Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 91 — Ny Baiboly, Boky Mahaliana Indrindra

    Tsy miraharaha ny Baiboly ny olona na ny kely izany na ny lehibe. Tsy misy fitohizany ny fianarany izany ary tsy atsangany ho fitsipi-pitondran-tena eo amin’ny fiainany izany. Ny tanora no betsaka meloka amin’izany tsy firaharahana izany. Ny sasany amin’izy ireo mahita fotoana hamakiana boky hafa nefa tsy manokana fotoana akory isan’andro handinihana ny Baiboly, fotoana mba hianarana ilay hany boky mitondra any amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Vakina amim-pahalianana ny boky hafa mirakitra tantara tsy mahasoa fa manao tsinontsinona ny Baiboly, izay mpitari-dalana antsika ho any amin’ny fiainana ambony sy masina. Raha toa ka tsy ampitambolimbolenin’ny angano ny fieritreretana, dia hahita ny tombontsoa ambony indrindra ao anatin’io ny tanora.HAT 246.2

    Tsy afaka mahatratra ny fahafenoan’ny fivoarana na dia ny tanora mahira-tsaina indrindra aza raha toa ka tsy mamaky ny Tenin’Andriamanitra Ilay Loharanom-pahendrena ambony indrindra izy. Ao anatin’ny tontolo izay noharin’Andriamanitra isika, ary anatin’ny fanatrehan’ny Mpamorona tanteraka, nohariana tahaka ny endriny isika ary dia miahy antsika amim-pitiavana sy amim-pahendrena Izy: izany ahay ka foto-kevitra tsara tokony hameno ny saina ary mitondra antsika any amin’ny fifantohana ambony indrindra. Aorian’ny fanokafana ny saina sy ny fo mba handinika izany foto-kevitra izany dia tsy hahita fahafaham-po amin’ireny tantara mampihetsi-po sy manaitaitra ny filàna ireny intsony isika.HAT 247.1

    Azo tombanana, na dia sarotra aza, ny lanjan’ny fahalalana lalim-paka avy amin’ny Soratra Masina. «Avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra,» no mahatonga ny olon’Andriamanitra ho «tanteraka, ho vonona tsara ho amin'ny asa rehetra» -2 Tim. 3:15-17. Mendrika indrindra ho any Aminy ny fifantohantsika rehetra. Tokony tsy hianina amin’ny fahalalana ivelany fotsiny ihany isika, fa hitady, hamakafaka, hahafantatra ny dikan’ny Tenin’ny fahamarinana am-panovoana mandrakariva eo amin’ny Loharano Masina mba hahavonto ny fanahintsika. - CTPS, tt. 138, 139.HAT 247.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents