Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 62 — Ny Tanora ho Mpamonjy Fanahy

    Fahavalo malina i Satana; revo amin’ny fikendreny ny hitarika ny tanora amin’ny lalana izay mifanohitra tanteraka amin’izay ankasitrahan’Andriamanitra izy. Fantany tsara fa tsy misy antokon’olona hafa izay afaka ny hahavita zavatra tsara noho ny tanora lahy sy vavy izay manolo-tena ho an’Andriamanitra. Afaka ny handefa hery miasa mangina mahery vaika ny tanora raha toa ka mahitsy. Ny Mpitoriteny na laika efa nahazo taona dia tsy afaka ny hanana ny antsasaky ny hery miasa mangina eo amin’ny tanora noho ny mety hananan’ny tanora, izay manokan-tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny namany Tokony ho tsapan’izy ireo fa mipetraka eo amin’izy ireo ny andraikitra hanao izay rehetra azony hatao mba hamonjena ireo namany mety maty, na dia hanaovana sorona ny fahafinaretana sy ny faniriana voajanahary ananany aza. Ny fotoana, eny, ny fananana aza, raha ilaina dia tokony hatokana ho an’Andriamanitra.HAT 177.1

    Ireo izay milaza ho manana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia tokony hahatsapa ny loza mitatao amin’ireo izay tsy ao amin’i Kristy. Tsy ho ela intsony dia hikatona ny varavaram-pahasoavana ho azy ireo. Ireo izay mety ho nampiasa ny hery miasa mangina mba hamonjena fanahy, dia tsy maintsy hijoro eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra, raha tsy nahomby tamin’ny fanatanterahana ny adidiny izy noho ny fitiavan-tena sy ny hakamoana, na noho ny hamenarany ny hazo fijalian’i Kristy dia tsy ho very fotsiny ihany ny fanahin’ny tenany fa hisy ny ran’ireo mpanota mahantra eo amin’ny fitafiany. Hampamoahina ny olona toy izany ny amin’ny soa izay tokony ho vitany raha nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy, kanefa tsy nataony noho ny tsy fahatokiany.HAT 177.2

    Ireo izay tena nanandrana ny hamamin’ny fitiavana manavotra dia tsy hitsahatra ary tsy afaka ny hitsahatra mandra-pahatongan’ireo rehetra izay mifanerasera aminy hifankazatra amin’ny drafi-panavotana. Tokony hangataka ny tanora hanao hoe: «Tompo ô inona no tianao hataoko? Amin’ny fomba ahoana no ahafahako manome voninahitra sy mankalaza ny Anaranao eto an-tany?” Ringana manodidina antsika ireo fanahy, kanefa inona no mba enta-mavesatra hoentin’ny tanora amin’ny fahazoana fanahy ho an’i Kristy?HAT 178.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents