Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Bokin’ny Boky

    Miseho ao amin’ny boky ankafiziny mandritra ny fotoana fialam boly ny ho fanandramana ara-pivavahan’ny olona iray. Ny tanora zazalahy te hanana toetra madio sy mifanaraka amin’ny fomba fivavahana dia tokony hifandray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny. Maneho ny lalana mankeo amin’i Kristy ny Baiboly, ary milaza ny famonjena sy mitarika antsika ho amin’ny fiainana ambonimbony kokoa. Mirakitra ihany koa andian-tantara sy fiainan’olona mahaliana sy feno fampianarana tsy misy toa azy.HAT 237.4

    Bokin’ny boky rehetra ny Baiboly; raha vakinao izany mba hahazoana ny harena nafenina ary ahafahana manao ny asa rehetra, dia ho azonao ny toky fa i Jesôsy no manasa anao ho ao Aminy. Tsy ampy ny mamaky fe mamaky fotsiny ny Baiboly, kanefa tsy mikatsaka ny lesona ampianarin’i Kristy hampifanaraka ny fomba fiainantsika amin’ny Azy. Misy harena nafenina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay tsy ho hita raha tsy manao fitrandrahana lalina izany toy ny lava-pantsakan’ny fahamarinana.HAT 238.1

    Mandà ny fahamarinana ny saina ara-nofo fa ny Fanahy kosa no manova izany ho tsara. Ankahalaina io boky io, satria ny fiainana asehony dia mijoro hanohitra ireo mpanota, kanefa ankehitriny kosa, tonga sakafom-panahy sy fifaliana ary fanamaivanana ny fiainana izany. Ilay Masoandron’ny fahamarinana no manazava ireo takila masina, ary amin’ny alalany no itenenan’ny Fanahy Masina amin’ny fanahy (...)HAT 238.2

    Manasa ireo mankafy vakiteny maivamaivana i Kristy mba hifantoka amin’ny tenin’ny faminaniana izay azo antoka. Raiso ny Baibolinao ka vakio ary atombohy amin’ny fandinihana ireo tantara voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao izany. Arakaraka ny handalinanao ny Tenin’Andriamanitra no ahitanao ihany koa tsirony amin’izany, dia ho tsapanao ny maha-tsinontsinona ny vakiteny tsy masina fanaonao taloha. Raketo eo akaikin’ny fonao io boky sarobidy io. Ho namana sy ho mpitarika anao izy. — YI, 9 Okt. 1902HAT 238.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents