raha toa ka tsy heverina ny ho vokany. Fantatr’i Satana fa tsy afaka hanatanteraka ny asa napetrak’Andriamanitra taminy sy amin’ny mpiara-monina aminy ny olona satria nataony izay hampikorosy fahana ny hery nomen’Andriamanitra azy hampiasainy. Manana fototra ny vatana: ny ati-doha izany. Rehefa malemy vokatry ny tsy fahalalana onony maro samy hafa ny fahafaha-mandray (ati-doha), dia tsy ho hay intsony ny hanavaka ny zavatra mandrakizay. HAT 208.1