Go to full page →

Fizarana 13 - Fialan-Tsasatra Sy Fialam-Boly HAT 315

Tsy maintsy hay tsara ny manavaka ny fialan-tsasatra sy ny fialam-boly. Araka ny dikany (re-création) dia maka hery ary miasa. Miala amin’ny asa fanao an-davanandro ary manao asa hafa mba hampisy hery vao indray ho an’ny saina sy ny vatana ka hananana tanjaka hiatrehana indray ny fiainana. Etsy an-danin’izany ny fialam-boly no tadiavina mba hahazoana fahafinaretana, matetika be loatra ka mandany ny hery tokony hiatrehana ny asa, eny, tsy mampanjary ny fahombiazana aza. — Ed t.207. HAT 315.1