Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Miankina amin’ny Zava-Misy ny Fahadiovana

    Tsy misy antsoina ho amin’ny toetra kristianina tsara raha toa ka sarotra kokoa noho izay niainan’i Kristy ny tontolo misy azy. Ny niainan’i Kristy telopolo taona tao Nazareta, izay noheverin’ny maro fa tsy hisy zava-tsoa avy ao, dia fananarana ny tanora izay mihevitra fa ny toetrany dia tokony hifanaraka amin’ny zava-misy iainany. Rehefa tsy tiany sy ratsy ny tontolo misy azy, dia raisin’ny maro ho fanalan-tsiny tsy hananana toetra kristianina tanteraka izany. Ny ohatr’i Kristy dia fananarana fisainana fa ny mpanaraka Azy dia miankina amin’ny toerana, harena, na fananana, mba hiainana tsy misy hoentina. Hampianatra azy ireo i Kristy fa ny fahatokian’izy ireo dia hahatonga ny toerana na andraikitra, eo amin’izay nametrahan’Andriamanitra azy, ho mendrika na dia mahantra aza.HAT 61.1

    Natao haneho ny fiainan’i Kristy fa ny fahadiovana, ny fijoroana, ny fahamatoran’ny foto-kevitra dia tsy miankina amin’ny fiainana tsy misy fahasahiranana, fahantrana ary fifanandrinana. Ireo fizahan-toetra sy tsy fisiana, izay mampitaraina tanora maro, dia nozakain’i Kristy tsy nisy fimonomononana. Izany fanandramana izany indrindra no ilain’ny tanora, hanome fahamatoran-toetra azy ireo, hahatonga azy ireo ho tahaka an’i Kristy, manana fanahy mahery hanoherana ny fakam-panahy. Tsy ho resin’ny famitahan’i Satana izy, raha misaraka amin’ny hery miasa mangina avy amin’ireo izay mampivily azy sy manimba ny toe-panahiny. Amin’ny alalan’ny vavaka isan’andro amin’Andriamanitra no handraisany fahendrena sy fahasoavana hiatrika ny fifandonana sy ny fahasarotan’ny fiainana ary hivoahany ho mpandresy. Amin’ny alalan’ny fiambenana sy ny vavaka ihany no hihazonany ny fahamatorana sy ny fiadanan-tsaina. Ohatry ny hery feno faharetana ny fiainan’i Kristy, izay tsy navelany holemen’ny fanomezan-tsiny, ny fanalam-baraka, ny tsy fisiana sy ny fahoriana.HAT 61.2

    Tokony ho toy izany koa amin’ny tanora. Raha mihamahery ny fitsapana, dia tokony ho fantany fa mizaha taratra ny fahatokiany Andriamanitra. Ary araka ny ihazonany ny fahadiovan’ny toetrany manoloana ny fahaverezan-kevitra no hitomboan’ny heriny, fijoroany ary faharetany, ary dia hihahery ny fanahiny. -YI, Mar. 1872.HAT 62.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents