Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiadiana

    Ry tanora, ajanony ny famakiana ireny gazety mirakitra tantara tsy mahasoa ireny. Apetraho etsy an-tsisiny izy ireny (...) Andeha hodiovintsika amin’ireny gazety sy boky misy sary mamoafady, noforonin'ny fitaovan’i Satana ireny ny tranontsika. Tsy tokony hanapoizina ny sainy amin’ireny zavatra ireny ny tanora. «Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary? ” -Jer. 23:28. Na iza na iza milaza fa an’i Kristy dia tsy hamaky afa-tsy izay marina, izay manan-danja ho mandrakizay. - Counsels to Teachers, Parents and Students.HAT 249.2

    Aoka hiomana ho amin’ny fiatrehana ny adidy masina ny tanora. Misy izao tontolo izao mila vonjena (...) Eo amin’izany asa midadasika izany, iza no mbola ho sahy hanary sy hamotika ny fotoana sarobidy, fitaovana nomen’Andriamanitra antsika ka tsy handraisantsika anjara amin’ny tsara sy ny voninahitr’Andriamanitra? — YI, 14 Aog. 1906.HAT 250.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents