Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Namana Mahatoky

    Raha niakatra ho any amin’ny Rainy i Kristy dia tsy namela ny mpanaraka azy ho tsy misy mpanampy. Nirahina ny Fanahy Masina, izay solontenany sy ny anjelin’ny lanitra izay Fanahy manompo mba hanampy ireo tsy manana tombontsoa betsaka hiady ny ady tsaran’ny finoana. Tsarovy mandrakariva fa i Jesôsy no mpanampy anao. Tsy misy olona mahalala tsara afa-tsy Izy ny toetra mampiavaka anao, miambina anao izy, ary raha maniry ny hotarihiny ianao dia halefany manodidina anao ireo hery miasa mangina ho amin’ny tsara hanome hery anao hahatanteraka ny sitrapony rehetra ho anao.HAT 7.2

    Eto amin’ity fiainana ity no anomanantsika ny fiainana ho avy. Tsy ho ela dia hisy ampamoaka goavana, koa ireo Fanahy rehetra izay mikatsaka ny hahatanteraka toetra kristianina dia tsy maintsy hiaritra fitsapana amin’ny fanontanian’Andriamanitra manadihady hoe: moa namela ohatra azon’ny hafa harahina amim-pahatokiana ve ianao? Moa niambina ireo fanahy tahaka ireo tsy maintsy hampamoahina va ianao? Liana amin’ny tanora ny tafiky ny lanitra, ary maniry indrindra izy ireo ny hijoroanao amin’ny fitsapana, ary holazaina aminao ny teny fankasitrahana hoe: «Tsara izany ry mpanompo tsara sady mabatoky, (...) midira amin ‘ny fifalian'ny Tomponao.» -Mat. 25: 23.HAT 8.1

    Aoka ho tsapan’ny tanora fa eto amin’izao fiainana izao no handrafetany toetra ho amin’ny mandrakizay, ary takin’Andriamanitra izy ireo hanao ny tsara indrindra. Aoka ireo zokiny eo amin’ny fanandramana hijery ireo zandriny; ary rehefa hitany ireo fa alaim-panahy dia aoka izy hivavaka miaraka aminy sy ho azy. Tokony hankasitraka ny Tompo noho ny sorona lehibe nataon’i Kristy ho antsika amin’ny fanehoana fahalianana amin’ny famonjena ireo izay nahatongavany mba hovonjena isika. Raha hikatsaka an’i Kristy ny tanora, dia tsy ho very maina ny ezaka nataony». -YT, 2 Nov. 1911.HAT 8.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents