Misy ny zavatra ilaina indrindra dia ny hianaran’ireo lehilahy sy vehivavy izay mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ho lasa mpiasa mahomby amin’ny Asany. Tokony ho olona mendrika izy ireo, olona mahataka-javatra, tsy maneho famirapiratana ivelany izay mamitaka sy fitsikitsikiana tsy tena izy mahazatra izao tontolo izao, fa fahamendrehana sy fahalalam-pomba marina manana ny tsiron’ny lanitra, izay tokony hananan’ny Kristianina rehetra raha toa ka mpiray fomba amin’ny fomban’Andriamanitra izy. Ny tsy fahampian’ny fahamendrehana marina sy ny fahatsaran-toetra kristianina ao amin’ireo mpitandrina ny Sabata no olantsika amin’ny maha-vahoaka antsika, ary izany no mahatonga ny olona tsy ho resy lahatra amin’ny fahamarinana izay torintsika. Azo hatsaraina hatrany ny asa fanabeazana ny saina sy ny fomba amam-panao. Raha toa ka ireo izay manaiky ny fahamarinana no tsy mampivoatra ny tombontsoa sy ny fahafaha-manao ananany mba ho tonga lehilahy sy vehivavy ao amin’i Kristy amin’ny fahafenoany, dia tsy hanome voninahitra ny fahamarinana izy, tsy hanome voninahitra an’i Kristy. - TFC, b. 4, tt. 358, 359. {MYP 422.1}. HAT 368.2