Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 27 — Fandresena Noraisina

    Kely foana ny fahatakarantsika ny hery mety ho antsika raha mifandray amin’ny loharanon’ny hery isika. Lavo amin’ny fahotana foana isika, ary mieritreritra fa ho izany hatrany. Mifikitra amin’ny fahalementsika isika toy ny hoe zavatra mampanan-karena izany. Miteny amintsika i Kristy fa raha te handresy isika dia tokony hanamafy ny tava tahaka ny afovato. Tao amin’ny tenany no nitondrany ny fahotantsika teo amin’ny hazo; ary amin’ny alalan’ny hery nomeny antsika, dia afaka hanohitra izao tontolo izao sy ny nofo ary ny devoly isika. Koa aoka isika tsy hiresaka ny amin’ny fahalementsika sy ny tsy fahatanterahantsika, fa hiresaka ny amin’i Kristy sy ny heriny. Rehefa miresaka ny amin’i Satana isika, dia vao mainka mamatotra ny heriny amintsika ny fahavalo. Rehefa miresaka ny momba ny herin’ny Tsitoha isika, dia mandositra ny fahavalo. Arakaraka ny anatonantsika an’Andriamanitra no anatonany antsika (...)HAT 82.2

    Maro amintsika no tsy mahay mampivelatra ny tombontsoany. Ezaka malemy no ataontsika hanaovana ny tsara, rehefa avy eo dia miverina indray amin’ny fiainam-pahotantsika teo aloha. Raha hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra isika dia hiditra amin’ny toetra tanteraka, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany. Arakaraka ny ahantomoran’ny farany no ampitomboan’i Satana ny asany. Mamelatra fandrika izy, tsy hitantsika, mba hamaboany ny saintsika. Amin’ny fomba rehetra no iezahany hanakonana amin’ny fanahy ny voninahitr’Andriamanitra. Anjarantsika ny misafidy na hifehy ny fontsika sy ny saintsika izy, na hahazo toerana ao amin’ny tany vaovao, ao amin’ny tanin’i Abrahàma isika.HAT 83.1

    Ny herin’Andriamanitra, miaraka amin’ny ezaka ataon’olombelona dia nahatonga fandresena be voninahitra ho antsika. Tsy ankasitrahantsika ve izany? Omena antsika ao amin’i Kristy ny haren’ny lanitra manontolo. Tsy hamela ny andian-tafiky ny ratsy hilaza Andriamanitra fa afaka nanao mihoatra noho izay nataony Izy. Izao tontolo izao noforoniny sy ny anjely any an-danitra dia afaka hanamarina fa tsy afaka nanao mihoatra noho izay nataony Izy. Manana tahirin-kery izay tsy fantatsika akory Andriamanitra, ary avy ao no anovozany ho antsika amin’ny andro mahory. Nefa dia ilaina mandrakariva ny hampiarahana ny ezaka ataontsika amin’ny Azy. Tokony hohatanjahina ny saintsika, ny fahatakarantsika, ny herin’ny tenantsika rehetra (...) Raha ho vonona amin’ny tampoka isika ka hitafy fiadiana toy izay miandry ny Tompony; raha hiasa handresy ny fahelemen’ny toetsika tsirairay isika, dia hanome antsika fahazavana sy hery ary vonjy fanampiny Andriamanitra. — YI, 4 Jan. 1900.HAT 83.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents