Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fileferana Tanteraka

    Ny fivavahanao amin’i Kristy dia midika fa mampilefitra ny fiainanao manontolo ho eo ambany fahefan’Andriamanitra ianao ary manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina dia hatanjahina ny sainao, ary hampitomboina fatratra ny vokatr’ireo talenta izay efa nomen’Andriamanitra anao hampiasaina amin’ny fanompoana Azy. Hanamora tokoa ny fiainana ny fanolorana ny herintsika rehetra ho an’Andriamanitra. Ady an’arivony avy amin’ny fironan’ny fo tsy voaova no ho foana sy ho mora resena. Tady volamena hamatotra ny fanahin’ny tanora sy ny lehibe amin’i Kristy ny fivavahana. Amin’ny alalany no hitondrana avy eo amin’ny haizina sy lalana tery ho ao amin’ny tanànan’Andriamanitra ireo izay manaiky sy mankatò.HAT 18.1

    Misy tanora izay tsy nanana afa-tsy fahaizana mitovy amin’ny rehetra, nefa amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny fifehezan-tena, tarihin’ny mpampianatra entanin’ny foto-kevitra avo sy madio, no tonga mendrika ny andraikitra ambony iantsoan’Andriamanitra azy. Misy kosa ireo tsy hahomby satria tsy nanapa-kevitra ny handresy ireo fironana ao anatiny, ary tsy nihaino ny feon’Andriamanitra ao amin’ny teniny. Tsy nofefeny tsy hiditra ao amin’ny fanahiny ny fakam-panahy ary tsy nanapa-kevitra ny hamita ny adidiny na inona hihatra na inona hidona izy ireo. Sahala amin’izay tsy manaiky mpitarika na fananarana hisorohana ny fahafatesana izy, eo amin’ny lalana feno loza, hany ka mankany amin’ny faharavana izy.HAT 18.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents