Go to full page →

Torohevitra Fanaovana Tahiry HAT 282

Tsy voatery holazaina amin’ny tsipiriany ny fomba hanaovana tahiry. Ireo izay manana fo milefitra eo ambany sitrapon’Andriamanitra, ireo izay manaiky hotarihin’ny Teniny no hahafantatra ny tokony hataony amin’ny hanatanterahany ny adidiny. Hiaina amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tenan’i Jesôsy izy: ny fitafiana izany toetr’i Kristy izany no varavarana hanakatona ny fakam-panahy tsy hiditra aminao. — FCE, t. 152. HAT 282.2