Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ilaina ny Tena Fahalalam-Pomba Marina

    Misy ny zavatra ilaina indrindra dia ny hianaran’ireo lehilahy sy vehivavy izay mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ho lasa mpiasa mahomby amin’ny Asany. Tokony ho olona mendrika izy ireo, olona mahataka-javatra, tsy maneho famirapiratana ivelany izay mamitaka sy fitsikitsikiana tsy tena izy mahazatra izao tontolo izao, fa fahamendrehana sy fahalalam-pomba marina manana ny tsiron’ny lanitra, izay tokony hananan’ny Kristianina rehetra raha toa ka mpiray fomba amin’ny fomban’Andriamanitra izy. Ny tsy fahampian’ny fahamendrehana marina sy ny fahatsaran-toetra kristianina ao amin’ireo mpitandrina ny Sabata no olantsika amin’ny maha-vahoaka antsika, ary izany no mahatonga ny olona tsy ho resy lahatra amin’ny fahamarinana izay torintsika. Azo hatsaraina hatrany ny asa fanabeazana ny saina sy ny fomba amam-panao. Raha toa ka ireo izay manaiky ny fahamarinana no tsy mampivoatra ny tombontsoa sy ny fahafaha-manao ananany mba ho tonga lehilahy sy vehivavy ao amin’i Kristy amin’ny fahafenoany, dia tsy hanome voninahitra ny fahamarinana izy, tsy hanome voninahitra an’i Kristy. - TFC, b. 4, tt. 358, 359. {MYP 422.1}.HAT 368.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents