Go to full page →

Toko 119 — Fitafiana Madio HAT 305

Ny Baiboly dia mampianatra antsika hanana fahatsorana eo amin’ny fomba fitafy. «Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika » -1 Tim. 2:9a. Mandrara ny fitafiana mirenty, marevaka, miravadravaka amin’ny fandaniana be izany. Mampitandrina antsika ny Tenin’.Andriamanitra fa tsy fihaingoana mendrika avokoa izay rehetra mety ho haingo manintona ny maso na manaitaitra ny fampideran-tena. HAT 305.1