Go to full page →

Dingana Voalohany Mankany amin’ny Fahotana HAT 246

Efa misy fanomanana mialoha elabe tsy fantatry ny olona ataony (Satana) ao am-pon’ny Kristianina alohan’ny fahalavoany. Tsy avy hatrany tsy akory dia latsaka any amin’ny hantsan’ny faharatsiana sy ny fahalavoana ary ny fahadisoana bevava ny fahadiovana sy ny fahamasinan’ny fanahiny. Ilàna fotoana ela ny hahatongavan’ny olona noforonina araka ny endrik’Andriamanitra hianjera hitovy laharana amin’ny zavatra tsy misy endrika ka hanjary haka ny fomban’i Satana. Farany anefa, tsy maintsy hitovy endrika amin’izay jereny ihany ny olona. Tsy hita akory ny hiovan’ny olona misain-dratsy endrika ka hankafizany ny fahotana izay nahatsiravina azy teo aloha. - PM, t. 480. HAT 246.1