Go to full page →

Toko 95 — Ny Tombontsoa avy amin’ny Mozika HAT 253

Toy ny rivotry ny lanitra ny hiram-piderana ary rehefa mifandray ny lanitra sy ny tany dia misy mozika sy hira manakoako: «Fisaorana sy feo fiderana». HAT 253.4

«Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary niara-nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra”, izany no fifaliana eo amin’ny tavan’Andriamanitra eo am-piatrehana ny tany vaovao miaraka amin'ny hakanton’ny hatsarana tsy misy kilema. Ny fon’ny olona ho tafaray amin’ny an’ny lanitra hankasitraka sy hidera an’Andriamanitra amin’ny hiram-piderana. Niverimberina teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona izany mihira izany (...) HAT 254.1