Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 83 — Maharitra amin’ny Fianarana ny Baiboly

    «Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy» -Jao. 5:39. Ny fandinihana dia fikarohana lalina, fitrandrahana ihany koa. Tokony hotadiavina ny harena raketin’ny Tenin’Andriamanitra satria tsy afaka manamaivana izany isika. Ianaro ireo takila sarotra amin’ny alalan’ny fampitahanao ireo andininy samihafa. Ho hitantsika fa ny Soratra Masina ihany no fanalahidin’ny Soratra Masina.HAT 226.1

    Hampitombo ny fahendreny ireo izay mandinika ny Teny amin’ny Fanahy sy vavaka. Maro amin’ireo olana misy eo amin’ny fiainana no ho voavaha araka ny lazain’ny Jao. 14:26: «Fa ny Mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiahy anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo».HAT 226.2

    Tsy misy soa azo avy amin’ny tsy fiezahana sy ny tsy faharetana. Ireo ihany no vahaolana amin’ny fikasana rehetra. Tsy tokony hanantena fahazoana ny fahalalana zava-panahy amin’ny tsy fisahiranana isika. Tsy maintsy miady lalina toy ny mpitrandraka vatosoa isika mba hananana ny haren’ny fahamarinana.HAT 226.3

    Tsy misy fahombiazana azo antenaina avy amin’ny fitsilamodamohana. Tokony hamaky ny Tenin’Andriamanitra ny tanora sy ny antitra: tsy hoe mamaky fotsiny ihany fa mandinika miaraka amin’ny toe-tsain’ny mpikaroka. Ho hita ny harena miafina satria Andriamanitra no nanome ny fahalalana.HAT 226.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents