Go to full page →

Ohatra avy ao amin’ny Fiainam-Pianakaviana HAT 286

Mihoatra lavitra noho ny olona ao an-tokantrano ny asa nanirahana ny tokantrano. Ny tokantrano kristianina dia tokony ho lesona azo tsapain-tanana izay maneho ny fahatsaran’ny foto-kevitra marin’ny fiainana. Ny fanehoana toy izany dia ho hery hoenti-manao ny tsara eo amin’izao tontolo izao. Manan-kery lavitra noho ny toriteny azo atao ny tokantrano marina eo amin’ny fon’ny olombelona sy ny fiainana. Raha miala avy amin’ny tokantrano toy izany ny tanora, dia ho voazara ny lesona nianarany tao. Ho tafiditra ao amin’ny ankohonana hafa ny foto-kevitry ny fiainana ambony kokoa, ary hisy hery miasa hanandratra eo amin’ny fiarahamonina. — Tanamasoandron’ny Fahasalamana, t. 286. HAT 286.3