Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahatokian-Tena sy Fahajambana

    Raha mba mahiratra mantsy ny mason’ireo tanora voafitaka, dia ho hitan’izy ireo ny fijery mamiratr’i Satana nahomby tamin’ny fanimbany ny fanahy. Mampifanaraka ny fakam-panahy amin’ny fomba rehetra, araka ny fiovan’ny toe-javatra misy ho an’ireo iriny hosamborina izy. Handramany avokoa ny famitahana rehetra, ary raha toa ka tsy mikatsaka an’Andriamanitra ireo izay kendreny, dia ho jamban’ny famitahany izy, hatoky tena, mihevitra hahavita tena, ary tsy mahalala ny fahavoazany sy ny loza manjo azy. Vetivety dia tsy hiraharaha ny finoana nomena ny masina izy.HAT 67.2

    Miresaka amin’ny tanora aho, toy ny iray izay mahalala, toy ny iray izay nanehoan’ny Tompo ny loza miandry azy ireo eny an-dalana. Hitondra anareo ao anaty fandriky ny fahavalo ny fahatokian-tena. Tsy mila hevitra amin’Andriamanitra ny tanora, ary tsy manao Azy ho fialofana sy hery. Miditra eo amin’ny fiainana feno fahatokian-tena, matoky fa afaka hisafidy izay tsara ary hahatakatra ny tsiambaratelon,Andriamanitra, amin’ny alalan’ny herin’ny fisainany, toy ny afaka hahita ny fahamarinana amin’ny herin’ny tenany.HAT 67.3

    Matahotra kokoa ny amin’ireo matoky tena isika, fa azo antoka fa tafaroboka ao anaty harato novelarin’ilay fahavalo lehiben’Andriamanitra sy ny olona izy. Ireo namana sasantsasany nofidina ho namana mahazatra, izay voapentin’ny fahalovana avy amin’ny tsy finoana dia hamafy masirasiran’ny tsy finoana ao an-tsain’ireo. Amin’ny alalan’ny fandokafana tafahoatra ny talenta, ny fahamboniana ara-tsaina ananany, amin’ny fanairana faniriana hanana toerana ambony, dia voasarika ny sainy, tratry ny aretina ny fanahiny. Tsy hankasitraka ny ran’ny sorona fanavotana ireo izay manandra-tena, ka hanohy hanao izany na dia eo aza ny Fanahin’ny fahasoavana.HAT 68.1

    Ireo zanaky ny ray aman-dreny mitandrina ny Sabata, izay nahazo fahazavana lehibe, izay nanehoana fitsimbinana feno fahalemem-panahy, no mety ho isan’ireo izay hamela lova feno henatra, hamafy amin’ny rivotra ka hijinja tadio. Amin’ny andro fitsarana, dia hosoratana miaraka amin’ny anaran’ireo izay voaheloka ho tafasaraka amin’ny fanatrehan’ny Tompo, lavitry ny voninahitry ny heriny, ny anaran’ireo izay nanota nanohitra ny fahazavana lehibe nomena azy. Ho very izy ireo, very, ary dia hisaina miaraka amin’ireo izay naniratsira ny fahasoavan’i Kristy.HAT 68.2

    Aleoko mahita ny zanako mitsotra ao am-pasana toy izay mahita azy ireo mizotra amin’ny lalana mankany amin’ny fahafatesana. Eritreritra mampivarahontsana ahy loatra ny misaina fa namelona zaza hiady amin’ny Andriamanitry ny lanitra aho, izay hanabe isa ny laharan’ireo nihemotra amin’ny andro farany, handeha ao ambany faneva maintin’i Satana.HAT 68.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents