Go to full page →

Manome Hery ny Vavaka HAT 216

Ny hery avy amin’ny vavaka dia mametraka antsika amin’ny fanatanterahana ny adidy andavanandro. Ireo fakam-panahy atrehina isan’andro dia mametraka ny vavaka ho lohalaharana. Raha tiana ny hiarovan’Andriamanitra amin’ny herin’ny finoana, dia aoka hanambara ny hetahetam-po amin’ny vavaka mangina isika. Rehefa sendra hery miasa mangina mitaona antsika hanalavitra an’Andriamanitra isika dia aoka hidodododo hangataka fanampiana avy amin’Andriamanitra. Raha tsy manao izany isika dia tsy hahomby velively amin’ny ezaka atao hanapotehana ny avonavona sy andresena ny herin’ny fakam-panahy mitarika antsika hanaram-po amin’ny ota, izay mampanalavitra antsika amin’ny Mpamonjy. Ny fahazavan’ny fahamarinana izay manamasina ny fiainana dia, hampibaribary izay mandray azy ny firedaredan’ny faniriana ho amin’ny ota, mitady hanapaka ny fo; ary izany dia mahatonga azy hamory ny heriny sy hampiasa ny tanjany hanoherana an’i Satana mba handreseny amin’ny fahamendrehan’i Kristy. - Thy Youth’s Instructor, 18 Aog. 1898 HAT 216.4