Go to full page →

Toko 78 — Ny Herin’ny Vavaka HAT 217

Teo an-tendrombohitra, akaikin’Andriamanitra i Mosesy no nandray ny môdelin’ny Fitoerana Masina. Teo koa no namitranana ny fihavanana tamin’Andriamanitra ka nahafahan’ny olombelona nandray ny idealy feno voninahitra. Amin’izay ohatra izay dia afaka mitaratra ny toetsika isika mba hahatanterahan’ny toky lehibe. (2 Kôr. 6:16) HAT 217.1

Alohan’ny hiatrehana ny andraikitra andavanandro dia tokony hanandratra ny fanahy amin’ny vavaka isika. Io fanandratana mangina io dia ho toy ny fofo-manitra eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Ilay Be Voninahitra, ary mandrava ireo fandrik’ilay fahavalo. Ny Kristianina miray fo amin’Andriamanitra dia tsy ho resy. Tsy misy afaka mandrava ny fiadanany. Ireo tokin’ny Tenin’Andriamanitra, ny herin’ny voninahitr’Andriamanitra, ny loharanon-keriny rehetra dia antoka ho fanavotana antsika. Toy izany no niarahan’i Enôka tamin’Andriamanitra. Andriamanitra no tokiny sady tsy nanary azy tamin’ny andro mahory. HAT 217.2