Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizahan-Toetra ny Fitiavana

    Alohan’ny hanomezany ny tanany hampakarina, ny vehivavy tsirairay dia tokony hanadihady raha toa ka mendrika ilay lehilahy izay hanakambanany ny hoaviny. Nanao ahoana ny fiainany taloha? Madio ve ny fiainany? Moa ny fitiavana asehony ve dia avy amin’ny toetra mendri-kaja sy ambony, sa fihetseham-po tsotra fotsiny? Manana ny toetoetra hahasambatra azy ve izy? Afaka mahita fiadanana marina sy fifaliana amin’ny fitiavany ve izy? Havela hihazona ny maha-izy azy ve izy, sa tsy maintsy hilefitra eo ambany fifehezan’ny vadiny ny sainy sy ny feon’ny fieritreretany? Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy azy, dia tsy azy ny tenany; olom-boavidy izy. Afaka manaja ny fitakian’ny Mpamonjy ho zavatra ambony indrindra ve izy? Moa ve ny vatany sy ny fanahiny, ny eritreriny sy ny fikasany ho voatahiry ho madio sy masina? Ireo fanontaniana ireo dia misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fahasambaran’ny vehivavy tsirairay izay miditra ao amin’ny fifandraisan’ny fanambadiana. - MYP 439.2.HAT 384.3

    Ilaina ao an-tokantrano ny fivavahana. Io ihany no afaka misoroka ireo ratsy izay mampangidy matetika ny fiainan’ny mpivady. Ao amin’ny toerana izay anjakan’i Kristy irery ihany no afaka hisy fitiavana lalina sy marina ary tsy misy fitiavan-tena. Hifandray ny fanahy anankiroa, ary ho feno firindrana ny fiainana roa tonta. Ho lasa vahiny ao an-tokantrano ireo anjelin’Andriamanitra, ary ny fiambenany masina no hanamasina ny efitranon’ny mpivady Ho voaroaka ny filàna manimba. Hitodika hiakatra mankany amin’Andriamanitra ny eritreritra; any Aminy no hiakatra ny fanoloran-tenan’ny fo. - MYP 440.1. HAT 385.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents