Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 80 — Finoana sy Vavaka

    Amin’ny finoana an’i Kristy dia azo ahitsy ny kilema rehetra, azo diovina izay tasy, azo fenoina izay banga ary hampivelarina ny talenta.HAT 219.4

    «Hianareo dia tanteraka ao Aminy.» Ny vavaka sy ny finoana dia mifanakaiky ety dia ety. Siansa tsy maintsy fantatry ny olona te hahomby amin’ny fiainana izany. Hoy i Kristy: “Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia ho azonareo izany“. Nambarany fa ny fangatahantsika dia tokony hifandrindra amin’ny fikasan’Andriamanitra. Isika dia tokony hivavaka mba hahazoana izay nampanantenainy ary hampiasa izany ho fanatanterahana ny sitrapony. Rehefa feno ny fepetra, dia tanteraka ny tokin’Andriamanitra.HAT 220.1

    Tokony hivavaka isika mba hahazo famelan-keloka amin’ny fahotana, mba handray ny Fanahy Masina, mba hitondra tena kristianina, mba hanam-pahendrena, mba hanana hery hanaovana ny asantsika ary mba handray ireo fanomezam-pahasoavana efa nampanantenainy antsika. Manaraka izany dia tokony hino isika fa efa nahazo izany ary hanolotra ny fankasitrahana amin’ny Tompo.HAT 220.2

    Tsy ilaina ny mitady fanamarinana ety ivelany ny amin’ny fitahiany antsika. Ao amin’ny teny fikasany ny fanomezam-pahasoavana ka tokony hiasa isika, ary manamarina fa ny toky dia efa nomeny. Azony tanterahina izay efa nampanantenainy fa eo am-pelatanantsika izany fanomezana izany ary hanao izany amin’ny fotoana mahamety azy Izy. — Ed, tt. 257, 258.HAT 220.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents