Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mahazo ireo Olon-Tiana

    Marina fa mety hahatsapa karazam-pitebitebena ny amin’ny fanahin’ireo izay tianao ianao. Mety hitady izay hanokafana amin’izy ireo ny haren-tsarobidin’ny fahamarinana, ary ao amin’ny finiavanao dia mety handatsa-dranomaso ny amin’ny famonjena azy ireo; kanefa rehefa toa tsy misy fiantraikany afa-tsy kely fotsiny ny teny ataonao, ary toa tsy misy valiny hita taratra ny fivavahanao, saika hanome tsiny an’Andriamanitra ianao fa toa tsy mitondra vokatra ny asa mafy ataonao. Tsapanao fa toa manana hamafisam-po manokana ireo malalanao, ary tsy misy valiny ny ezaka ataonao. Kanefa mba efa nihevitra tamim-pahamatorana ve ianao fa mety ho ao amin’ny tenanao ny fahadisoana? Efa noheverinao ve fa arodanao amin’ny tanana ila izay ezahinao hajoro amin’ny tanana iray hafa?HAT 174.2

    Amin’ny fotoana izay hamelanao ny Fanahin’Andriamanitra mba hanana ny hery hifehy anao, sy amin’ny fotoana hafa izay nandavanao ny finoanao tamin’ny fomba fanaonao, ary nanimba ny asanao tamin’ireo olon-tianao; tamin’ny alalan’ny fomba fanaonao no nahatonga ny ezaka rehetra nataonao ho azy ireo tsy hisy vokany. Ny toetrao, ny teny tsy miloaka avy aminao, ny fomba fanaonao, ny toe-tsainao sorena, ny tsy fahampian’ny hanitry ny Kristianina eo aminao, ny tsy fahampian’ny aim-panahinao, ny endrika miseho eo amin’ny tavanao dia mijoro ho vavolombelona hiampanga anao (...).HAT 175.1

    Aza tsinontsinoavina mihitsy ny lanjan’ny zavatra madinika. Ny zavatra madinika no ahitana izay tena ilaina eo amin’ny fiainana. Amin’ny alalan’izy ireny no hanofanana ny fanahy na hitombo amin’ny fanahafana an’i Kristy, na hitondra ny mariky ny fitoviana amin’ny faharatsiana. Hanampy antsika Andriamanitra amin’ny fikolokoloana fahazarana eo amin'ny fisainana, fiteny, fijery, ary fanao mba hanamafy amin’ny rehetra ny mikasika antsika fa tena niaraka tamin’i Jesôsy tokoa isika ary nianatra Taminy! - YI, 9 Mar. 1893.HAT 175.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents