Go to full page →

Fomba Voafidy HAT 31

Ny fijoroantsika ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’i Kristy no fomba nofidin’ny lanitra hanehoantsika Azy amin’izao tontolo izao. Hampanaiky ny fahasoavany isika amin’ny fanehoana izany ao amin’ny fiainan’ireo olo-masina fahizay, nefa izay tena hahomby tokoa dia ny fitantarantsika ny fanandramantsika manokana. Vavolombelon’Andriamanitra isika amin’ny fanehoana ny asan’ny heriny ao anatintsika. Samy hafa ny fiainan’ny olona sy ny fanandramana ataon’ny tsirairay. Maniry handray ny fiderana ataontsika Andriamanitra, maneho ny maha-isika antsika manokana. - M.H., t. 100. HAT 31.1