Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiankinana Isan’Andro amin’Andriamanitra

    Rehefa mifoha amin’ny maraina ianao, mahatsapa ny fahalemenao ve, ny filanao ny herin’Andriamanitra, ary amim-panetren-tena, amin’ny fo milaza ny ilainao amin’ny Rainao Izay any an-danitra? Raha izany dia hanoratra ny vavaka ataonao ny anjely, ary raha vavaka natao tamin’ny molotra tsy mandainga ireny, raha mitady hanao diso tsy nahy ianao, hitarika ny hafa hanao ratsy amin’ny hery miasa mangina ao aminao, dia ho eo anilanao ny anjely mpiambina anao, hanoro anao lalana tsara kokoa, hifidy ny teny holazainao, ary hitarika izay hataonao.HAT 70.2

    Raha tsy mahatsiaro tena fa tandindomin-doza ianao, ary raha tsy mivavaka mangataka fanampiana sy hery hanoherana ny fakam-panahy, dia azo antoka fa mivily lalana ianao izay; homarihina any an-danitra ny tsirambina asehonao amin’ny andraikitrao, ary dia tsy hanana ianao amin’ny andro fizahan-toetra. — TFC, b. 3, tt. 363, 364.HAT 71.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents